Fitoriana goavana tsy ilaina micro

1. majesty ( 08/05/2008 13:59)
Nampianatra Jesoa;olona tsy omby dimy arivo lahy no nanodidina azy,ny vehivavy sy ny ankizy tsy tao anatin'io isa io;vahoaka betsaka izany,kanefa dia tsy nampiasa micro izy tamin'ny fampianarany,kanefa dia liana tamin'ny fampianarany ny olona vory teo.
Ny antoko mpihira fahiny tamin'ny andron'i Asafa (anisan'ireo nanoratra ny salamo) dia teny ankianjan'ny fitoerana masina no nihira,ankalamanjana izany nefa tsy nila micro.
Ankehitriny,misy antokom-phira manao hira fiderana raha vao tsy mampiasa micro dia tsy misy raha heno na dia kely aza.
Na ao ampiangonana aza,raha vao sendra tapaka ny jiro dia tsy heno intsony izay lazain'ny mpitarika ery aloha,dia ny mimonomonona sisa no hany herin'ny mpivory.

Hafa ihany ho aho ny taloha e :D
novalian'i fijo ny 22/05/2008 21:18
2. ikaretsaka ( 08/05/2008 14:28)
tsy ireo ihany fa ao kao ireo philosophy isankarazany ohatran-dry socrates sy ry plato..
ny mpanao drama sy teatre toa an-dry vorhil sy ry horace

dia izao koa misy koa ny mpanao hira gasy kah!
any ambanivohitra nga reny mila micro..


ny tiako ahatongavana dia heo tsy hisy idiran'ny micro sy ny asa fitoriana... dfa resaka acoustiques sns no nanjaka t@ izany
3. pissoa ( 08/05/2008 17:24)
Mazava ho azy, tsy hitovy ny taloha sy ny ankehitriny ! Raha mijanona eo amin'izay ilay hoe "Hafa" dia toa evident be, ary tsy misy olana.

Fa raha raisina amin'ilay hoe "Hafa ihany hoa ..." midika hoe "Tsara kokoa" dia heveriko fa tsy tena hoe "Hafa ihany" ny taloha ! Eny anivon'ny fiaraha-monina no nanirahan'i Jesosy antsika dia eny isika no tokony mandeha.

Fa na izany aza ... efa mba tapaka ihany kosa ny jiro tany ampiangonanay fa tsy hoe mimonomonona izany sisa no herin'ny mpivory fa mbola mitohy tsara ny fivavahana e :-D :-D :-D :-D :-D
4. ari.malala ( 09/05/2008 08:12)
ny any ampiangonandry majesty ngamba no mimonomonona ny oul refa tapaka ny jiro ko! mba tapaka iany ny jiro tam reny andron'ny delestazy b reny tao ampiangonana fa ts nimonomonona ny mpivavaka tao am Fiangoanna nandehanako :D sady izahay nivavaka no tao fa tsy nivory ftsn :D:-P
5. majesty ( 09/05/2008 08:28)
Ka rehefa tapaka ny jiro dia tsy maheno ny mpivory dia ilay mifanontany hoe inona hono zany lazainy sns dia rehefa mitambatra le feo d lasa mimonomonona kou inn ndray ary.
Fa ny manitikitika ahy hoe efa miha simba ary ve zany ny feon-tsika sa ny sofina no miha marenina dia tsy mahay miteny mafy sy tsy dia maheno raha tsy misy micro,
ika:ny mpihira gasy manko mba cercle kely no misy azy dia mba heno ihany le kabary
6. majesty ( 09/05/2008 08:30)
za nisy fotoana nasain'ny olona mba hisaotra ny olona teny am-pasana t@ fandevenana iray izay fa tsy nisy mahay miteny hono dia niroboka tokoa fa maina mintsy ny tenda vao vita izay natao nefa mbola misy olona nitaraina ihany hoe tsy heno mintsy ,looza :D
7. ari.malala ( 09/05/2008 11:15)
tsy misy marenina mihotra noho izay minia tsy mandre hono, ary ny finiavana hiaino no hitako tsy ampy amizany fa raha tena t handre izay lazaina izay eo miezaka!
8. fijo ( 09/05/2008 21:00)
sao dia le tantara koa no nitarina ramajesty,ka lazaina fa olona vorihanina no nihaino azy,nefa olona zato no teo????
9. niryna ( 09/05/2008 22:15)
fijo:

sao dia le tantara koa no nitarina ramajesty,ka lazaina fa olona vorihanina no nihaino azy,nefa olona zato no teo????



:roll: :cry: :cry:
misy olona manana maso fa tsy mahita .manana sofina fa tsy mandre ary na hitan'ny masony sy ren'ny sofiny aza dia tsy hihaino izy na minia tsy mahita ka ataony ahoana moa no hino ny zavatra tsy hitany sy tsy fantany sy tsy hinoany? raha tsy izy mihitsy no manatona ny tompo ? miaiky ny fahotany ary mangataka famelana dia mbola ho janba sy mbola harenina ary mbola ho mpahina foana ny masony ary mbola ao anatin'ny maizina foana izy fa tsy ahita fahazavana mihitsy satria ny maizina no manarona azy
10. ikaretsaka ( 09/05/2008 22:21)
ari.malala:

tsy misy marenina mihotra noho izay minia tsy mandre hono, ary ny finiavana hiaino no hitako tsy ampy amizany fa raha tena t handre izay lazaina izay eo miezaka!



marina tanteraka
11. fijo ( 14/05/2008 21:45)
ka le tantara raisintsika izao anie tantara efa niampitapita loatra e.metyolon a100 no teo,de rehefa nihitatra le resaka ,dia niha nafana fo ilay mpitantara dia nampiany "0" iray,de niampy hatrany ilay "0"
12. xxx ( 15/05/2008 21:24)
mety ho marina zay :lol:
13. fijo ( 16/05/2008 22:10)
asa ko,rehefa entim-po mitantara mantsy somary manitatra izay ny hiafarany
14. cutie ( 21/05/2008 14:00)
:-D :-D :-D :-D :-D
15. fijo ( 21/05/2008 20:34)
raha ny zavatra misy ankehitriny dia izay no izy.vaky ny atody de manan'elatra
16. cutie ( 22/05/2008 17:05)
misy FM koa :-D
17. fijo ( 22/05/2008 21:18)
kayyyy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0459