Sherritt International Ambatovy

1. razanakoto ( 15/05/2008 15:08)
Zaho manokana de miombo-kevitra tanteraka @ le namana Malagasy omaly momba an'io. Aiza ve de eo anatrehan'ireo gasy be de be tsy an'asa ireo de na ouvriers aza hafarana any Phillipines! Avy eo 5 000 be zao! F'angaha de tsy afaka manana teny ambara mihitsy ny fitondrana Malagasy eo anatrehan'io orin'asa io kanefa de harena ankibon'tan'ny Malagasy no trandrahana. De tsy aleo ve ajanona ny fitrandrahana raha tsy hitondra soa sy fivoarana ho an'ny be sy ny maro Malagasy le izy! Sa ahoana hoy isika aty ivelany?
novalian'i Fanjaibe ny 03/12/2008 03:27
2. Jeankely ( 15/05/2008 17:14)
Veloma any @ RAKOTOBE an. Dia ahoana izany Razanakoto a. Aleo hianatra ny mpianatra fa aza alefa hifandrombaka amin'izany sa bedin'i RAKOTOBE :-D :-D :-D
3. patrick2002 ( 15/05/2008 17:29)
tena mi-deprime ty jeankely ty lety ah! ,io anie no hataoko anao lekely hoe fiainana aty an-dafy aty tsy vita mora :lol:
4. ando45 ( 15/05/2008 17:39)
marina tsy azo iadian kevitra ny an ise fa zao no manjo rehefa tsy dia mahay impact economique loatra fa maim-bola loatra
5. razanakoto ( 16/05/2008 00:15)
Jeankely:

Veloma any @ RAKOTOBE an. Dia ahoana izany Razanakoto a. Aleo hianatra ny mpianatra fa aza alefa hifandrombaka amin'izany sa bedin'i RAKOTOBE :-D :-D :-D


Ny ahy aloha io tena anarako e! ary tsy miafina ao ambadiky Rakoto aho na Rabe.
Ny fianarana ho an'ny mpianatra ,ny tsy mianatra intsony tokony hiasa.Tsy misy mifangaro ireo. Safidin'ny mpianatra malalaka koa raha te hiasa any @ sherrit izy, fa eto moa izany tsy azo idirana ity sherritt-nareo ity ko! .Raiso @ ny saina tony ny resako.
6. Jeankely ( 16/05/2008 00:51)
Dia lazaiko anao Razanakoto fa tsy misy miresaka aminao saina tony eto fa olona manala azy no ato. Izay no mahatonga azy manao solon'anarana hatrany amin'ny anarana mamoafady. Avy eo lazainy hoe ka virtoaly ity ry nama. Tandremo ihany fa ataondreo fiomehezana fotsiny raha miseho mandamina tonitony eo. Dia veloma Razanakoto ary mampamangy any amin'i Rainikoto sy Rakotobe any. I Rakotolahy ve tsy hitanao any. :-D :-D :-D
7. zandikely ( 16/05/2008 04:13)
Vao nisy tompon'Andraikipanjakana vao niaky fa nisy hadisoan'izy ireo tamin'io toe-javatra io, zany hoe tompon'Andraikitra ny Fanjakana e!
8. milaibe ( 16/05/2008 05:08)
zandikely>hazavao tsara hoe izy ilay tompon`andraikitra ,inona no voalazany fa tsy mahalala
9. razanakoto ( 16/05/2008 15:21)
zandikely:

Vao nisy tompon'Andraikipanjakana vao niaky fa nisy hadisoan'izy ireo tamin'io toe-javatra io, zany hoe tompon'Andraikitra ny Fanjakana e!


Ny iriana dia ny toe-karena tsara hoan`ny Malagasy. Fa ho hitantsika eo ihany tohiny.Ny nanoratako momba anio sherrit io, dia tsy hoe fitiavana te hanakina an`iny fifanarahana iny, fa isika tsy dia ny androany ihany fa tsy maintsy mijery ireo taranaka ho avy koa.Miankina ny fahaizanìreo nifanaraka tany, ny fifanarahana tsy fantatro asa na mety na tsy mety, fa ny fisehony fifanarahana ety ivelany no nisokajiako azy.
Misaotra tamin`ny valin-teny.

10. Jeankely ( 16/05/2008 23:06)
Izaho tsy miaro ny tompon'andraikitra saingy sahala ny resaka "Zone Franche" ohatra dia vao 6 eme na zara raha nianatra dia mifandrombaka makany nefa vao mitombo ny taona dia tampondala-kaleha ary tsy ilain-dry zalahy intsony. Ny tena hironako izany dia ny hanohizan'ny ankizy fianarana fa tsy hifandrombaka @'ny karazany sahala ireny.
11. ishaam ( 24/06/2008 12:25)
razanakoto> Ny zavatra toa itony no tokony hampirisika indrindra ka hananana hambom-po hampirisika ny RAR Malagasy hampiana-janaka... rehefa tsy ampy fahaizana dia ny toa ireny no vokany...

Maneran-tany ny toa io fa tsy eto Dago ihany tsy akory... "Ouvriers spécialisés et qualifiés" no ilain'ny olona amin'ny orinasany dia izay no karohana satria manana fetra ny fotoana iasàna sy hanombohan'ny asa... rehefa tsy manana ny Malagasy dia efa nahazo fahalalahana izy ireo hikaroka any an-kafa... resaka "millions de dollars" no ampiasain'ny orinasa eo ka tsy handany andro aminao firy izy fa na ianao izy na tsia... tsy ry zareo no te-ho avy ho azy eto fa ny Malagasy mihitsy no nanasa azy hampiasa ny volany eto... rehefa tsy ilaina ny orinasa goavana toa itony dia mifindra toerana izy ary zavatra mpiseho koa izany fa tsy olana amin'izy ireo... aza adino fa atsy "Afrique australe" manontolo dia misy harena an-kibon'ny tany toa antsika ary manana betsaka lavitra mihitsy koa aza raha tsy hiresaka an'i Afrika atsimo fotsiny...

Ity resaka "mondialisation" sy resaka "globalisation du marché" ity indray2 lasa raisintsika Malagasy ho resaben'ny vazaha fa rehefa midona any amin'ny fiainan-tokantrano toa io vao mipapapa... io no olana amin'ny nosy toa antsika... mihevitra fa tsy misy fiantraikany avokoa aty io fivorian-dehibe atsy sy aroa any ivelany io dia rehefa midona dia izay vao gaga hoe kay moa?

Ireny lalàna goavana tapahana any amin'ny komisiona isankarazany any @ "parlement européen", any amin'ny "kongresy amerikana", any @ G8 sy ny karazany ireny dia tsy mahataitra antsika akory rehefa misy "résolutions"... indrisy ry mpiray firenena... mifohaza fa aza matory...
12. Fanjaibe ( 03/12/2008 03:27)
Matahotra manampahaizana malagasy koa anie ny Sherrit leretsy e

Raha sady manana diplome ianao no mahay an'ilay asa tadiaviny dia tsy raisina

nefa mody miala sirika mandeha any frantsa mitady cadre

Mivaralila mihintsy io Compagnie io e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1918