"Darling of Investors". Efa napetrakareo ho izany ve ?

1. Jeankely ( 13/05/2008 12:22)
Rehefa manja ny sipa dia hifandrombahana ary afaka mametraka fepetra amin'izay tia hiditra. Izay tsy maharaka mitsoaka fa izay favy no mijanona sy mahazo ny soa.
Ka naninona no tsy naharesena an'io "Mauritius" bitika kely tsy hita anaty saritany io. Madagasikara nefa ngezabe ary nentin'ny manandoha isakarazany hatr'izay. Rehefa mbola kely ny vovok'aina tsy afaka mibahana amin'ny fepetra ary izay politikan'ny fitantanan'ny "investors" ny orin'asany tsy hidirana satria tsy hainao. Raha nahay ianao efa lasa alavitra be i Madagasikara.
Ary misy lalanany maro ny resaka manodidina ny "FDI" ao anaty "WTO" izay hikambanan'i Madagasikara fa tsy ny fonao fotsiny sy ny hitiavanao azy no atao.
Resaka orin'asa ity fa tsy vazaha hitady makorel any Madagasikara akory :-D :-D :-D
novalian'i Jeankely ny 13/05/2008 23:47
2. rahiratra ( 13/05/2008 12:31)
Ka ny aty antoerana aza mety hilamina sy hofaly mahita izany avy Phillipines be dia be izany koa ny andafy ve no hametraka fepetra ho an'ny firenena ? Managana raha mahavita ary mba mitondra ny mpiasanareo vazaha raha marina fa tena manao. Sao mpitaty ra-kena any an-dafy kosa no miresaka. :lol: :lol: :lol:
3. kiadi ( 13/05/2008 12:48)
neda jeanpeti de isaky ny misy manokatra dinika de in fa miazakazaka manokatra dinika ko!! manina tsy ny dinika efa eo no resahina fa ze mamôka dinika de ifaninanao!! tsy ainao anga ny mamaly dinink'ol fa de ny hamôka dinika fona no hamalinao nen'ol?
4. Jeankely ( 13/05/2008 13:02)
Resaka vitako tohizana no sokafako satria ny mpanokatra nandika laha-tsoratra hafa tsy sahalan'ny ahy. Sady tsy manohy ny dinika nosokafany fa any dia any. Ny ahy arahako tsara izay sokafako. nanakory re le-kiadi eee? Tsa tantelanao va ty ?
5. Koditra ( 13/05/2008 13:20)
Za zao d tena hiandry anzany sipa filipianina bobakabe zany klé, mety manja be zao zany a, zé fepetra apetrany eo éfiko aloha klé. :-D :-D :-D
6. Jeankely ( 13/05/2008 14:20)
Mitovy amin'ny sipan'Antsirabe, Ambatolampy, Vakiniadiana sns hoy ry zalahy. Aza adino fa katolika no malaza ao ary tena ireo no fakan'ny Afrikanina bahana. Tsy tsianjery io fa hitako maso sao lazaina sahalan-dry zalahy mpandika lahatsoratra. :-D :-D :-D
7. Koditra ( 13/05/2008 15:21)
jeankely: misaotra t@ soupapa.
8. euh ( 13/05/2008 15:25)
hono hoaho ra zanety kely

tena fomba firesakao mihitsy ve le mivatravatra tombandahy ? toa tsy manendrika ilay mivantambantana manao fiteninjiolahy satria hianao vehivavy mantsy

:{ :{ :{ :{ :{

izay ve no itiavan'ilay vadinao anao ? ilay tsy mihodina iry izany lazaiko zany. Izany hoe ilay toetranao misolantsolana io ve no mahababo azy ka ahafahanao miziriziry fa tsy hiolana mihintsy izy ?

Tsy mbola mnahita olona afaka miziriziry mantsy aho, raha tsy hoe vady voavidimbola angaha, ka raha mbola misy any ampaosinao dia mino ianao fa tsy handeha izy

:lol:
9. Jeankely ( 13/05/2008 23:47)
Resaka toekarena ary mikasika ny "Foreign Direct Investment" no ato. Nampidirina ny fitenindreo "Darling" satria oharina tahaka izay ny tany hiazakazahan'ny mpanangana orin'asa vahiny. Io anao io any ambadika ka tsy valiako lava ary tsy mbola nisy fotoana nanoratako hoe tsy miodina na miodina ny vadiko. Tsy niresaka tokatranoko aho fa mba zahavo izay nanoratako izany ary tantero eto raha misy. Aza manova solon'anarana tampoka ary voalaza fa tsy tokony hamadika resaka. Sa tsy hainao ny momba izay fa terena ho any amin'ny hainao. Olona manandoha be andafy ve dia tsy mahatakatra.
Raha tsy hainao dia halako ny mitsongolika lava ny zava-misy ao Madagasikara nefa ianareo tsy nahavita. Tsy terena mihintsy raha mitady izay mahasoa antany hafa. Rehefa mitsongolika izay mitranga ao Madagasikara dia mba mila fantantra ny zavatra resahina fa tsy kitiana nefa tsy hay. AZA MIERITRERITRA FA REHEFA ANDAFY DIA FILAMATRA SATRIA MISY NY MPANASA VILIA, CHAUFFEUR TAXI, MPITAIZA ZAZA, MAKOREL SNS IZAY TSY AFAKA HANITSY NY OLAN'I MADAGASIKARA. Zava-misy no resahiko na mivatravatra na manafosafo nefa mandidy amin'ny maranitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.622