Crise mondiale aiza ho aiza ra malagasy?

1. lemenakely ( 24/05/2008 10:46)
Raha ny zavatra hita ankehitrio dia mandainga izay tsy mahatsapa fa tsy mitsahatra ny midangana ny vidimpiainana :na ny lasantsy,ny gasoil,ny PPN...ka aiza ho aiza ny toeran'ny gasy @ izao olana izao raha hanao SUBVENTION ve fanjakàna mety ho vahaolana ?
novalian'i ndenn ny 01/05/2009 01:00
2. Jeankely ( 24/05/2008 12:44)
Fanontaniana tsara apetrakao any @ Praiministra io. Na any amin'ireo mpanohatra milaza mahay mamaha ny olana rehetra :-D :-D :-D . Dia avy aiza ilay Subvention izany ry lemenakely ?
3. xxx ( 24/05/2008 12:46)
ny dinika valina fa aza be kihina eo elah ry petijean an!
4. Jeankely ( 24/05/2008 13:35)
Ato indray tonga manraka ve raxxx. Sao hanimba dinika tsy efa tsy zakan'ny loha. Tsy efa lasa alavitra daholo ve ny tany mahantra raha nahavaly an'io ? Vakio ny lesona dia hazavao fa nareo no mpianatra andafy :-D :-D :-D . Mahavaha crizy be
5. xxx ( 24/05/2008 13:44)
Jeankely:

Dia avy aiza ilay Subvention izany ry lemenakely ?

Eny hoa! Fa angaha ny fanjakana manam-bola?
6. Jeankely ( 24/05/2008 14:15)
Ary xxx akamako indray no nipoitra fa ilay adva lasa aiza :-D :-D :-D . Tsy hita ihany ity xxx ity.
7. Xp ( 24/05/2008 15:06)
Efa nandray andraikitra ny fanjakana ka. Efa tsy mahazo manondrana vary ny gasy.
8. Jeankely ( 24/05/2008 21:50)
Dia voavaha ve ny olana ry Xp sa nihamaivana ? Ny rehetra dia avy amin'ny famokarana. Tsy afaka hanana lanja mihintsy ary ahatohitra raha mpanara-drenirano. Ka mety ho tsara raha mametraka antontan'isa i Xp hoe mila vary firy taonina ny Malagasy ary firy no miparitaka rehefa tsy afaka manondrana izany ary firy sisa hafarana ? Dia nanomboka taiza ny vidiny ary lasa aiza eraky ny Nosy ?
Ny vary moa no foto-tsakafo fa ny sehatra rehetra no voakasiky ny krizy ka asa io no tian'ny mpanontany resahana. Raha mijery ny loha-hevitra avy napetrak'i Lemenakely rehetra dia tsy mankatoa ny vokatry ny fitondrana izy ka izay angamba no tokony hasehonao aminy fa mahavita ny fanjakana.
9. tovolahy007 ( 25/05/2008 14:56)
Salama e!
Ny hamaliako azy dia hoe:
-Hitombo ny olona ho bokan'ny trosa, satria betsaka ny andeha hisambotra vola mba handoavana ny ofatrano ny factrure ny Jirama ,sns.
-Ho betsaka iany ko anefa ny mety ahita tombony noho ilay kirizy, izay tsy iza ireo fa ireo izay efa mpanefoefo. Hisy zany ny fanjanahambola, hiseho ko ny risoriso.
-Ho betsaka ny vahoaka no hameno laharana ireo izay efa tena mahantra.
-Ho betsaka ny tsy an'asa satria handroaka mpiasa ny societe, antony dia satria tsy aharaka ny handoa ny karama iany ko ny kaompania.
Dia inona mo zany fa dia tena tratran'ny KRIZY MAFY e. Ity ary mba vao ilay antsoiny'ny vazaha hoe inflation fotsiny fa ra miampy ny manjo ny olona aty USA aty ngamba de tsy hitako tsony zay lazaina. Ny tiko ambara dia ny aty sady misondrotra hatrany ny vidimpiainana, io dia mbola miampy ny olana izay miseho eo @ resaka TRANO FONENANA izay betsaka ny tompony no tsy mahaloa intsony ny vidiny fandoa isambolana hany ka dia alain'ny Banky ny Trano.
Koa dia hoy aho hoe dia hevero dia ny eny izao izay ho atao re olona, aza miandry izay RAFANJA any fa ra iandry azy eo, dia eo ianao no ho raisina.
Dia mirary fahavononana ho antsika rehetra.

10. Xp ( 27/05/2008 03:18)
Izaho vao saika hiteny mihitsy ry tovolahy007.

Ny gasy miandry ny fanjakana hanao izao sy izao. Fa ny fanjakana angaha no kitapom-bola no andrasana aminy daholo ny zavatra rehetra?

Tonga ny rivodoza --> aiza ny fanjakana fa feno rano?
Tonga ny haintany --> aiza ny fanjakana fa kere?
Hianatra --> izahay tsy hianatra raha tsy omen'ny fanjakana bourse ohatra izao
Tonga ny krizy iraisam-pirenena --> inona no mba fepetra noraisin'ny fanjakana?

Ny fanjakana foana no diso isaky ny misy zavatra kely. Nefa firy amin'ny malagasy no mba mandoa hetra any amin'ny fanjakana?
I Jeankely ve izao mba mandoha vola ho an'ny fanjakana, sa mimenimenina toy ny ankamaroan'ny malagasy no hay?

Hanome isa hoe aho? Aiza no ananako isa, mba réaliste.

Raha tsy manondrana dia firy sisa no hafarana.
Aza manatena. Mba fantatr'i Jeankely mahira-tsaina io moa hoe avy aiza ny sakafon'ny malagasy?
Raha tsy mahay dia manaova aloha fanadihadiana vao manome tsiny ny fanjakana.

Ny fanjakana izany dia toy ny ray aman-dreny. Mendri-kaja izany. Ny vahoaka toy ny zanaka. Ny zaza hendry dia manampy ny ray aman-dreniny amin'ny olana misy.

Dia andraso ny filoha Ravalomanana koa no handeha hamoha anao maraina sy hanasa ny lambanao.
11. Jeankely ( 27/05/2008 06:35)
Mety diso fijery ianao fa Jeankely tsy mpanenjika fanjakana. Jereo daholo ireo voasoratro rehetra fa ireo notanisainareo ireo efa voalazako aby. Anisan'izany ny filazana ny olona fa ny ezaka ataony no mahatafita azy fa tsy ny fanjakana. Voaenjika hatrany aza i Jeankely fa mpanohana be fahatany ny mpitondra.
12. bazylou ( 26/07/2008 11:37)
io izy io , io pma io ka aiza indray
13. Herimiafina ( 26/07/2008 22:34)
lemenakely:

...ka aiza ho aiza ny toeran'ny gasy @ izao olana izao raha hanao SUBVENTION ve fanjakà na mety ho vahaolana ?

Toa ohatry ny efa nisy foana io na dia mbola talohan'izao krizy petroliere izao aza. Filet de securité amin'ny PPN no tiako hiaviana eto.

Sarotra ihany aloha ilay izy e, satria toy ny "MANGATA_BOLA AMIN'NY EFA MPANGATAKA", ary olana nasionaly mihintsy io satria ny fidirambolan'ny fanjakana kely nefa ny vola takiana aminy midadangana foana.
Tokony asiana mandoa hetra ara-dalana koa ny eny Antsaralalàna hanamaivanana ny findramana lava avy any ivelany.

:^)
14. ndenn ( 01/05/2009 01:00)
Merdique !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1653