Inona kay ny atao hoé raisina dekona?

1. mirana5 ( 19/05/2008 20:00)
Zà katolika fa misy havako hono noraisina dekone, ka mba tiako ho fantatra marina inona ny dikan'io ary inona ny asa atao @ zany eo @ lafin'ny finoana? Misaotra @ fanazavana mety ataonareo !
novalian'i prime ny 26/05/2008 10:23
2. ni81 ( 19/05/2008 20:12)
Manarakaraka ny Pasitera ny laharany raha tsy diso aho.
Ny asan'ny diakona (na dekona araka ny lazainao) dia: mampandroso olona, mizara ny mofom-pandraisana sy divay, mamoha sy manidy varavaram-piangonana, mamangy ny mambra tsy salama, mandamina ny fitaovana ao am-piangonana. Mananty rakitra. Mitarika fotoana koa izy indraindray, mitory teny. Be ny zavatra ataony fa angamba mbola misy tsy voatanisako.
3. ni81 ( 19/05/2008 20:14)
Inona kay ny atao hoé raisina dekona?
Voafidy hanao ireo asa voalazako eo ambony ireo, ao @ fiangonana ilay olona.
4. cutie ( 19/05/2008 20:16)
misy dekona koa @ katolika fa tsy haiko ny asany :)
5. Belami ( 19/05/2008 23:04)
cutie:

misy dekona koa @ katolika fa tsy haiko ny asany :)

aiza koa ny katolika misy dekona zany???
6. cutie ( 19/05/2008 23:06)
aty aminay :wink:
7. naritsimba ( 20/05/2008 06:39)
Miarahaba antsika indray e!

Diakona no tena fanoratra azy fa tsy Dekona.

Indro ny voalaza ao @ Soratra Masina milaza izany ao amin'ny
I TIMOTY 3

1 Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina [episkopo], dia maniry asa tsara izy.

2 Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra,

3 tsy mpimamo lian-ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola,

4 manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin'ny fahamaotinana tsara

5 (fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony, ahoana no fitandriana ny fiangonan'Andriamanitra?),

6 tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly.

7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.

8 Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto,

9 mitandrina tsara ny zava-miafina ny amin'ny finoana amin'ny fieritreretana madio.

10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.

11 Ny vehivavy koa ho toy izany ihany: maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin'ny zavatra rehetra.

12 Aoka ny diakona samy hanam-bady tokana sady hanapaka tsara ny zanany sy ny ankohonany.

13 Fa izay efa mahavatra tsara ny asan'ny diakona dia mahazo toerana tsara ho an'ny tenany sy fahasahiana lehibe amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy.

14 Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankaty aminao faingana aza aho;

15 fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondrantena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana.

16 Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin'ny voninahitra [ho amin'ny].
8. naritsimba ( 20/05/2008 06:44)
raha ireo voalaza ireo dia tena manana andraikitra goavana ny Diakona eo anivon'ny fiangonana, voazaha toetra ka madio fisainana, izay no mahatonga azy ho fifaliana lehibe rehefa voafidy satria ny mpandray ny fanasan'ny Tompo no mifidy azy ireo, ka mazava ho azy fa olona efa mpandray izy ireo.
9. cutie ( 20/05/2008 12:24)
10. niryna ( 20/05/2008 16:12)
irreo voalazan'i naritsimba ireo no antsoina hoe diakonina.
Raha sanatria kosa ratsy fitondrantena ilay olona dia ahongan'ny olona tsy ho diakonina intsony.
Ny aty aminay dia manatrika eo daholo ny dekony rehetra izay nifandimba nanao ny asan'Atra no miaraka mitsangana mandray tanana azy io ary miaraka mivavaka mba omen'Atra hery ilay olona ahatotosana ny andraikitra goavana miandry azy io ary araka ny talenta ananany no hizarainy an'izany ihany koa ao am-piangonana,ao ny mamangy ny marary miaraka an'i pasitera, ao ny mivavaka ny marary,ny manasitrana ny marary ankoatran'ny asa ao am-piangonana .
Toa ny olombelona rehetra dia manana ny kilemany koa izy ka aza gaga isika raha misy ireny tantara maro hoe diakonina anefa .....
Ny fiangonana iray manontolo koa no miaraka mivavaka azy ireo fa mahery ny fakam=panahy
11. ikaretsaka ( 20/05/2008 19:01)
Belami:

misy dekona koa @ katolika fa tsy haiko ny asany :)

aiza koa ny katolika misy dekona zany???

ny Diakra no ataon'ny Katolika any @ tany miteny Angalisy hoe Deacon!
Ny diakra kato dia samihafa @ diakona prot

@ kato de ny fahita matetika lasa pretra ny diakra! (filaharan'ny sakramentan'ny ordination io raha tsy diso aho)
Misy koa miteny ny katesista hoe "diakra"

12. mirana5 ( 20/05/2008 20:48)
Misaotra betsaka @ fanazavana nataonareo rehetra, fa dia ho arabaiko manokana tokoa zany io havako io! Dia haharitra hatram'ny farany, ho modely ny manodidin'azy, mariako etoana fa vehivavy izy io, ka dia mbola deraiko avo roa eny zany é!
(l) (l) (l)
13. mirana5 ( 20/05/2008 20:52)
Hialako tsiny ny faute d'orthographe taloha "diakona "zany é :D :D :D
14. fijo ( 20/05/2008 22:13)
de tsara raha ilay fepetra kendrena ho lasa diakonina,fa raha le tena izy aloha ,maro no mivaralila an.
15. cutie ( 20/05/2008 22:28)
raha tafajanona tany dago za met ho voafidy ho diakona :-D
16. fijo ( 20/05/2008 22:33)
izany ve??sao dia mideconne ary ka loza???
17. cutie ( 20/05/2008 22:42)
:-D :-D :-D :-D :-D
fa mety ho tsy nanaiky za ka
18. prime ( 21/05/2008 10:56)
Raha ny tena hevitra fototra ny atao hoe diakona dia avy amin'ny teny grika hoe diakonia, milaza hoe "mpanompo mihosom-bovoka"...

Eo amin'ny fanarahana dia an'i Jesosy Tompo, dia Izy mihitsy no nampianatra hoe :
"Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo;" Matio 20:26
"Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo." Matio 23:11

Ny firosoana lalina amin'ny fanompoana an'i Kristy dia mampirisika izay voaantso hanolo-tena lalina hatrany hanao ny asa masina, saingy arakaraka ny irosoana no maha-mpanompo ny voaantso...

Ka ny mpandray ny fanasan'ny Tompo, ny diakona, ny mpiandry, ny mpitoriteny, ny masera, ny katekista, ny mpitandrina (ireo ohatra ny an'ny protestanta no tena mivaingana) dia mpanompo avokoa ka arakaraka ny irosoana no maha-mpanompo azy... ny mpitandrina amin'ny protestanta no mpanompo indrindra satria izy no miasa ho amin'ny fitandremana ny fiangonan'Andriamanitra... fa tsy izy tsy akory no sefo na lehibe indrindra...

Ny fampianaran'i Kristy dia namaritra tsara izany ary na Izy Mpanjakan'ny mpanjaka, Tompon'ny tompo aza aoka tsy hadino fa nanompo ny rehetra, ny mpianatra, ny Apostoly ary anisan'ny fampianarana lehibe nataony izany tamin'ny fanasàna ny tongotry ny mpianatra...

Io endrika fanetren-tena io no fototra iorenan'ny fanjakàn'Andriamanitra ka arakaraka ny irosoana (heverin'ny olona maha-lehibe, na maha-masina kokoa) no vao maika maha-mpanompo ilay niroso...
19. prime ( 21/05/2008 11:19)

20. prime ( 21/05/2008 11:53)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6142