ndao hody e!!

1. natiora ( 09/05/2008 08:02)
fa maninona ny gasy zay tonga aty lafrantsa no tsy maniry hiverina any dago intsony misy antony manonkana ve ao, ary ny any maniry ny hankaty fa ahoana mihintsy e!
novalian'i RAKVOL ny 30/10/2009 05:48
2. rajoelina ( 09/05/2008 08:39)
ie :) misy antony manokana ao. Mety we tsaratsara koa amin'ny fiainany tsirairay ny mipetraka any Frantsa.
Ra misy moa mijanona fa ti hody de azo hataony izany fa tsisy olana, de ra misaina tsara i natiora de ny fiainana no jerena tsara raha mbola velona eto an-tany.
Aty Frantsa mety tsaratsara kokoa ny fiainana noho any Mscar amin'ny sasany, ary ny @ sasany kosa mety tsaratsara any Mscar. Samy manana ny safidiny e ;)

Ohatra: i natiora nipetraka tany Fianarantsoa, hande hitsidika anizany renivohitry i Mscar ''Tananarive'', avy eo tsy ti hiverina any Fianarantsoa intsony i natiora fa tsaratsara kokoa ny fiainana tao à Tana. De zay le izy e, torakizany ihany.

Tsy we akory le mahagasy na mahavazaha, na mahasinoa, na gasy taratasy sns... no zavadehibe. De we: rehefa Malagasy le ol de tsy maintsy hipetraka ao Mscar. Non, samy manana ny safidiny ny tsirairay amin'ny fiainany. Mino aho fa izany daolo ianareo aty ivelany ;)

HS kely: Gasikara firenena milay, fa le toetsaina malagasy ( mahazo hatao ao anatiny izaho) tokony hiova, hivelatra, hisondritra fa tsy we: zay nataony taolo de mbola hotohizana anio. Ohatra fotsiny izao: ny vhv mba fanajana de mitafy lamba, ary ny lhl de manao malabary, non!! Samy manana ny safidiny ny tsirairay ary zay fitondratena hataony sasany de tokony hajaina.

;-)

3. lazounet ( 09/05/2008 09:11)
Rajoelina a!
Tsara letsy Fianarantsoa fa http://fianar.skyblog.com a! tsss! Zahay indray tsy maintsy hiverina any ka . :* :*
4. lazounet ( 09/05/2008 09:15)
(Tokony ho eto ve ity resaka ity?)
5. Jeankely ( 09/05/2008 10:09)
I Frantsa no hany andafin'ny Malagasy taloha satria ireo no nanjanaka azy. Ary miaiky tokoa ireo lasa ao fa mihatsara ny fiainany tonga ao amin'ireo avy nanjanaka azy. Tsy ny frantsay no mitady ny Malagasy ho ao fa ny Magasy no maniry ho ao ary mitady hevitra rehetra mba hitoerana ao amin'ity tany soa sy tsara.
Efa 2008 izao ary na nahavitabe aza i Frantsa tsy ao irery no misy Malagasy fa eran'izao tontolo izao. Afaka hizahavana daholo ny tany rehetra ary tsy voalohanymihintsy frantsa eran'izao tontolo izao eo sehatra maro. Ka izay mahita ao dia finaritra ny ho ao fa ireo mahita hevitra ho an'ny USA, Germany, UK, sns mbola mety ho tsara noho ny ao koa angamba.
Ny resaka toe-tsaina voalazan-drajoelina dia izy sy ny namany no manovo toetsaina frantsay fa saingy tsy dia nitondra inona ho an'i Madagasikara io Tany io na milaza avo toe-tsaina ireo any, na milaza manam-bola sy miadana. Ary mampiomehy fa na ny lasa mpanasa vilia sy makorel any frantsa aza milaza avo toetsaina sy tia hananatra ny Malagasy.
6. rajoelina ( 09/05/2008 10:21)
Jeankely:

Tantara daolo izany, mety tsisy marina izay lazainy mpampianatra anareo t@ T5, 6ème sns... Na misy boky mitantara aza tokony vakiana de zay, tsara ny mamaky boky.

Satry mino aho fa tsisy olona malagasy voazanaka frantsay izany akory angamba, fa i Madagascar no zanantany Frantsay taloha... Zany we: France koa i Madagascar taloha ela be. Dia avy eo nangataka ho irery i Madagascar fa tsy ti hiray @ Frantsa intsony, dia amzao Frantsa dia i Frantsa ary Madagascar dia i Madagascar.

Jeankely: dia inn koa no hidirany toetsaina voazanaka amzany?? enao angamba no mamorona :lol:
7. kiadi ( 09/05/2008 11:39)
andana enao rah hody eh
8. milaibe ( 09/05/2008 11:57)
hividianana billet aller simple ve natiora
9. natiora ( 09/05/2008 12:15)
milaibe:

hividianana billet aller simple ve natiora


ataovy aller retour ka
10. natiora ( 09/05/2008 12:18)
lazounet:

Rajoelina a!
Tsara letsy Fianarantsoa fa http://fianar.skyblog.com a! tsss! Zahay indray tsy maintsy hiverina any ka . :* :*


fa angaha hitanareo misy elenelany be ny fiainana aty sy ny any
11. natiora ( 09/05/2008 12:19)
kiadi:

andana enao rah hody eh



fa inona no tena mahatamana anreo aty e!
12. kiadi ( 09/05/2008 12:54)
andana wa mody refa tsy tamana fa zah bola tsy te hody!! :-D :-D
13. Zina ( 09/05/2008 14:13)
misy marina betsaka ilay lazainy rajoelina ka.
14. Jeankely ( 09/05/2008 15:04)
Fa iza no resahin'i rajoelina ny lesony t@' ny T5 sy 6 eme izany ? Dia tano ho anao irery ity fa averiko aminao ny soratrao:
"Satry mino aho fa tsisy olona malagasy voazanaka frantsay izany akory angamba, fa i Madagascar no zanantany Frantsay taloha... Zany we: France koa i Madagascar taloha ela be. Dia avy eo nangataka ho irery i Madagascar fa tsy ti hiray @ Frantsa intsony, dia amzao Frantsa dia i Frantsa ary Madagascar dia i Madagascar."
Dia tena fatratra tokoa ny fahalalanareo raha T5 sy 6eme no nivohizanareo izany. Tena ao Frantsa marina no misy ny Malagasy manantsaina.
15. rajoelina ( 09/05/2008 15:11)
Jeankely:
Tena ao Frantsa marina no misy ny Malagasy manantsaina.
Tsy ao Frantsa irery ihany no misy Malagasy manantsaina fa any Madagascar ihany koa mba misy malagasy manantsaina, na any Chine, na any USA, na aiza na aiza mety hahitana Malagasy manantsaina.

;-)
16. marimar ( 09/05/2008 21:20)
Marina ilay hoe safidy io é,raha any amin'ny tany hafa ve no mety hahatafita ny malagasy sasany inona no tokony hampalahelo amin'izany? ary ny hoe mpanasa lovia lazain'i Jeankely,inona moa no olana amin'izany raha izany no hahafahany mamelona ny ankohonany ,au lieu de mangataka eny an-dalambe? aoka mba ho respecter-na ny fiainan'ny olona fa tsy ambaniana izy raha mpanasa lovia é.Amiko dia anisan'ny toe-tsaina tsy dia ankasitrahako loatra io(tsoriko aminao fa tsy ny gasy irery no manao mpanasa vilia aty iveny ,fa na ireo avy amin'ny tany hafa aza ,ary betsaka no nahavita fianarana sy mba manan-tsaina)
17. kiadi ( 09/05/2008 21:32)
ra jeankely ange tsy mipetra france fa ba aty ivelany de ba maheno resaka oe zao sy zao ny gasy lafransa de in fa be wawawa eh!!tsy azoko oe mialaona fa tsy mipetraka france ve sa in fa de gasy lafrantsa zao fona no atao resaka!
18. Jeankely ( 10/05/2008 00:41)
Sao tsy mamaky tsara i kiady fa Frantsa no resahina ery ambony fa tsy ny toerana hafa ary nohon'ny filazana fa fatratra na koa ny fanitsiana sy fampiresahana ataon'ny Malagasy sahala anareo ao Frantsa izay averiko ihany fa tsy nitondra an'i Madagasikara nisongadina no resahiko. Tsy fanaratsiana ny mpanasa vilia na makorel fa asa io hoy nareo saingy ilay manebaka lava an'i Madagasikara no tsy tantinay ka mba alefanay koa ny bala. Izay voa voa na hivovobe aza :-D :-D :-D
19. rajoelina ( 10/05/2008 06:21)
Jeankely: ra Malagasy ao Frantsa ihany no tinao tenenina zany, de zao: averiko indray: Tsy misy Malagasy voazanaka zany ny toetsainy fa enao angamba no mamorona !!!!

Dia izao koa: ra misy gasy tsy de revirevinao amin'ny pasinao mipetraka ao Frantsa, de mety ray na roa na telo... no tokony kianinao ihany.
Fa tsy ny Malagasy rehetra mipetraka ao Frantsa akory :wink:

Jeankely:
Tsy fanaratsiana ny mpanasa vilia na makorel fa asa io hoy nareo saingy ilay manebaka lava an'i Madagasikara no tsy tantinay ka mba alefanay koa ny bala. Izay voa voa na hivovobe a


Zah mino fa tokony tsy halefan'toi mahintsiny ny bala!!!! na tsy tantin'toi aza na misy manebaka lava an'i Madagaskar patrie an'Jeankely.

;-)
20. Jeankely ( 10/05/2008 09:20)
Fa ahoana no andeha ila izy ity ? Mandefa ny favy mipaka amin'ny zanak'atidoha ary mba milaza ny fahitanay azy koa izahay vendrana ka asa na midona amin'ny mokondoha koa. Tsisy miresaka ny rehetra fa izay mifanandrify ny bala dia mikaikona na iza na iza. :-D :-D :-D.
Tsisy fanjanahana ahoana ry kandrina fa tsy nisy ve ny Mpanjaka natao sesitany sns fa resaka fotsiny ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3634