Antso avo ho fanampiana an'i Kamba.

1. ikalamako ( 20/05/2008 12:55)
Efa nisy tamintsika angamba no nahita sy namaky teto amin’ny tontolon’ny blaogy ny tantaran’i Kamba, zaza herintaona mipetraka any Majunga izay manana takaitra hatrany an-kibon-dreniny.

I Diana Chamia, mpitoraka blaogy avy amin’ny FOKO any Majunga, moa no nampahalala azy io teto, ary niangavy izy tamin’izany ny hanampiana azy hitady vahaolana amin’ny hitsaboana io zaza io, fa izay no nampanantenainy ny renin’ny Kamba.

Maro ny fifanakalozan-kevitra nataon’ireo namana eto amin’ny blaogasfera ary ny fivoatran’izany dia voarakitra ao amin’ny “Malagasy-Miray” :
http://malagasymiray.net/2008/05/02/help-diana-help-them-bloggers-committe-on-the-way/

Ankehitriny dia tonga ny fotoana hanaovana antso avo ny namana rehetra tsy ankanavaka handray anjara amin’ny fanohanana ara-bola enti-miatrika ny fitsaboana an’i Kamba, izay irariana dia irariana tokoa mba tsy hanano-sarotra.

Efa misy dokotera mpandidy iray nanaiky tam-pitiavana ny handray an-tànana ny raharaha, ka isaorana betsaka izy, ary isaorana eram-po eran-tsaina indrindra indrindra i Jean sy Bako RAZAFINDAMBO tamin’izay efa vita sy mbola hataon’izy ireo ho an’ity zaza ity. Izy ireo no tena angady nanana ny fivoaran’ity hetsika ity.
Eto am-piandohana aloha dia vola tokony ho 500 euro eo ho eo no ilaina hampakarana azy mianakavy kely any Antananarivo amin'ny voalohandohan'ny volana jiona hanaovana ny scanner izay tsy misy any Mahajanga : nokajiana anatin’izany ny saran-dàlana, ny ho lany amin’ny scanner sy ny kojakoja ao amin’ny hopitaly ary ny hiveloman’izy mianakavy kely mandritra izany fotoana izany. Aorian’izany kosa vao ho fantatra ny tena teti-bola ilaina amin’ny fandidiana.

Tànan-kavia sy havanana re izy ity ka izay didi-maharary, koa manentana antsika rehetra amin’izany asa soa levenam-bola izany.

Indro ny pejy manokana hahitana ny fanazavana rehetra sy handraisana anjara amin'izany voin-kava-mahatratra izany :

www.zaza-vavy.org/kamba

Isaorana betsaka tokoa ireo ezaka rehetra natao sy hataon’ny tsirairay. Misaotra ny tontolo virtoaly manome fahafahana malalaka mifanampy amin'ny soa.
Misaotra sy mankasitraka.

PS : Raha misy monina ao Ottawa na manodidina, na sendra mandalo ao amin'ny andron'ny 25 mai izao dia afaka manotrona an'i Jogany/joan amin'ny fampaherezana an'i Jean sy Bako Razafindambo izay handray anjara amin'ny "Half Marathon de Ottawa" hanohanan'izy ireo indrindra izao hetsika ho an'i Kamba izao.

"Jean sy Bako : Go Go Goooooo"

novalian'i sipagasy ny 07/06/2008 14:44
2. lazounet ( 20/05/2008 13:34)
Hampitàna ny hafatra Rondro a! :*
3. endrika01 ( 25/05/2008 10:49)

mmmh,tena mampalahelo tokoa izany!de mivavaka hoazy mba ho vita soamatsara ny operation dia ho maro be koa ny hamaly antso ! :-* :-* :-*
4. rurik ( 07/06/2008 13:42)
ka le fandidiana mo zany mbola tsy vita?
de ahoana no anaovana ilay fanampiana raha te hanampy ?
aiza no alefa?
dia mirary soa ho an'ny fianakaviana sy ny zaza.
mampahonena.
5. sipagasy ( 07/06/2008 14:44)
rurik ann, misaotra anao, indro ny rohy ahafahanao mandefa ny fanampiana izany e!!!! http://www.zaza-vavy.org/
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0871