azo atao ve Manangana dada ?

1. nyeja ( 15/05/2008 08:17)
Miarahaba anareo
Efa 10 taona lasa izay nahalasanan i dada malalako, nanana anjara toerana lehibe tamin "ny fiainako izy, azo lazaina mihitsy hoe " l"homme de ma vie " ny mba mahagaga ahy dia tena ara dalana ve ny fijeriko toa manembona azy sy mahatsiaro azy hatrany na dia efa 10 taona taty aoriana aza ?
Marina fa tsy misy mahasolo azy kanefa mety sy azo atao ve ny mitady hanangana ilay namana mahasolo dada ?
miandry hevitrareo .
manorata amiko ao amin"ny kolontsaina@gmail.com
ny namanareo
novalian'i xxx ny 25/06/2008 04:44
2. xxx ( 15/05/2008 08:33)
Ary raha ohatra ka izy no asaina manangana anao ho zanaka ?
3. Angie ( 15/05/2008 09:22)
tena interessant be lay sujet fa lay handefa valiny any @ email alou dia tena lavitra be e sady aleo eto ihany dia mba miara mahita daholo e sa aona?

Amiko manokana aloha dia na tsy atsangana aza lay dada vaovaony fitiavana atolotrao azy sy raisinao aminy no zava dehibe, zay tena hiainanao mihintsy ny resaka taratasy zany tsy misy dikany firy.

sao hitomany eto fa aleoko mangina aloha. Dia mahereza fa fiainana daholo zany

tsiky dia ampy :-) fona
4. Koditra ( 15/05/2008 11:45)
Fa vao hitady ve enao sa efa misy any? Raha efa misy any dia marina ny torohevitry xxx.
5. tsiafoi1 ( 15/05/2008 15:05)
Efa manambady ve enao sa tsia? Raha tsia dia ny fanambadiana no lalan-tokana hanadinoanao ilay dadanao, koa mandrisika anao hiroso lalina @'izay lalana izay. Marina fa lalam-piainana roa samihafa izany, saingy ny fitiavana mila misolo fitiavana, ary ny fitiavam-bady no manakaiky kokoa ny fitiavan'ny Ray.
Mirary anao hahazo vady hifaharana sy hiantana ary
6. Koditra ( 15/05/2008 15:26)
tsiafoi1: marina zany.
7. nyeja ( 16/05/2008 08:36)
Miarahaba sy misaotra anareo namaly ny hevitra aloha e .
xxx: ilay hoe efa manana dada sy hoe atsangana aloha dia tsy dia ara panjakana loatra no tiako resahana fa ilay anjara toeran' izany dada izany .
angie > misaotra fa tsy maninona na eto aza ny resaka valiana e .
koditra > vao mitady aho ...
tsiafoi 1 sy koditra > aleo tsy valiana ilay hoe manambady aho na tsia fa efa mananjanaka aho .

Rehefa amin'ny taona faha - olondehibe ka miresaka na mihantahanta amiin'ny lehilahy lehibe iray ianao ( satria angamba vokatr'ilay naha fille a papa ahy taloha), dia indro fa hafa dia hafa ny fijeriny ...ny sasany aza dia misy mandray izany ho hevitra hafa mihitsy ka tonga tokoa izy amin'ny angady sy ny harona :o
Ny olana koa dia mailo sy manao fijery toa hafahafa ilay vadiny satria sao ny tena mety manodikodina ny malalany, tsy izaho irery no mahatsapa izany fa misy hafa koa, mila malalaka ny saina , eny na dia ny fiaraha monina aza dia manao fijery toa mivilana, mampalahelo !

izay no tsapako ka tena mba nahatonga ahy hametraka ity hevitra ity hoe ilaina ve manangana dada ?
Nyeja





ilay ^^ ;-) ;-) ;-) ;-)
8. xxx ( 25/06/2008 04:44)
Vao 13 taona aho no maty koa ny raiko ary banga be ilay izy...Efa ho 14 taona lasa izay. Ilay manangana dada ...Misy olona ao an tsainao ve...Raha misy manko dia azonao resahina fotsiny mivantana sy tsotra hoe raisinao toy izany izy. Toa ahy 22 taona aho no niala madagscar voalohany dia nisy fianakaviana tia sy nikarakara dia nataoko fianakaviako sy ray aman dreny.
Tsy manambady aho fa niaraka taman olona ary nahatsapa fa ilay fitiavana banga rehetra toa nantenaaiko ho azo taminy daholo ka toa tsy mety koa izany satria fitiavana vehivavy lehibe mety ho vady no azony omena fa tsy fitiavan janaka....
Fa ny alahelo tsy lasa tanteraka fa ny lalan ny fiainana dia hoe on apprend a vivre avec. Aza fady fa tsy voadikako. Azony ny positif rehetra. Ary raha misy olona efa lehibe tena mety ho dadanao dia resaho izy. Ny hoe miangoty sy ohatra izany indray dia ataovy hoe tombontsoa nomenao ny dadanao niteraka anao manokana izany, special ho anareo. Izay vadinao koa ny resaka contact physique dia ataovy hoe miaraka aminy ihany ary ataovy hoe zavatra special anareo roa ihany tsy zaraina @ olonkafa. Malala tsaina aho kanefa raha efa lehibe ianao - manan janaka no miangoty @ olon kafa ...Mba alaivo @ toeran ny hafa ny tenanao hoe inona no ho tsapanao mijery ny vadinao hiangotina vehivavy lehibe. Resaho @ izay ho vadinao koa ny situation anao ary raha tsy olona vonona ny hanome ilay fitiavana ilainao sy ny fifandraisana akaiky dia ajanony satria ny hitako iraisan ny kamboty rehetra indrindra vehivavy dia ilay fifandraisana akaiky (fihinina sy ny sisa). Mihoatra no ho ny normal no tiako lazaina fa io koa toa iraisan ny vehivavy rehetra mila tiavina daholo...Eny e ny lehilahy koa :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3629