Firoborobona mety hitondra zavatsoa sa....
1. badboy
(
26/05/2008 14:11)
Iarahamahalala izao ny fiakaran'ny vidin'ny solika sy ny lasantsy. Ny firenena mitrandraka ny solitaniny sy manondraka any ivelany ihany no tsy mijaly. Madagasikara isan'ireo firenena mitrandraka.
"Rahoviana no hitranga, asa angamba ho atsy ho atsy, no ho tonga Bemolanga, sika tsy ho lany vatsy.....". Samy mahay io tonokiran'i Mahaleo io avokoa anagamba ny rehetra. Tanterak'izao ny ambaratonga voalohany satria manomboka ny fitrandrahana. Bemolanga sy Tsimiroro ho an'ny solitany na "petrole" (ny tena marina menaka mavesatra "huile lourde"). Toamasina na Ambatovihy ho an'ny "nickel".
Dia ho andrasana izay ho fiatraikany marina ary lalana 2 ihany no ho iafarany :
- na mahazo tombony avy hatrany ny vola miditra vokatry ny fitrandrahana ny mponina ka tsy ho lany vatsy
- na tsisy anjarany fa ny ambony ihany no homana dia hiafara tahaka an'i Côte d'ivoire, Zimbabwe ... ka ho adimpirenena "guerre civile" no hiafarany.
Ny tantara no hilaza amintsika ny valiny. ;-) ;-) ;-) ;-)

novalian'i Jeankely ny 27/05/2008 21:21
2. Annie2006
(
26/05/2008 14:32)
Loza be vata no azon'ny malagasy amin'ity fitrandrahana ny harena ankibon'ny tany ity satria natao tsy ampiheverana ka lasa fivarotana tanindrazana ilay izy.
Misy tombotsoa hoan'ny malagasy ny solika raha ny malagasy no mitrandraka azy. Kanefa tsy izay ny miseho fa: Trandrahan'ny vahiny ilay izy ka huile brut no avadika petrole. Ahondran'ireo vahiny io sokajina petrole io any ivelany. Ka ny malagasy dia mividy ny solika any amin'ny tsena iraisam^pirenena amin'ny vidiny lafo dia lafo.
Tsy ho ampy vatsy mihitys ny vahoaka malagasy amin'izany satria potika ny tany, lafo amin'ny vahiny ny tanindrazana ary mbola lany vola koa mividy solika avy any ivelany amin'ny vidiny lafo dia lafo.
sokafo tsara ny saina!

3. Jeankely
(
26/05/2008 14:44)
Raha nahay ve ny Malagasy tsy efa ela no voatrandrany. Ireo tany Afrikana misy Solika ireo ngaha moa tsy vahiny no mitrandraka azy ? Fa nareo ve no tokony hametraka ny politika sa ny mpitondra sy ny vahoaka any Madagasikara ?
4. Annie2006
(
26/05/2008 14:54)
Izay indrindra no tokony hanosika an'ireo mpitondra ireo ampiasa ny "lohany" raha manao zavatra.
Aiza misy tany afrikana mpitrandraka solika ka mba misy fivoarana sy vahoaka faly satria tsara farimpiainana? Nigéria? angola? gabon? Guiné équatoriale?....
Tsy misy ny mahamaika ny mpitondra malagasy hitrandraka ny harena ankibon'ny tany izay tsy hananan'ny fahaizamanao avo lenta. Nivadika ny rasa: tokony ny hanofana teknisiana amin'ny fitrandrahana an'ireny harena ireny aloha no nahamaika azy fa tsy nivarotra ny tanindrazeana amin'ny vahiny. Aza mihevitra enao fa ireny milara maro be adobok'ireo vahiny amin'ny fitrandrahana io dia ho any ampaosin'ny malagasy. Ankelezantsaina ny fionoana an'izany. Tadidio koa fa ahondrana daholo ireo vokatra ireo fa tsy misy mijanona eto madagasikara mihitsy. Io ilay lojika "rentière" lazaindry zalahy azy.
Ny tena loza dia tena kely dia kely ny vola azon'ny madagasikara amin'io (ampaha efatrin'ny vola azo avy amin'ny tourisma ohatra) ary tena maizina be ny fitantanana azy satria tsy misy contrôle crédible mihitsy mba manara maso ny fampiasana an'ireny vola ireny.
Ny vahoaka no mametraka ny olona izay hametraka ny politikan'ny fampandrosoana. Kanefa raha halatra sy fanodikodinana ny safidimbahoaka no natao lalàna dia mazava fa efa bekilema sahady ireo olona mitonontena ho solotenan'ny vahoaka ireo. Noporofin'ny vahoaka malagasy fa efa tsy hanaiky hovbiravirain'ny mpitondra intsony ny safidiny ka 8% monja ny olona tonga nifidy tamin'ny conseiller régional lasa teo iny. Ny mpitondra anefa dia mirehareha mafy fa mahay mangala-bato ka faly manao be marenina. Io ilay loza be aminy.

5. Jeankely
(
26/05/2008 22:56)
Rehefa tsy alehany ny mpitondra dia aseho dieny izao ny maha alehany anao sy ny tarikao fa aza variana manaratsy ny voalaza efa ratsy. Tsy ilaina haratsiana ny MAKAKA sy VORONDOLO fa maneho ny fahaizany ny VOROMANGA dia mba raiso indray ny fitondrana ary hasoavy ilay tanindrazana. Sao manimba toe-tsaina fotsiny ilay izy. Raha tsy fantarao dia ny fisarahan'ny mpitondra amin'ny vahoaka no fototry ny olana. Hafa ny rafitra tian'ny mpitondra atao nefa hafa no tian'ny vahoaka arahina nohon'ny fanasamatsamahana ataonareo.
6. xxx
(
26/05/2008 23:01)
enao be kihina io ve ba mahatsapa tena sa tsia eh!!hainao miteny olona nefa ny tenanao tsy hitanao akory!
7. Jeankely
(
26/05/2008 23:04)
Ianao ra-kiady tsisy saina a. Etsy xxx dia mivadika tampoka. Esory ny JK rehefa halanao fa tsy olana.
8. kiadi
(
26/05/2008 23:10)
odry hay bola oe zah ko ny xxx manerana zao dinika retra zao! :-D :-D :-D
aleo mangina wa fa adala sendra nahazo fahafana @ halalan'ny virtoaly no miresaka ! :-D :-D :-D

9. Jeankely
(
26/05/2008 23:14)
Samy adala na ny kentrina na ny miady amin'adala. Samy miboridana na ny mombamomba ny hafa aza no naboridanareo.
12. yonikafopl
(
27/05/2008 06:49)
Za kosa mahita fa le petitjaona de manakiana foana no ataonao raharaha ato eeee, hita mihintsy hoe miaro anjambany ireo mpitondra ireo .
Za tam za nandalo tany Dago tam herintaona iny de nahita mihintsy fa entin'ireo mpitondra ireo any amin'ny kizo ny firenena. Izay zavatra hahitany tombotsoa sy ahazoany mameno ny paosiny dia hidirany daholo na dia hita fa mety hanimba ny fiainam-bahoaka aza.
Ohatra no omeko, Betsaka ny projet any Madagasikara izay raisin'ny iraniana antanana ny fanajariana azy. Ary dia mahazo alalana manangana moske etsy sy eroa .Tsy mankahala ny silamo aho sanatria fa ohatra omeko fotsiny fa nohon'ny fanjakazakan'ny Iraniana aty Liban no mahatonga ny ady sy ny korontana eto. Nisy namana silamo niaraka taminay tany de nitondra azy nivavaka teny am le moske tery am mare masay tery zahay, ny teny sy zavatra dradradradrain'ilay chekh tao de ny fanindraindrana ny fitondrana iraniana sy ny kaomenieh. De tonga de ozy le vadiko we afaka taona vitsivitsy dia hiady antrano madagasikara fa efa tafiditra lalina any Iran.
Io Petrole petrole io, Libanais no miandraikitra io, ary dia efa tena bedabe mintsy ny Libanais lasa any Dago any. Misy ifandraisany amin'ny Iraniana ihany io satria dia silamo chiite no betsaka lasa any.
Za tena tsy nieritreritra mihintsy hoe bedabe libanais any Dago any, fa tena gaga fotsiny zahay fa tena nifanena tam libanais bedabe , misy efa fito taona ny nipetrahan'ny sasany tany, misy efa tena mahay teny gasy be mihintsy, de refa niresadresaka taminjareo de tsy misy asa de we manao ahoana ataonjareo fa manao location de voiture ny sasany hanaronana ny mission hataony ngamba satria dia hezbollah iringiriny izy ireo.
Za de tena manohana ny lazain'i Annie2006 io mihintsy we tokony tsy tonga de maimaika be am le fitrandrahana kalou, fa ny nanofana malagasy amin'ilay section no tokony natao, ef afantatra efa ela fa misy bemolanga, de tokony mba nieritreritra ny hamoaka malagasy ho injeniera sy teknisiana hanao ilay asa no nimasoana. Saingy tsy tao anatin'ny sain'ny mpitondra izay satria ny hameno ny paosiny no jereny, ny tombotsoany aloha no voalohandaharana, rehefa feno ny azy vo mieritreritra ny vahoaka izy.

13. Jeankely
(
27/05/2008 11:21)
Anofana dia an'ny fanjakana izany ve ilay izy ? Sao hadino fa izay ilay efa hialana. Sa hofanina ahoana ?
14. badboy
(
27/05/2008 20:06)
younikafopl >> Tsy afaka ny hiverina @ ilay hoe fanofanana tsony satria efa fitrandrahana izao no miainga. Ny tokony hisy angamba de ilay hoe mankaiza ilay vola miditra. Ny vahoaka ve mahita sombiny na ankolaka eo @ fiainany andavanandro satria rehefa dinihana ireo tany misy petrole, suède, usa..., ankoatry ny tany afrikana, dia mampiroborobo ny fianan'ny vahoaka ilay vola azo avy @ fitrandrahana.
Eo angamba no tokony ho zahavina ny fiantraikan'ny vola miditra sy ny fahaizan'ny mpitondra mampita io vola io @ vahohaka. ;-) ;-)

15. Jeankely
(
27/05/2008 21:21)
Lazao koa fa niandry an'i badboy vao nisy resaka ny handinika izany.