Hiverina ao amin'ny valan'ny FIFA indray zany isika

1. ravatorano ( 15/05/2008 04:46)
fanatanjahantena
Fitsarana

Voatsipaka ny didy fandravana ny FMF


Haharaka ireo lalao isan-kerinandro ataony ve ny Barean’i Madagasikara amin’ny volana jiona, raha tafaverina eo anivon’ny FIFA ihany.
Notsipahan’ny Fitsarana Tampony omaly ilay didy fandravana ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra (n° 5962/2008), navoakan’ny Minisiteran’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ary fialamboly tamin’ny 9 marsa lasa teo. Raha nandalo teny Antsahavola (Tranon’ny baolina kitra) izahay omaly dia tsy nisy nanambara ny heviny ireo komity mpanatanteraka tao anatiny, izay niatrika fivoriana. Azo antoka anefa fa ny ho tohin’ity tantara ity no tena nodinihan’izy ireo tao nandritra izany. Tsiahivina fa taorian’ny fandravana ny FMF dia nampiakatra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana ny Federasiona ka antony 2 no niompanan’izany, dia ny fangatahana fanantonana ilay didy fandravana sy ny fangatahana fanafoanana izany tanteraka. Tamin’ny 19 marsa dia namoaka didy ny fitsarana fa tsy ekena ilay fanantonana, omaly kosa anefa dia neken’ny Fitsarana ilay fangatahana fandravana. Eo indrindra ary izao no mipetraka ny fanontaniana ny amin’ny hoe hiverina ho ao anatin’ny FIFA ve izany i Madagasikara, izay marihana fa efa nahanton’izy ireo tsy ho afaka handray anjara amin’ireo fifaninanana rehetra karakarainy. Raha tafaverina ihany koa dia ahoana ny ho fanomanana ity dingan’ny fifanitsanan’ny Can sy Mondial, izay afaka tapa-bolana (1 jiona) dia efa hihazo an’i Gaborone(Botswana). Iza no ho mpilalao hantsoina, izay ny ligin’Analamanga ihany no niatrika fifaninanana? iza ihany koa no ho mpanazatra ary ahoana ny hoenti-manana hiatrehana izany? Tombatombana avokoa izany fa ny FIFA ihany izany no tompon’ny teny farany, izay inoana fa hilaza ny heviny tsy ho ela. Mety ho voatendry amin’izay ihany koa ny Minisitry ny fanatanjahantena satria karazan’ny efa mivaha ny olana.

Rabenaivo
gazetiko
15 mai 2008

2. ravatorano ( 15/05/2008 04:50)
Fédération malgache de football
La dissolution annulée
La Chambre administrative a annulé, hier, l’arrêté du ministère des Sports portant sur la dissolution de la Fédération malgache du football. La FMF reprend ainsi ses activités. Un camouflet pour le gouvernement.


Anselme Rabibisoa (à g.), secrétaire général de la FMF, et Ahmad reprennent leur service.
Bonne nouvelle pour les amoureux du ballon rond malgache. La Chambre administrative de la Cour suprême a statué, hier, sur l'annulation de l'arrêté ministériel en date du 9 mars qui stipulait la dissolution de la FMF. Une décision prise par Patrick Ramiaramanana, ancien ministre des Sports, de la Culture et des Loisirs. Et ce, après l'échauffourée du 2 mars 2008 causée par le report du match qui a opposé l'Ajesaia, équipe championne de Madagascar, et la formation mozambicaine du Costa do sol.
Pour plaider sa cause, la FMF a déposé deux requêtes auprès de la Chambre administrative. La première réclamant la suspension de l'arrêté, a été refusée par cette instance juridictionnelle. L'autre revendiquant son annulation, a été retenue, après enquête approfondie.
Cette décision de la chambre administrative autorise ainsi les membres du comité exécutif de la Fédération à continuer leur travail. Cela signifie que toutes les compétitions nationales pourront dorénavant se dérouler.
En principe, cette décision du tribunal remet Madagascar dans le giron de la Fédération Internationale du football Association (FIFA), mais la levée de la suspension prononcée le 18 mars dépendra du comité d'urgence de la FIFA qui se réunit, ce jour.
Rien n'est perdu
Ahmad, le président de la Fédération, affiche la prudence. Il n'a pas souhaité commenter la décision de la Cour. L'homme fort d'Isoraka a, en revanche, promis que le championnat national ainsi que la Coupe de Madagascar seront bientôt remis sur les rails. Quant aux compétitions internationales, il s'en remet à la FIFA. «La participation de Madagascar aux éliminatoires de la Coupe d'Afrique des nations et la Coupe du monde dépendra de la décision du comité d'urgence de cette fédération internationale. Nous avons, par ailleurs, informé la FIFA de la décision de la Chambre Administrative», précise-t-il
Le premier match des Barea de Madagascar, comptant pour les éliminatoires de la Coupe du monde 2010 est prévu, le 31 mai, à Mahamasina.C'est une rencontre avec l'équipe nationale botswanaise. Rien n'est encore perdu. Selon les règlements de la compétition, le match peut encore se faire si la Fédération botswanaise de football est avertie dix jours avant le jour de la rencontre.
Si la participation de Madagascar aux compétitions internationales reste encore incertaine, les ligues régionales de football peuvent désormais entamer leur championnat. Pour le cas de la ligue d'Analamanga, certains clubs de la région souhaitent savoir si la FMF reconnaîtra le championnat qui vient d'être remporté, ce week-end, par l'AS Adema. Normalement, aucune compétition fédérale n'aurait dû avoir lieu, durant la dissolution de la FMF.
Pour sa part, Norbert Rafalimanana, secrétaire général de la ligue régionale d'Analamanga, pense qu'il n'y a aucune raison de ne pas reconnaître ce championnat. «Nous pensons avoir rendu service au football malgache en offrant cette compétition aux jeunes licenciés pendant cette période morte. Sans ce championnat, la FMF n'aura pas de joueurs disponibles pour intégrer les Barea de Madagascar en cas de repêchage de la Grande île à la campagne africaine», explique-t-il.
Sans appel
L'incident est donc clos sur cette affaire qui a défrayé la chronique depuis trois mois. De la dissolution de la FMF, à la lettre envoyée par Sepp Blatter, président de la FIFA, au président de la République Marc Ravalomanana, le 25 avril, suivie de l'entrevue à Ambohitsorohitra avec les membres de la FMF, le 29 avril.
Ensuite il y a eu le limogeage du ministre des Sports , Patrick Ramiaramanana, qui n'a toujours pas de successeur.
C'est un grand soulagement pour les amateurs de foot, surtout après la déclaration de Marc Ravalomanana de ne pas revenir sur sa décision. L'arrêt de la chambre administrative est sans appel.

Encadré
Avantage, fédérations
Après René Ndalana et Henri François Randrianjatovo, Patrick Ramiaramanana est donc le troisième ministre des Sports, depuis 2000, à laisser des plumes devant la Chambre administrative face à une fédération sportive.
A la suite d'un démêlé avec la Fédération malgache de football en 2003, René Ndalana, ministre de la Jeunesse et des Sports de l'époque, a saisi cette instance juridictionnelle pour annuler l'élection d'Ahmad, successeur de Jacques Benony, à la tête de cette Fédération. Il n'a pas eu gain de cause.
En 2005, Henri Randrianjatovo a, à maintes reprises, saisi cette juridiction à propos de son litige avec Christian Razafimahefa, l'actuel président de la Fédération malgache d'Athlétisme. L'affaire a fini par éjecter le ministre de son siège. Même sort pour Patrick Ramiaramanana qui était pourtant connu comme étant l'un des hommes de confiance du président de la République Marc Ravalomanana.

Andry Ratovo
Date : 15-05-2008
l'express de madagascar
3. rajoelina ( 15/05/2008 06:44)
Madagascar vendrana ra resaka baolina kitra, sady efa tsy tafiditra CAN na Mondial. haleo ihany tsy misy oh: http://es.youtube.com/watch?v=1V1J1rFPDc8 ^:^
4. mihajakeli ( 15/05/2008 09:32)
zany v no tena marna rajoelina an
fa ry barca sy ry real moa aminao avy d nahay baolina kitra ve avy tany ankibon dreniny :x :x :x
5. ainaheri ( 15/05/2008 11:12)
Miezaka manome hvtr rajou f'aza aratsiana ny kely ananana,tsy mba mahafaly an'elà v mahita na maheno zvtr vita gasy amidy any @ misy an'elà any?
Esory wa le toetsaina manao valalan'alika!!!!!
6. ravatorano ( 16/05/2008 10:03)
Fiverenan’ny federasiona baolina kitra
Be ny ministra tsy handray baiko intsony
vendredi 16 mai 2008, par Naivo kely
madagascar tribune


Hijery baolina iraisam-pirenena indray ny gasy manomboka izao. Niverina tamin’ny toerana nilaozany ny federasiona ny baolina kitra, ary tsy hita pesipesenina ny hevitra nivoaka tetsy sy teroa taorian’ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Resy ny fanjakana, ary hitondra henatra ho an’izay niniha nanome baiko hampandrava ity federasiona ity ny tahaka izao. Misy ny mihevitra fa azo atao toy fibaikoana ny mpiray tanindrazana ny fifehezana ny FIFA, saingy itsy farany no tsy nanaiky lembenana, dia iny niarahana nahita iny zava-nisy teto.

Resy ny ministeran’ny fanatanjahantena, ary nitondra henatra ho an’ny fanatanjahantena malagasy iny fampiatoana ny federasiona iny. Tsapan’ny maro, fa raha vao nahato tamin’ny asany ny ministra Ramiaramanana, dia efa maro no nihevitra fa hiverina amin’ny toerany ny federasiona. Hatreto dia be ny ministra tsy handray baiko intsony, sao tratran’ny toy ity niseho teo amin’ny fanatanjahantena ity. Miandry izay angovo vaovao ho entin’ireto saika very seza koa ny rehetra, satria ny volana jiona iny, dia efa hifanitsana amin’ny mpilalao avy atsy Afrika isika. Ny baolina kitra Malagasy mitohy, fa ny endrika tsy fifampitokisana ao anaty fanjakana ve hifarana hatreo ?
7. rajoelina ( 16/05/2008 11:04)
blablabla daolo izany fa haleo aloha hatrehana ny EURO'08 http://es.youtube.com/watch?v=-AefxAfFzjc

FRANCIA, FRANTSA, FRANÇA, FRANCE... ;-) ;-)
8. tovolahy007 ( 20/05/2008 14:37)
Salama daolo!
Dia faly doly ry saika very fihinana fa hiverina daolo ndray ireo sosy be saika very teo. Ho mandina indray ny molotry ry Ahmad sy ny tariny fa asa na mba hisy vokatra tsara na hevitra mahomby ho aroson'izireo?? Manahy aho, fa ny molotr'ireo ao @ Federasionina no ho mandina fa ny vokatra azo @ lalao kitra ho makiana. Dia faly ny sasany fa hoe hiatrika lalao iraisampirenena indray ny Malagasy, tsara be izany tsy ratsy mihintsy fa mba ahita fahombiazana sy ahita fanafody @ faharesendava ve , toy ny mba nahitana fanafody t@ namerenana antsika ho ao @ FIFA ndray??? Sa ny fanafody hita foana refa ny fihinana no voakitikitika fa ra mba ny ahazahoan'ny kitra Malagasy vokatra tsara de tena sarotra be sy tsy azo tanterahina?? Marina fa tsy nahay baolina hatrany ankibon-dreniny ny Barca sy ny Real fa kosa niezaka izy ireo ary izany ezaka izany de nitondra hatrany @ fahombiazana tanteraka, dia mba nisy ny vokatra nivaingana fa tsy hoe faharesendava izao. Mba nisy ve io ezaka io teo @ baolina kitra gasy, mba nisy vokatra nivaingana ve ,ohatra, champion d'Afrique, sa de faly @ jeux des iles fotsiny??. Ny tsara ho marihina dia izao, manana mpilalao mahay isika Malagasy, saingy mampalahelo tanteraka fa ketraka izireo satria ny mpitarika tsy mba misy hevitra mahomby arosony. Dia hoy ahoe e, hibaby trosa be ndray zany zao satry hampiatrano andry Drogba nefa mba ahita fandresena ve?? Mivavaka mafy aminao aho Tompo, mivavaka tsy misy intermediaire, mba ho hilatsahan'ny fanahy masina anie ireo ao @ Federasionina ka mba hisokatra ny sainy. Dia mandeha ny resaka etsy sy eroa, aza faly manaratsy ny an'ny tena e, omeo ny hevitrao fa aza faly manaratsy fotsiny e; dia hoy aho hoe, fa efa hevitra firifiry moa izay mba naroso zay, moa mba nisy narahina ve ??? na dia hita fa mba hevitra tsara izao azany.
Ny amaranako azy dia izao, marary ny baolina kitra Malagasy, ary tena marary mafy, mila fitsaboana izy zao, ka asa na ahavita hiatrika izany lalao goavana izany ra marary ny tenany??
Ambava homana, am-po mieritreritra isika rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4595