Ry Saoly fa ahoana ianao no manenjika ahy ????

1. ronaldo09 ( 04/05/2008 20:09)
Gaga ,hono, ny ato amin'ny serasera fa toa nivadika palitao i ronaldo ,tsotra tsy misy resaka fivadihana palitao eto fa teren'ny fahamarinana ka niala am'zavatra ratsy ,i Paoly anie ka mpamono Kristiana no asany taloha nefa teny an-dalana ho any Damaskosy no tonga taminy ny tenin'ny Tompo hoe :ry Saoly nahoana ianao no manenjika Ahy ??? Voahosotry Jehovah ny filoha ka izay sty tia azy dia tsy tia an'i Jehovah nanosotra azy .
Koa aza asiana resaka intsony fa olon'Andriamanitra ny filoham-pirenena !!!
novalian'i Jeankely ny 08/05/2008 09:26
2. simplex ( 04/05/2008 21:01)
3. tlay ( 04/05/2008 21:09)
=)) =)) =)) =)) =)) =))
4. Koditra ( 04/05/2008 21:30)
Voahosotry Jehovah ny filoha ka izay sty tia azy dia tsy tia an'i Jehovah nanosotra azy

Jerena daholo lesy ny zava-misy a, tadidio fa matetika 99j an devoly, ny 1andro farany an Jehovah.
Mety marina ilay voalazan lah, mety tsy ho marina iany koa satri dia tena nalaza tokoa t@ fifidianana filoha farany teo fa dia nangala-bato ny TIM, zany alabato zany dia niseho t@ fomba maro samihafa zé nodian HCC fanina fotsiny. Ra resaka alatra ve no nahateo azy d avy @ jehovah? D teren lah fotsiny oe zé tsy tia ny filoha tsy tia an jehovah. D sahin'elah ny mampitovy grady an Filoha @ jehovah, tsy eken'ny fisainana kristianina letsy zany a, na aniry nify aza ny lohan'elah tsy misy n'iza n'iza, tsy misy n'inona n'inona azon'elah oharina @ jehovah. Izy no Nahary an zao tontolo izao sy manampahefana @ zao tontolo izao fa tsy niarahany t@ Filohan'elah na itambarany fahefana @ Filohan'elah, tompoy irery any nenlah.
5. kiadi ( 04/05/2008 22:03)
tsssss! de elah zany zany nanotanina'i ravalo hotrizany ko de lasa nivadika palitao!!
6. Jeankely ( 05/05/2008 00:04)
Ity resaka Jehovah ity angamba tsy tokony hidirana lalina fa ohatra ihany iny dia tokony mitohy amin'ny resaka tena izy fa tsy variana ami'ny resaka Baiboly eo. Tsy Baiboly no soratna ao anaty MAP ary samy mahita izany. Na nangala-bato ry zareo na lany araka ny izy dia reo aloha no mitondra an'i Madagasikara. Koa rariny raha samy manompo ny Firenena fa tsy manompo ny TIM akory. Raha mampianatra ny mpampianatra ho an'ny zaza sy tanora Malagasy fa tsy ho an'ny TIM aza adino. Sa nangalatra reo dia hoe ataovy kitoatoa ny asa ary aleo ho vizana eo Madagasikara? Izay no tsy ahazoan'ny mpanohatra olona mihintsy.
7. saranga ( 05/05/2008 08:35)
Ndry lasa mpitoruteny ity ronaldo, ntsônare marina e, fa aza atao fitaovana Andriamanitra fa hitanao tsara ny nanjo an-dRatsiraka izay diso nanao fitaovana an'i Jehovah. Mba jereo sy saino ny teo aloha nama !
aza ampitoviana amin'ny Solomona, na davida, na Isaia i ravalo, fa ity Ravalo ange ka ...
Zay nama
8. Jeankely ( 05/05/2008 12:23)
Madagasikara no hiasana mafy fa tsy ny Filohampirenena angamba. Izy na malaza aza tsy maintsy hiala ary tsy afaka ny ho eo mandrakizay. Ny firenena jereo ary aza potehina na tsy tianao aza ny filoha. Hazavao raha misy mifanohitra @'izay.
9. Mio21 ( 05/05/2008 12:56)
Madagasikara no hiasana mafy fa tsy ny Filohampirenena angamba. Izy na malaza aza tsy maintsy hiala ary tsy afaka ny ho eo mandrakizay. Ny firenena jereo ary aza potehina na tsy tianao aza ny filoha. Hazavao raha misy mifanohitra @'izay.

Manahoana jeankely! Mba sambany mba nitovy hevitra ndray tsika sy enao @io an.
10. Jeankely ( 05/05/2008 13:46)
Manahoana ihany e? Efa ela no Madagasikara no resahiko saingy forcer-dreo ho TIM tsy fantatro akory aho dia lasa mba mandrangitra koa. :-D :-D :-D
11. rabingogilabanga ( 06/05/2008 09:57)
Ronaldo, ravalomanana aloha tsy kristy, na dia nilaza minoa fotsiny ihany izy, ary ianao tsy paoly apostoly.
Ianao mivadikaa anie, tsy ianano @ maha-ronaldo anao no tena important, fa raha hanao izao daholo ny namana ato @ serasera, i jeankely ho mpanohitra, i tezitra hanohana an-dravalo, i bazilou ho tim, i kiadi ho mpanohitra...
dia tsy hisy resaka hilamina sy ho azo hofaritana intsony fa dia lasa wawawa, satria ny tsy azo intsony ny tian'i tsi-1-1 ho lazaina.
12. Jeankely ( 06/05/2008 16:21)
Disobe rabingogilabanga fa izany mihintsy no tena fiainan'ny maro. MBetsika alika, mbetsika mivadika songomby ary mbetsika lasa kisoa. :-D :-D :-D :-D
13. ronaldo09 ( 08/05/2008 07:01)
rabingogilabanga:

i jeankely ho mpanohitra, i tezitra hanohana an-dravalo, i bazilou ho tim, i kiadi ho mpanohitra...


Ary masaka raha izany no hiseho a!!!
=)) =)) =)) =))
14. ronaldo09 ( 08/05/2008 07:04)
Hay moa sady bingo no gila no banga ny akama fa tsy sima !!!
15. Jeankely ( 08/05/2008 09:26)
Fanesoana io bingo, banga sy gila io fa ny maha-TONGA LAFATRA AZY no tena tiany hambara. Sahala ny olona mihaingo sy eny ambony fiara manao ingahy ndriana ny mpitrongy vao homana io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0487