Feno ny kapoaka hoy ny Sefompokontany

1. notron ( 06/05/2008 09:06)
Nanao valan-resaka ho an'ny mpanao gazety ny Sefokontany 192 eto Antananarivo Renivohitra ny Asabotsy lasa teo ka nilaza fa feno ny kapoaka satria tsy rarahian'ny Ben'ny Tanana, tsy nandray karama 5 volana, sns.
Hevitro avy hatrany no omeko :
1- Isika rehetra ihany no nandany iny Lalampanorenana iny izay tsy miresaka fokontany mihitsy kou in ndray!!!! Iray monja ny teny hoe Fokontany ao dia hoe "Tapakevitra ny Fokonolona ka nitambatra ho Fokontany" ao @ savaranonando.
2- Mbola ny lalana navoaka ihany no milaza fa "Circonscription administrative" ny Fokontany ka rantsa-mangaika amban'ny "Présidence" ko inon no hidiran'ny Commune @ zany?
3- Ireo Sefompokontany ireo no tsy nety nandray baiko avy @ Ben'ny tanana fa tsy manampahefana aminy hono koa no ilana vonjy any aminy??
4- Mba sahala @ ahoana sy ahoana moa no nanaovan'ireo Sefopokontany ireo an'Ato Andry Rajoelina sy ny mpanohana azy fony izy mbola kandidà Ben'ny Tanana?? Sa ririnin-dasa ireny ka tsy tsaroana??
5 - Ny lalàna navoaka ihany koa no milaza fa lasa tendrena ieo Sefopokontany ireo fa tsy mila fidiam-bahoaka ary tsy tendren'ny Ben'ny tanàna. Izany hoe : ny Ben'ny tanàna tokony hiahy raikely niteraka, ny vahoka hoentina tsy nifidy fa zaza natsangana koa tsy vitao irery ao ny anao.
Ry zareo rahateo Sefopokontany fa tsy sefompokonolona ee!

Bobaka be raha tanisaina fa izao e! Nilatsaka izy nosakanana, lany izy nofofoina ny ainy, misongadina foana anefa izy satria ny volana Septambra 2008 dia ho tokanana ny zaridaina vaovao Andohalo, hatao milay koa ny tsena petite vitesse, Antsonjombe koa tsy maintsy ho vita eeeee!
Hita fa favori ilay olona dia avy daholo indray handadilady. Tsara fo i Andry TGV nanaiky niresaka tamin'ireo fa raha olona hafa angamba dia asa foana ee!

Izay no izy fa tsarà aby tsika e! dia samia mahita izay harapaka anio sy ampitso fa niakatra avo roa heny ndray hono ny menaka eee!

"Am-bava homana, am-po miheritra"
novalian'i Jeankely ny 14/05/2008 11:32
2. Jeankely ( 06/05/2008 09:14)
Tsy miditra @'ny resaka TGV aloha aho satria tsy haiko izay nisy nifofo aina sy ny resabe. Fa kosa ny resaka sefompokontany no mba hidirako. Raha tsy ao ambany fifehezan'ny Maire ary tsy notendreny no tsy nofidiambahoaka izy ireo dia izay tompon'andraikitra aminy voalohany no hihazakazahany satria tsy mahavaha ny olany ny olona tsy tompon'andraikitra aminy.
3. rabingogilabanga ( 06/05/2008 09:52)
marina tanteraka ireo tanisain'ny notron ireo, ny tena fanontaniana dia hoe:
mandeha irery ve izao fihetsiketsehan'ny sefompokotany izao sa misy ambadika?
iza no mahazo tombotsoa @ izany?
ary inona no ataon'ny prezidansa izay patron nanendry azy ireo, hamahana ny olana?
4. ravatorano ( 06/05/2008 10:05)
aza adino ga any 95% ny sefo pokotanay dia tim ka mande irery ary v izany ilay fitakiana sa tsia ???????
o ra notron an < tonga soa less lah kle ! :wink:
manaiky an'ireo voalaza ery amin'ny farany ambony ny tenako ary za aza gaga hoe inn koa ty ataon 'ireto sefopokotany ireto ? maninona no tsy any amin'ny prefet de police izay nanendry azy no mitaraina sy maka baiko !
Izao ange no vokany e !
raha izaho no eo amin'ny toeran 'ny ben'ny tanana klouh d izay mihitsy no teneniko hoe mandehana any amin'izay nanendry anareo
ary raha baiko entina hampandroso ny fokotanay dia tsy maintsy hiandry baiko v vao hanao izany ????? izay ilay hoe andraso andraso lava izay no tena mahavoa antsika nefa tokony hiasa mafy, hiasa tsara ary hiasa hatrany fa tsy voatery hiandry baiko !

5. hery ( 06/05/2008 10:57)
Ka ilay antso avo anie mety tsy hoe ho an'i Andry TGV fa ho an-dRavalo e.

6. kiadi ( 06/05/2008 11:11)
zoky ravatorano>fananinao kosa angamba le manoratra "fokotaNAY" :-D :-D
7. notron ( 06/05/2008 11:59)
jeankely> Raha ny fandraisana baiko dia ny "Prefet" mihintsy araka ny lalàna navoaka no mifefy azy ireo. Ny tsara ho fantantsika mantsy dia notendrene hatrany izy ireo hatrizay ka ny Ben'ny tanàna no mandendry azy.
Taorian'ny referendum dia ho fidiana @ zay izy ireo. Kanjo... olona tsy nampoizina no lany Ben'ny tanàna ka akory ny hatairany ka tsy ampy herin'andro taorian'ny FIFIDIANANA (Tsy ny valin'ny fifidianana an) dia novaina fa tsy ho esorina izy ireo satria nandaniana volabe. Volabe nitondra inona teny an'ivon'ny fokontany?

Araka ny voalazako tetsy ambony dia "Circonscription administrative" ny fokontany. Izany hoe tsy tokony handray vola toy ny adidy, rano, ticket tsena, sns intsony izy fa ny fidiram-bolany dia ny taratasim-panjakana ilain'ny mponina ao aminy.

Ary iza amintsika ary no mahavita miantoka karaman'olona iray tsy mety manaraka baiko sy torimarika avy any aminy?

Raha ny fampandrosoana ny fokontany kosa dia azon'ny Mairie atao tsara satria @ zao fotoana izao dia efa mandeha ny fanamboarana isan-karazany toy ny lalan-kely sns eny @ fokontany, tsy misy idira'ny sefompokontany mihintsy io fa saingy ilazana fotsiny izy fa hisy asa atao eto aminareo

Raha ny hoe mifofo ny ainy dia efa nivoaka an-gazety io fa 500.000.000Ar no sandan'ny ainy ho an'izay mahafaty azy. Mbola mahita "bien preci" noho io aza aho fa tsy azoko lazaina eto.

Izay indray ary no izy fa tsara ny ady hevitra e! Ahitana vaovao ary mba misy hisainana hatrany.

Veloma éééé!
8. zazah36 ( 06/05/2008 13:24)
Manao ahoana daholo aloha e! tokony hisaina ihany koa aloha isika vahoaka hoe aiza marina ny baolina fa tsy faly manasoa ny hafa dia manasoketa ny sasany fotsiny. Jereo tsara hoe raha tsy omena vola ireo sefo fokotany izay tsy tianareo ireo dia mba ahoana ny fiatraikany eo anivon'ny fokotany ; izaho mahalala tsara sefo fokotany iray fa tsy dia miraharaha izay tambikarama any izy fa ny vola alohanao amin'ny fikarakarana taratasy sy ny haba hafa ary dinampokonolona eo aminy anie no kepohiny e. dia fatiantoka an'iza moa zany? Manaraka zay mampihomehy ihany ilay hoe favori ny ben'ny tanana; mety ho marina ihany zay raha fitarainana sy koretaka ny resaka fa tsy asa kosa loha e!Efa hotapitra ihany ity ny 8 volana nifanarahana hoe ampisehoana ny zavabita dia ampitahaina amin'ny teo aloha nefa raha izao aloha no mitohy dia e e toa tsy ao ko; mba jereo fotsiny ity fefy manga² natao tamin'ny sisin'ny arabe ; tsy miasa no ratsy akory fa mba asiana endriny ny zavatra atao fa tsy manao zara fa vita toy ireny asanareo aloha raha ireny no atao hoe favori na ahoana ? isika rehetra no mitsara
9. Jeankely ( 06/05/2008 16:13)
Manokafa loha-hevitra vaovao ry "zazah36" fa aza avadika ilay resaka sefompokontany feno kapoaka fa tsy mety.Malalaka be ny fanokafana loha-hevitra dia any ianao mitana izay hevitra izay.
10. rijaj9 ( 06/05/2008 16:40)
maninona tokoa moa raha any @ ny prefet nanendry azy reo no maka ny saosiny ry zareo ;jereo ka na niarahaba any andry t@ izy lany sy ny voalohany taona ary tsy nataon reo ;ka rehefa dakany ny TIM sy ravalo zay vao mahatsiaro any andry ;
marina fa boay kely andry fa na za tsy izy ary tsy hanome saosy eo za eh
11. Jeankely ( 06/05/2008 17:54)
Ny Andraikitra tsisy resaka taona ary tsisy boay kely izany fa efa lany izy. Noho izany izay nofidy azy no tsinontsinona raha tsinontsinoavinao izy. Tsy amin'ny mahaizy manokana azy fa amin'ny mahavoafidy azy. Ny filohampokontany efa nilaza fa fanompoana fanjakana koa tsy hitako izay hitarainany. Ny olona tsotra mitaraina mety mba azo leferina. Tsy asa ny Filohampokontany fa miala ianao raha manahirana anao. Fa ahoana no midongy eo satria misy zavatra tiana harovana ao. Dia aleo hifafa eo.
12. notron ( 07/05/2008 05:42)
re doly!
Ny tena olana lehibe @ ty raharaha ity ange dia tsy tsy fisian'ny lalàna mazava apetraka ho an'izy ireo e! Miandry ny fiovaovan'ny toe-draraharaha mantsy ny fitondrana vao mandinika izay lalàna havoaka sao ka hahavoa azy indray izay ataony (s'aventuter). Izao mantsy ilay tantara e!

- Taloha dia notendrena hatrany ireny sefompokontany (SFKT) ireny. Fa mba nahafahana nanao fampielezan-kevitra hampandany ny ENY dia novohizina ny hoe ho fidiana indray izy ireny. Niasa mafy ny rehetra hampandany ny ENY satria maro ny te-hilatsaka ary novohizina fa ho tsaratsara ny saosy.
- Lany ary ny ENY saingy ratsy tarehy ny TIM teto Antananarivo ka tsy hisy na ho zara fa hisy TIM ny SFKT. Navoaka indray ny lalàna fa ho tendrena ny ny SFKT eto Antananarivo Renivohitra ka ny Ben'ny tanàna no hanao izany.
- Lany t@ tsy nampoiziny ary i Andry TGV, izany hoe hanendry SFKT; nesorina tsy ho andraikitry ny Commune indray ny FKT.
- Dimy (5) volana izay ny mandat ny Maire vaovao, 5 volana tsy nandray tambiny koa ry zareo. Iza @ zay no tokony handoha io tambiny io????

Nilaza fa nangataka fihaonana t@ Maire ry zareo nefa araka ny vaovao marim-pototra dia tsy mbola nisy izany hatramizao.

Mazava @ tsika @zay angamba no anton'ny famoriany mpanao gazety.

"Koa fidio anio ary izay ho lehibenareo fa raha izaho sy ny ... aloha dia ... "

Misaotra éééééééé!
13. naritsimba ( 07/05/2008 05:53)
salut notron!
izaho koa letsy mba gaga, angaha ny maire no nanendry azy ireo no any izy no mitaky ny karamany?
efa leo TIM ny olona satria tsy nitana ny teny nataony ny filoha Ravalomanana dia ny fahamarinana sy fahamasinana, naleon'Antananarivo nandany an'i Andry TGV. Tiana atao tahaka an'i Pety sy Rolland Ratsiraka i Andry TGV ka tsy omena vola hampandrosoana an'Antananarivo saingy indrisy fa renivohitry Madagasikara Antananarivo, ka na tsy omena aza, manana ny vahoaka mahatsapa tena dia mandoa hetra ka tsy mety atao fahirano.
Raha izaho no sefom-pokontany dia nametra-pialana aho raha vao tsy lany ny olona notohanako, saingy sefom-pokontany aza midongy toy izao maika fa filoham-pirenena.
Mazotoa eh!
14. Jeankely ( 07/05/2008 10:06)
Efa nisy fizarana dia tsy nahazo Antananarivo RV ngaha. Izay zavatra maripototra ary ampiarao tarehimarika ofisialy fa sao manely tsao. Antananarivo RV no mampidimbola be indrindra ary raha diaso omeo ny marina. Ny vola izay mandeha any aminy raha tsy nahazo izy dia amin'ny ara-dalana ny fanomezana hoe tamin'ny andro sahala izao nahazo daholo ny rehetra fa Antananarivo RV ihany no tsy nahazo. Manampy azy haingana tsisy sahala izay ny olona nifidy azy ary loza ho an'izay manao ny tsy mety ka mba asio zavatra mitombona.
Mba valio koa ity, ny TGV ve nanazava ny vahoaka hifidy azy fa ny vola anjaran'ny Fivondronan'Antananarivo RV dia ampy ary ireo no hiasany sy ampandrosoany ny faritra nahalany azy? Ary ahoana no tsy avoaka ny valin'ny audit nolazaina fa tsy hiasa izy raha tsy mazava ny tao sa efa manafina ny avy nangalatra koa izy ?
Tsy mbola lany ny TGV dia nanoratra aho teto fa hanome lesona ny TIM ny vahoaka ary tsy resaka fitiavana an'ny TGV no hanaovany izay fa fanomezana lesona. Ny resaka sefompokontany adalana koa ny mikarakara ny tarika nilaza fa tsy mila azy. Raha misy mitaraina fa kely karama dia hoe fanompoana firenena io koa inona no ahafeno kapoaka ?
15. ravatorano ( 08/05/2008 09:27)
vao reko omaly fa dia efa milamina ny omba io tambi karama io fa tsy ahiko fotsiny dia hoe nilamina manao ahona
ny vaovao fantatro mantsy dia izao ny mairie no handoa ny voal tandrifin'ny mpitantsoratra ao ami'ny fokotanay sy ny mpikirakira ny vola na tresorier fa ny sefopokotany sy ny mpamampy azy kosa (adjoint) dia ny district no hanefa izany .izay no vaovao reko farany

raha ny hoe fanomezana lesona ny tim teto tanà dia marina fa tsy izay ihany kosa no antony nifidiana'ny olona an 'i Andry TGV fa ekeko hoe isan 'ny antony iray izay.

Kiadi < diso fanoratra za less bandy akama mlay b tamin iny an ! zafady e
16. Mio21 ( 08/05/2008 16:30)
Tsiaro.
T@ vani-potoana nandraisan-dRa8 an'io toerana misy an'ny Andry TGV io dia mitovy ohatran'izao ihany koa no novantaniny, tsy nisy vola tao ary voalaza ary t@ zany fa mbola nisy trosa betsaka aza tsy voalohan'ny Commune. Mety Antony : na nangoron-karena ny olona teo alohany satri raha maty aho matesa rahavana fa dia miara miala amiko ny vola rehetra ato, na tsy fahaizana nitantana, na izy 2 mitambatra.
Antony iray afa ihany koa anefa ny alahelon-toerana dia manao sabôtazy, refa tsy misy vola ao tsy afaka ny hanao n'inona n'inona ny mpisolo toerana ary dia ho ratsy laza sy ilay oe aleo ihany ilay raikalahy taloha. Zava-nisy t@ zany ary ny fivangongoan'ny fako tsy misy mpaka manerana ny tanàna izay nampimenomenona ny olona. Niolomay Ra8 nanao antso avo ho an'ny ireo olona tsara sitrapo manana fiara lehibe afaka maka ny fako ary dia tsy vitsy ny namaly antso ...
Andry TGV zao no eo @ toerana, TIM no teo alohany, olona notendren'ny TIM ny sefompokontany dia azonareo ny tiko ambara.
17. Jeankely ( 08/05/2008 23:45)
Manahoana Mio21 a! Ity resaka antoko antoko politika ity ihany anie no tena manimba zavatra e. Miala tsiny aloha fa adinoko f'angaha moa tamin'ny andron'i ra8 Ben'ny tanana mbola nisy ny TIM ? Ny tiako ambara dia miverina ihany @'ny hoe "tsy ny hanasoa ny firenena haingana" matetika ny hanaovan'ny olona antoko fa ny mba ahazo toerana zaraina. Ianareo tanora ireo izao vao hitan'ny olona dia ny ao antsainy hoe midira antoko fa mahita toerana ambony. Ilay fironana sy fotompisainana tsy mifanaraka fa ilay toerana no jerena. Miaraka ao anaty antoko malaza ao na ny avy niala t@'ny antoko nalaza teo aloha, na ny mpitsikilo sy mpanimpy hoditr'akondro, na ny milaza tia tanindrazana sns. Ny vokany olona mety tsy mifanandrify amin'ny tanjona kendrena no voatendry @'ny toerana. Ny Ben'ny tanana ve ohatra tokony hanana zo hanao zavatra mifanohitra amin'ny tanjon'ny firenena ? Io resaka filazana tsisy vola io dia tsisy afatsy ny fampisehoana mangarahara ny zava-misy vantaninao. Aleo mba izy tompony no hanazava fa tsy ny mpitazana no mahalala ny ao anatin'ny vilaniny.
18. notron ( 14/05/2008 08:36)
salutndray e!
Raha ny audit no resahana dia ny Cabinet d'audit no tokony hamoaka resultat fa ny tena zava-doza dia mety hahakasika olona mahasarotiny ilay izy ka ho raharaha be.
Mba misy ihany mantsy zavatra fantatro momba io fa aleo ny vokatra ofisialy no hiarahantsika mahita e!
Mahareta fa tsy maintsy hivoaka io na ho ela na ho haingana fa ny efa voalaza aloha dia 38miliara d'ariary ny lavaka hatreto.

Zay indray fa soa milaza ny tsy tokony ho lazaiko eto aho ka!
a+
19. notron ( 14/05/2008 08:46)
salutndray e!
Raha ny audit no resahana dia ny Cabinet d'audit no tokony hamoaka resultat fa ny tena zava-doza dia mety hahakasika olona mahasarotiny ilay izy ka ho raharaha be.
Mba misy ihany mantsy zavatra fantatro momba io fa aleo ny vokatra ofisialy no hiarahantsika mahita e!
Mahareta fa tsy maintsy hivoaka io na ho ela na ho haingana fa ny efa voalaza aloha dia 38miliara d'ariary ny lavaka hatreto.

Zay indray fa soa milaza ny tsy tokony ho lazaiko eto aho ka!
a+
20. Jeankely ( 14/05/2008 11:32)
Ahoana ity indroa tsy akijanona ity e ? Aleo hiseho ny marina ary miandry izahy ooo? Mbola loza koa ilay madio daholo ny rehetra avy nefa lazaina nisy lavaka. Sao mba ireto miakatra indroa tsy miato ireto no mandavaka be :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3124