Dia Mba inona iany ny Tombony ho any MALAGASY E?

1. zandikely ( 12/05/2008 22:48)
Gaga iany ny tena mahita ity lahasoratra ity, noheverina fa hoe hanome asa ny Malagasy ilay compagnie mitrandraka Nickel ao Ambatovy, nefa dia ry zareo avy any Philippine indray no hameno ny compagnie. Fanjakana koa tsy mieritreritra lavitra mihitsy e !

Le projet d’extraction de nickel et de cobalt d’Ambatovy avance à grand pas. Au final, Sherritt International, le groupe minier canadien ramassera des milliards de dollars. Madagascar aura évidemment aussi sa part, à travers les ristournes, taxes et autres avantages en termes d’emplois et autres. Ambatovy profitera à l’économie malgache.
« Philipinnisation »

Mais la Grande Ile ne sera pas la seule bénéficiaire des effets induits de ce projet minier du siècle. Les Philippins en tireront aussi bénéfice. Selon la Lettre de l’Océan Indien en date du 12 avril 2008, 5000 travailleurs philippins sont attendus sur les chantiers à partir de juin prochain. Autrement dit, ce projet canadien en terre malgache, dans sa phase de construction emploiera plus de personnes étrangères que nationales. Pire la population des régions environnantes du projet risque de se « philipinniser » en partie avec ce que sera une invasion de techniciens et cadres philippins et d’autres nationalités avant la fin de l’année. LOI précise en effet que « le pic d’arrivée des expatriés est prévu pour la fin de l’année, lorsque, entre 12.000 et 20.000 travailleurs non malgaches participeront à la phase d’installation du projet minier qui doit durer deux ans ».
Le plus court chemin

Ce recrutement massif d’étrangers a probablement sa raison d’être surtout pour Sherritt International dont le premier objectif est de boucler vite et bien la phase de démarrage du projet et commencer le plus tôt possible la phase d’exploitation pour faire fructifier rapidement les milliards de dollars d’investissement. Et comme, pour des raisons que seuls les initiateurs du projet connaissent, les compétences malgaches ne font pas l’affaire, le plus court chemin est de recourir à ces travailleurs étrangers. Des étrangers dont la présence n’est pas forcément bénéfique à la société, sur tous les plans. La preuve, aussi bien à Moramanga qu’à Toamasina, les prix grimpent d’une manière vertigineuse. Les denrées alimentaires sont hors de portée des bourses de la grande majorité de la population. Les nationaux de passage dans ces régions trouvent difficilement des chambres d’hôtel à prix normal. Bref, même si ce projet a des avantages incontestables pour le pays, certains de ses effets néfastes immédiats sont de plus en plus difficiles à supporter.

Insuffisance de prévision

La question se pose en tout cas de savoir pourquoi le gouvernement malgache et Sherritt International n’avaient pas chercher préalablement à mettre en place des solutions pour éviter ce genre d’inconvénients. On pense par exemple à une formation préalable de techniciens malgaches pour que ceux-ci s’adaptent aux conditions du projet. Ou encore, obliger carrément Sherritt International à trouver des infrastructures d’accueil avant de faire venir de la main-d’œuvre étrangère. En somme, l’on assiste ici à une certaine insuffisance des uns et des autres en matière de prévision dans un domaine aussi délicat que ce projet minier où plusieurs milliards de dollars et la vie sociale de plusieurs localités sont en jeu.

Quoiqu’il en soit, du moins pour le moment, le projet Ambatovy profite plus aux intérêts étrangers que nationaux. Un grand nombre d’entreprises non malgaches y assurent par exemple des services nécessaires comme les transports, la restauration et autres. Bref, comme le souhaitent nombre d’observateurs, il est encore temps de rectifier certains tirs pour que ce projet profite, comme il se doit, un peu plus
novalian'i bazylou ny 25/07/2008 13:18
2. Jeankely ( 12/05/2008 23:22)
Voalohany rehefa mandray laha-tsoratr'olona dia apetraka ny nanoratra sy ny fotoana nivoahany ary ny nahitana azy mba ho fanajana ny mpanoratra sy ny mpamoaka.
Ny fomba fijery dia tsy mety hitovy satria naharian'Andriamanitra ho samihafa @'ny lafiny rehetra. Tsy haiko aloha ny taranja manavanana na hianarana na nianaran'i Zandikely. Fijery ara-toekarena ny ahy no ambarakao ary ampiako ny zava-misy eran'izao tontolo izao fa tsy ny foko fotsiny no miasa.
Raha mandeha any amin'ny misy anao izao ianao dia noho ny fizahavana tombony kokoa nohon'ny ao Madagasikara ary averimberinareo tsara ho renay fa mahazobe sady ara-dalana ianareo any ivelany. Sahala izay koa ireo mpanangana orin'asa avy ivelany mitady tany hiasana. NY TOMBONY NO ZAHAVINY FA TSY ASA-SOA AKORY.
Anjaran'ny Fanjakana no mahita izay tombony ho azy fa tsy afaka manery ny tompon'orin'asa. Fahita eran-tany ny manafatra mpiasa ambany karama ary hita eraky Singapore, Hong Kong, Malaysia, Thailand, sns ny mpiasa "Filipino". Fa naninona no nahita fandrosoana ireo tany ireo sa hiverina sosialista ?
3. Jeankely ( 13/05/2008 03:28)
Rehefa manokatra loha-hevitra mba tohizo ary hamafiso ny tianao lazaina sa fitaterana laha-tsoratra fotsiny dia tsy hita. Efa fampitomboanao ny fahaizanao ny fifehezanao ny zavatra tianao hambara. Izay no atao hoe forum fa tsy apetraka dia milefa.
4. ainaheri ( 13/05/2008 05:00)
Jeankely> fa maninn ary izy no naka firenena hafa raha ijery tombony ouzy ianao? Ngah isika malagasy be karama ny mpiasa tsotra any antoerana? Tsy vao maika voa be v ny orinasa ra maka oul avy any ivelany raha oh ka ambony nohon'ny sandambolantsika ny olona alainy miasa ao aminy? Ary miampy zany kou ny conditions d vie an'reo mpiasa reo satria tsy maintsy manangana trano izy ipetrahan'reo!!

Misy lesoka eo @ fanjakana zay manao valalan'alika .....,betsaka ny firenena any ivelany izay tsy manaiky mitsy raha tsy ny vahoaka ao aminy ihany no miasa @ ilay orinasa,fa nanino ilay fanjakana gasy kely nanaiky???
5. yonikafopl ( 13/05/2008 08:17)
Dain , zany ve de ekan'ny fanjakana kleeee?
Raha ny tena izy tokony ho ny cadres ambony am resaka injenerinina no entiny avy any fa ny mpiasa tsotra ny malagasy no ampiasainy ao.
Sady zay ve filipina no atao any, reny kou no tena mpanambany ny gasy miasa eto Liban reny nefa samy mpiasa ihany.
Za mba nieritreritra we antsoina bedabe ny investisseur mba hahazoan'ny malagasy madinika tombony sy asa hivelomana. Saingy indrisy zany :( :(
6. zandikely ( 13/05/2008 11:03)
Lahasoratra nivoaka tao amin'ny Midi-Madagasikara (13/05/08) izy io fa adinoko nametra ilay source.
Marina fa tsy ferana ny orinasa fa zavatra sahala amin'izany tokony tafiditra amin'ny fifanarahana, maro ange izany 5000 olona izany fa tsy hoe resaka anjatony fotsiny .
7. Ralay ( 13/05/2008 11:11)
Raha mamaky tsara aho dia mbola phase d'installation io fa tsy mbola exploitation ka mpiasa efa zadraharaha @izany no alainy fa mbola ho avy ny fampidirana mpiasa gasy rehefa hitrandraka. Na izany koa aza dia misy tombotsoa ho an'ny rehetra izany satria mety ho mbola mora kokoa ho andry zareo ny karaman'ireo mpiasa ireo nohon'ny manakarama mpiasa gasy sy ny hanofana azy.
Zava-misy hita @ firenena maro koa oh:Entreprises de batiements choinois manamboatra trano any Algerie dia mpiasa sinoa daholo ny ankamaroany.
Ny tombotsoa ho an'ny gasy @ io ohatra dia tsy maintsy hisakafo ireo olona ireo ka handany vola @izany retombée economique, ny fanjakana koa moa mazava ho azy hahazo tombotsoa arak'io voalaza eo ambony io.
Conclusion tsy ny asa mivantana ihany no azahoan'ny gasy tombotsoa fa mety ho zavatra maro nefa tsy maintsy misy koa ny lafiratsiny araky ny voalaza hoe misondrotra n vidimpiainana any antoerana.
8. Jeankely ( 13/05/2008 11:58)
Bravo Ralay. Tafiditra tsara ny baolina. Aza ampitovizina amin'ny firenena hafa izay manana tombony tsy hananan'i Madagasikara mivantana be aloha ary aza adino fa na ny ambony indrindra ao @'ny EDBM aza dia tsy Malagasy satria efa nanao ny Malagasy tamin'ny GUIDE sns fa tsy sahala izao no vokany. Tsy ianao no mametraka ny condition fa any aoriana rehefa miakatra kokoa ny mahaizy ny firenena (attractiveness) afaka mitsipona izay mahamety anao ianao. Misy dingana io fa tsy hametraka fepetra tsy aleon'ny olona mandeha Tanzania, Mozambique, Mauritius sns ve. Tsy mbola "competitive" i Madagascar noho izany tsy afaka mametraka sy misafidy aloha. Anjaran'ny firenena no mitady raha mahatafavoaka ny fijerena ny resaka "technology transfer" @ fomba isankarazany. Averiko Bravo Ralay
9. kiadi ( 14/05/2008 19:38)
ralay>na izany aza!! raha resaka ingenieur sy encadrement de mety oe mila olona avy any ivelany fa raha resaka main d'oeuvre de mahavita ny malagasy!! mila encadreur manoro ny asa de mandeh ho azy io avy eo!!
sarotra be ho ahy ny mieritreritra oe mapiditra main d'oeuvre 5arivo ry zareo hanao ny phase d'installation!!
sady tadidio fa tsika gasy de mahay sy mazoto miasa !mora mi-s'adapte @ asa isankarazany!!
matoa zah miditra @ ty resaka ty de haiko tsara io resaka io satria io no efa asa nataoko! manao installatsion carriere isakarazany(chaudronnerie sy soudage)!refa mahay ny ol mi_encadré anao de mandeh ho azy ny asa!
resaka politika io amiko fa tsy oe ry zalah phillipins no oe mahay miasa!!na io resaka mpiasa sinoa io ko de resaka politika io!! mpiasa sinoa ihany no mandeh manao le asa satria efa zay no nifanarahana ary satria mampiasa sinoa mbola mora kokoa no mampiasa algeriens fa tsy oe ny alegeriens no tsy mahay miasa,porofo mazava de tavaratra no 80% ny mpanao trano aty ampita! :wink:
10. Jeankely ( 15/05/2008 11:16)
Dia maninona ianao no mitokona andafy raha mahay sy mahavita fa tongava ary manangana dia ampidiro ny Malagasy maro hiasa. Raha mahay ny installation carriere ianao dia midika ve fa ho baikonao ny orin'asa ho avy ? Aleo ho avy ny FILIPINOS 5 arivo fa hitan'ny Malagasy foana ny zavatra azo raisina aminy. Na samy ingenieur sy encadreur aza tsy afaka manery ny orin'asa ianao. Politika tokoa satria negotiation no atao ary mampiomehy fa ny hisisihan'ny mpanao politika matetika dia ny mba hametrahany ny akamany fa tsy ny orin'asan'olona akory. Izay tonga rehetra dia tiana hametrahana ny equipe daholo ary izay no nahazatra ny politika taloha.
11. kiadi ( 15/05/2008 11:33)
enao de tsisy ho lazaina afa tsy manakihana!
12. Jeankely ( 15/05/2008 13:58)
Angaha ianao voakiana foana ? :-D :-D :-D . Dia mba ampiasaho ny maha-pitrandraka anao ary e :-D :-D :-D
13. patrick2002 ( 15/05/2008 14:16)
kiadi:

enao de tsisy ho lazaina afa tsy manakihana!

Tsy mahafantatra taliban gasy angaha ialahy.


:-D :-D :-D
14. Jeankely ( 15/05/2008 17:16)
De inona no tombontsoan'i xxxx1 amin'ilay bavinao voan'ny kanota ra-pa a?
15. tovolahy007 ( 21/05/2008 14:58)
Salama daolo!
Ity resaka fampidirana mpiasa avy any ivelany ity dia efa misy eran-tany fa tsy hoe eto Mada ihany no misy an'io. Ny antony dia izao, Marina fa ny harena trandrahina dia an'ny Malagasy, saingy kosa ny vola miasa rehetra dia an'ny ilay orin'asa vahiny. Aoka ho fantantsika fa ny hitady tombony no voalohany ao antsain'ny orin'asa fa tsy hoe akory fatiantoka, ka ra ohatra hoe ,ohatra hoa ny ahy ity a, 8.000 Ariary isan'andro no karama takian'ny mpiasa Malagasy, nefa ny orin'asa mahita olona hafa mety hokaramaina 4.000 Ariary; dia ihevitra ve isika fa hoe handray ireo mpiasa Malagasy izay tsy manaiky ny hiasa ra tsy 8.000 Ariary ny orin'asa?? Izao zava-misy izao dia ao anatin'ny ilay antsoina hoe "Fanatontolohina " tanteraka ,na hoe Globalization hoy ny vahiny. Mitady izay ahakely ny fandaniany ny orin'asa ka ataony daolo izay hevitra hitany fa ahakely izany fandaniany izany satria refa mora ny vidin'ny fanamboarana na fitrandrahana zavatra iray dia afaka mivarotra mora kokoa ny vokany ny orin'asa ,na koa mivarotra izany @ vidiny ambony arakaraka. Ka aoka isika tsy ho gaga fa na ny fanjakana Malagasy aza dia tsy afaka ny hanao ininona mihintsy manoloana izao zava-misy izao satria aoka ho fantatsika fa misy ny lalana iraisampirenena mifehy ny zavatra toy izao. Marina fa manorisory ny mieritreritra izany rehetra izany saingy izay ny zava-misy. Aoka koa ho fantantsika fa tsy maintsy misy ny mahazo tombony ary tsy maintsy misy ny matiantoka refa @ resaka Fanatontoloina izany fa tsy hoe tsy maintsy ho tombony foana akory. Mety tsy hisy tombony ohatra satria tsy tafiditra niasa tao ny Malagasy nefa kosa dia misy tombony be dia be ho an'ny Fanjakana Malagasy, ny tontolo iainana ohatra dia ho potika saingy ny tombony lehibe dia ho an'ny fanjakana malagasy ko.
Ny hamaranako azy dia izao, antenaina fa ahay hampiasa izay tombombarotra azony zay ny fanjakana Malagasy, ohatra afaka hanamboatra ny lalana na hanangana hopitaly na zavatra tsara ho an'ny vahoaka. Dia @ alalan'izay no ahazahoan'ny Malagasy tombony.

16. Jeankely ( 21/05/2008 20:42)
Dia misaotra anao fa mazava tsara ry tovolahy007. Raha manaraka ny fomba famaliko hatrany ambadika any ianao dia mba nanazava sahala ireo lazainao ireo aho saingy avy dia mahazo mafy noho izany mba nivadika koa aho ary lasa mandona isaky ny manoratra. Efa nanontaniako andry zalahy hoe FA MANINONA NO MIDONGY MIPETRAKA ANDAFY IANAREO NEFA NY VAHINY TIANAREO HOENTINA AMIN'NY SANGANY HIASA AO MADAGASIKARA ?
17. bazylou ( 25/07/2008 13:18)
io ilay efa nolazaiko tatsy amin'ny politika, rehefa tsy hanao diany vazaha no hanao azy. :lol: :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1268