Iza no manana tetikady hanovana???

1. badboy ( 04/05/2008 15:01)
Maro amintsika miserasera eto no milaza fa betsaka ny mila miova. Midika izany fa tia ny handray ny handraikiny ny tsirairay avy. Dia hoy aho hoe maninona moa raha tena atosika lavitra ilay demokrasia malalantsika, ka noho izany dia hangatahana handray anjara eto ny tsirairay.

Ka ho an'ireo izay mahita ilay tokony hovana dia lazao hoe inona no tianao hovana?? Dia inona no apetrakao ho vahaolana manolo ilay tokony hovana?
novalian'i Jeankely ny 05/05/2008 00:16
2. tlay ( 04/05/2008 16:11)
io any ,raha tsomponina hotranizany, lasa kilalao an-jaza be fa zava dehibe oa dia ny toen-tsaina 1/1 iany io, fa nininona zay ataony mpitondra fanjakana eo dia tsy ho ety mihintsy zay atao rehetra eo, rambola tsisy fiovany 1/1
3. badboy ( 04/05/2008 16:57)
tlay >> azaonao atao koa ny mampiseho hoe ito ny zavatra tsy tokony hovaina satria izao no antony. Ka arosoy izay misy any aminao na ny tokony hovaina na tokony ho tazomina. Demokrasia io fa tsy hoe kilalaonjaza. Aza adino fa ny dikan'ny demokrasia dia ny fitondran'ny vahoaka ny fianambahoaka "gouvernement du peuple par le peuple".
4. Jeankely ( 05/05/2008 00:16)
Voarainao tsara ny lesona rehetra badboy an. Mahafinaritra satria naveriko ho anao ireo resaka ireo isaky ny mitsikera ianao dia io fa mitaona ra-Kotolahy. Jereo fa manome "Proposal" ho an'ny Fanjakana ireo "Centre" na "University" isakarazany amin'ny tany mandroso. Saika dinihandreo mpitondra Fanjakana ireny fa tsy boky mikatona. Ary tsy fitsikerana mijanona eo fotsiny. "We wait your Proposal for the Malagasy Government". Jereo fa afaka mandefa any @ FMI ary haparitak'ireo eran'izao tontolo izao raha zavatra mahasoa no hitanao. Dia hita eo fa tsy zavatra nadika tetsy sy teroa no lazaina fa fikarohana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0764