mety v

1. rakotoline ( 11/05/2008 12:38)
(l) misy vé ary mety raha lehilahy iray manambady efatra ,ny vadiny voalohany nisarahany tsy vita divorce nefa efatra ny isan'ny vadiny ary sivy amin'ny folo na dimy ambifolo ny isan'ireo zanany amin'ny vadiny efatra ahoana izany hoy nareo,efa tsy fomban'ny gasy tsony io,misaotra :arrow:
novalian'i rebeccaF ny 13/05/2008 16:12
2. Aino ( 11/05/2008 14:01)
raha izhao aleoko tsy manambady raha izany. :-w :-w :-w
3. xxx ( 11/05/2008 22:34)
Toa mbola fomban'ny gasy io ka. Efa somary elaela izay, tany amin'ny faritr'i Diego nisy olona nanana zanaka miisa zato latsaka kely fotsiny. Any amin'ny faritra atsimo atsinanana koa misy olona mampirafy ara-dalàna, fa efa manomboka mihena satria - tsy resaka hoe immoral araka ny mety ho fihevitry ny sasany - fa noho ny hasarotan'ny fiainana fotsiny. Amin'ireo gasy silamo koa no toa misy mampirafy fa tsy haiko.

Mety ve?
- raha ny ara-moraly : ENY hoy aho. Tsy azo terena ho izay mety aminao no mety amin'ilay olona. Mila fahalalahan-tsaina ve moa vao manaiky an'izany? Mety aminy, mety amin'ireo vadiny, dia ianao indray ve no hikiredy?
- raha ny ara-dalàna : TSIA. Raha tsy diso aho anankiray ihany no mahazo atao vady ara-dalàna.
4. lehilahytsyresy ( 12/05/2008 05:52)
ounntss... Aiza koa ho haha-possible an'izany ry Rakotoline ?
Raha tsy hoe angaha any Arabie Saoudite.

rakotoline:

(l) misy vé ary mety raha lehilahy iray manambady efatra ,ny vadiny voalohany nisarahany tsy vita divorce nefa efatra ny isan'ny vadiny ary sivy amin'ny folo na dimy ambifolo ny isan'ireo zanany amin'ny vadiny efatra ahoana izany hoy nareo, efa tsy fomban'ny gasy tsony io,misaotra :arrow:



:twisted:
5. ainaheri ( 12/05/2008 06:10)
:-D :-D :-D :-D Mety any tkou ooo ? Fa za alou tsy mbola naeno we namokatra bdb otr'zany lery tany dago ee(raha gasy iany an!!!!)
6. endrika01 ( 12/05/2008 07:15)
Zah aloha efa nahita e,tany Dago ,lay mpanao Dabok\'andro ireny.Lay maka omby any alavitra be any.Dia misy vadiny aby isaky ny vohitra andalovany ,dia hiterahany,mety mahalala izay lay vadybe ,satria nampahafantarin-drangahy azy,dia toy izany koa ireo vohitra andalovany.Misy ny hilazany fa efa manambady aman-janaka izy,ny sasany koa be vola dia misisika ny hafa.Dia lasa manana vady maro izy dia hiterahany daholo.Tamin\'ny nahafatesan\'ilay rangahy dia tonga tao aby ireto vady maromaro sy ny zanaka,tao @le vadibe,dia samy nitomany sy nifankahery teo na ny vady na ny zanaka!Lasa mifanohana aza ry zareo fa toa tsy hita misoritra teo @fiainan\'izy ireo hoe mpifandrafy!Donc,misy mahazaka dia tsisy ny olana ,fitadiavana no nataon-drangahy lavitra,raha misy manjo azy any akodahoda any dia efa io eo lay vady faha2 3 4 ...mahazo toky lay vady be fa misy mikarakara ny vadiny,ny vola misy ny aina matanjaka .Fa raha izaho manokana aloha dia tsy mba dakaoro @fananana vady maro zany,tena tsy mety 1 dia ampy:D:D:D
7. koloina ( 12/05/2008 07:17)
Ie, ka zay : fomba silamo le izy, zany hoe ny lehilahy afaka manambady (h@ 4 farafahabetsany) de samy iraisany trano sy iterahany, fa tsy misy hoe divorce zany fa samy afaka vadiany daholo , zany hoe @zay fotoana izay indray arakaraky ny fidirambolan'ilay rangahy de anjarany le vehivavy no manaiky sytsy manaiky. Fa raha araka ny fomba silamo zany de afaka manambady h@ 4 ny lehilay, tsy mampirafy ny dikany fa samy iarahany miaina sy velominy mitovy avokoa .
Raha amiko manokna aloha sy antsika gasy kristiana zany de 1 ihany no vady araky ny voasoratar ao anaty baiboly fa ankoatrizay de "fahotana" fa zany hoe samy manana ny fombany zany de tsy hifampikritikena!!!!!!
8. rebeccaF ( 12/05/2008 08:13)
Hoy xxx:
ilay zavatra natao.
Dia hoy aiano:
>.
Ka raha izay no izy dia tsy tokony hiteny an'ity intsony ianao:
9. rakotoline ( 13/05/2008 05:24)
tena misy io aty dago ary ny masoko no nahita matoa aho gaga ilay lehilahy amin'izay tsy bé vola mihitsy fa dia vehivavy ireo samy vadiny,mahantaty aloha ny kala fa raha izaho zareo dia mba manambady hafa iany koa aho dia vita e,milamina ny tanana amin'izay
lehilahytsyresy:

ounntss... Aiza koa ho haha-possible an'izany ry Rakotoline ?
Raha tsy hoe angaha any Arabie Saoudite.

rakotoline:

(l) misy vé ary mety raha lehilahy iray manambady efatra ,ny vadiny voalohany nisarahany tsy vita divorce nefa efatra ny isan'ny vadiny ary sivy amin'ny folo na dimy ambifolo ny isan'ireo zanany amin'ny vadiny efatra ahoana izany hoy nareo, efa tsy fomban'ny gasy tsony io,misaotra :arrow:



:twisted:



:?: :!:
10. xxx ( 13/05/2008 10:29)
rebeccaF,
rebeccaF:

Raha resaka moral no resahana dia misy zavatra telo tsy maintsy tafiditra ao mba ilazana fa mety na tsia ny zvatra iray:

1 - Ilay olona manao ilay experience aloha: voajery ao ny konsiansany, ny fahalalany, ny fahafahany, ny andraikiny...

2 - Ny tontolo misy azy: fiaraha-monina, fihaviana, sns....

3 - Ireo lalana efa misy, na efa voafaritra mialoha (lalana mifehy avy amin'ny fanjakana, izay voalaza ao anaty Baiboly ho an'ny kristiana, sns... )


Raha ny nolazainao dia hoe :

1) Expérience = Conscience + Connaissance + Liberté + Responsabilité
2) Environnement = Société + Origine
3) Lalàna = lalàm-panjakana + lalàm-pivavahana
:arrow: Moral = Expérience + Environnement + Lalàna

Tsoriko fa tena tsy misy n'inon'inona azoko ireo zavatra rehetra ireo. Ilay 3) ihany angamba no mba misy lojikany kely, fa ny sisan'izay dia tsy hitako mihitsy izay dikany. Mihaiky mihitsy aho :roll:

Noho izany dia tazoniko ihany ny hevitro.
11. rebeccaF ( 13/05/2008 16:12)

xxx: Ka raha tsy misy azonao ireo dia tsy tokony hiresaka moral ianao. Satria ireo zavatra telo nolazaiko ireo no hahafahana mandrafitra ny moral, hijerena na mety na tsia ny "acte" iray, rariny na tsy rariny, marina na diso, tsara na ratsy,...

Raha miteny ianao fa mety ny "acte" iray satria mety amin'ireo manantateraka azy, dia tsy ampy velively izany. Satria ny olona dia tsy manirery fa miara-miaina amin'ny hafa.

Raha ny filazana koa hoe efa be ny manao izany, no entinao hanamarihana fa mety io; dia mbola tsy ampy koa izany, satria:

ohatra: ny manam-bady zaza dia be dia be any Madagascar, dia izay ve no ilazana fa mety ny vehivavy raha manam-bady eo amin'ny faha 13 na faha 14 taonany?
Ataoko fa tsia ny valiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0801