mapme be sady manapatsinay!!!

1. rajoelina ( 06/05/2008 07:38)
TIM aty europe

Tsy azoko koa zay antony hisiany politika gasy ao frantsa ao =)) =))

Mety ve ra misy socialista na PP aty Madagascar???

;-)
novalian'i Jeankely ny 27/05/2008 00:56
2. Jeankely ( 06/05/2008 08:54)
Izaho tsy mahalala ny any Europe satria tsy any saingy raha ny zava-misy fa tsy araka ny fijeriko akory dia izay toerana ahitana Malagasy maro ary afaka mandray anjara amin'ny fifidianana any antoerana dia rariny raha misy antoko politika. Tsy ho an'ny Frantsay, na ho an'ny Rainiboto na Angalisy fa fisarihana ny samy Malagasy ahalala ny zava-misy any antoerana ary hitaritana azy hifanampy.
Fa matory sa mitapina ny masonao fa maro ny antoko izay nitsiry avy andafy ary andafy no nisy ny maromaro nifandraisan'ny hevitra. Jereo fa mety ho diso aho fa hatrany @ MDRM izany. Vao tsy ampy herintaona izay nisy antoko vao nipoitra tao Frantsa fa hitako t@'ny Internet ary nivoy azy koa ity Serasera ity.
Cas Madagasikara iny fa ny firenena hafa ao Madagasikara koa dia manana ny fijeriny ary ny fironany. Ohatra raha mpandala ny tontolo hiainana reo dia mivondrana ary manana organization samy izy fa tsy ho an'ny Malagasy.
Ka aiza ilay mapme ? Sao mihomehy tany vaky ? Ampiaraho amin'ny zava-misy ny zavatra resahina fa mandrary miteniteny foana. Sa atao mapiomehy sahala ny resaka verjiny ary ambadika izy ity ? Tanora ho avy ka asehoy fa tena andafy ary misy ny fahalalana ianareo fa aza manalabaraka Europe.
3. dadabe ( 06/05/2008 09:37)
pounk kely jiaby aloha e :roll: :roll: :wink: :wink: :°) :°)
4. Jeankely ( 06/05/2008 16:16)
:evil:
5. Annie2006 ( 26/05/2008 15:06)
Ny fisian'ny TIM any europe aloha dia henatra hoan'ny tanindrazana satria tsy ny democratie no novohizina fa ny fanatisme. Io no tena mahamenatra. Aiza ve ka ny firenena miala amin'ny "parti unique", ny ao madagasikara indray dia mampiredareda ny afon'ny jadona sy ny antoko tokana.
Arty ry zareo any ivelany no tena mampihomehy sy mahamenatra satria milaza fa miroborobo be i Madagasikara kanefa tsy misy na dia iray ary sahy mba mody any amin'izany tanindrazana nampiroboroboiny izany. Ny etsy ankilany kosa dia tsy voatanisa ny malagasy te hitsaoka ity tanindrazana lazaina fa miroborobo na dia nofetsena tamin'ny bahamas, nangolaina tamin'ny asa any canada sy ny sisa...
Tsara hoy ry zareo ny any dago kanefa ny malagasy TIM any ivelany tsy mety mody kanefa ny vahoaka ao dago mitady hitsambikina any ivelany daholo, na ckoresy io, na kilandy io, na bizn maloto io, sy ny sisa.
6. Jeankely ( 27/05/2008 00:56)
Ny isan'ny antoko aza efa ho 200 samy mampihomehy koa iray ngaha mira 200 ho anareo. Ireo Malagasy rehetra ireo tsy TIM koa antoko tokana ahoana. Tsy lany izy ohatra tao Antananarivo RV dia antoko tokana ahoana. Mba hevero ihany ilay resahana fa tsy mandeha amin'ny loniny ary tsy mitaratra ny zava-misy. Na iza na iza eo amin'ny fitondrana tsy maintsy mitady hevitra izay hampatanjaka ny antokony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0876