Isaorana ny Filoham-pirenena!!!!

1. ronaldo09 ( 03/05/2008 11:22)
Araka ny vaovao notaterin-dRazouzou namana mavitrika atsy @ sehatra fanatanjahantena moa dia raikitra ihany fa handray anjara amin'ny eliminatoire mondl 2010 i Madagasikara satria nisy ny fandresendahatra nataon'ny filoha malagasy ny pdt ny FIFA koa dia nekena zany fa afaka mandray anjara am'ilay fifanitsanana ny Malagasy ,koa dia isaorana zany ny filoha satria masaka izany mahita filoha miaro ny ekipam-pireneny izany ,sady mangina amizay angamba ny Lecacheriste satria vaovao mahafaly ho anay mpitia ny fanatanjahantena izany ,dia manakina raha hanakiana fa lasa izao !!!!
novalian'i Jeankely ny 04/05/2008 23:53
2. Jeankely ( 03/05/2008 11:31)
Isaorana tokoa izy mandray andraikitra fa aza adino kosa ny tsy hiatoan'ny fanakianana satria sarotra ny ho tafakatra lavitra na mahazo manao aza. Miala tsiny aloha raha saina resy tsy mbola niady. Tsy vita mora sy fitiavana fotsiny ny resaka "Mondiale". Io miankina amin'izay laharampahamehan'ny fanjakana ka io baolina kitra io ve no maika amin'ny olan-tsiaka ?
3. kiadi ( 03/05/2008 11:52)
fa tsy azoko wa le resaka ronaldo09 eh? anga nivadika palitao ty iz no tô lasa manindrahindra filoha? tsy enao io ve no tena anisany nanaratsy be andra8?
4. tlay ( 03/05/2008 12:17)
kinona zany fa de mafinaritra zany alo ny vao2 fa dia mirary ny dagy kely mba hotafiakatra tsika zany e!
5. Jeankely ( 03/05/2008 12:34)
Raha resy lahatra kosa izy na avy nanenjika aza inona no mahadiso saingy ny fiatsaram-belatsihy na nohon'ny fahazoana tombony fotsiny no hanindraidrana dia farany ratsy.
Sahalan'ny mpanao sikidy, mpamosavy, mpanendaka lasa mpitory teny filazan-tsara io ka tsy olana amiko.
Ilay izy anie sarotra mihintsy satria ve na mpanohatra miaraka amin'ireo mpitondra taloha lany andro na mpanohana izay mitondra eo fotsiny. Iza no afaka milaza fa tsy maintsy mizara roa sahala izay ny olona mandray anjara eto. Izaho mazoto mandray anjara eto izao lazain'ny sasany karamain'ny hafa nefa tsy mahalala ahy akory hoe iza na aiza no misy ity JK. Lazaina fa nahazo sezan'ny fitondrana nefa tsy misy solon-tenan'ny fitondrana Malagasy akory ny toerana izay alehako.
Ka tokony ho finganina tsy ahavita inoninona ve ny mpitondra sa tokony hifandrimbonana ny fanasoavana ny firenena. Sa rehefa anjaran'ny ankama ihany no mitondra vao manasoa ?
6. lemenakely ( 03/05/2008 14:57)
Tsy hoe critique be fahatàny aloha fa efa sur fa dia ho resy lava ny gasy mila jerena ifotony mihintsy ny olana momba azy ity ,asa ry zalahy boay kely mihintsy no tsara karakaraina dieny izao fa ny mpilalao @ izao aloha dia lavitry ny afo ny kitay
7. Jeankely ( 03/05/2008 23:23)
Izay le izy. Ny bandy kely daholo no tsara karakaraina amin'ny lafiny rehetra rehetra satria efa lo na ny mpanao politika aza.
8. ille ( 04/05/2008 11:42)
Vao avy nanao izay faraheriko mihitsy za nitady artikle miresaka an'io tao amin'ny siten'ny FIFA fa tsy misy miresaka an'io ry zareo a! Noho izay aoka tsy handihy tsy afa-tavony aloha isika fa TSY MBOLA MISY FILAZANA OFISIALY AVY AMIN'NY FIFA HOE AFAKA MANDRAY ANJARA ISIKA MALAGASY§
Ny irariana kosa anefa dia ny hahamarina ny voalazan'ny namana!
9. Jeankely ( 04/05/2008 12:12)
Izaho indray na mahazo mandray anjara izy na tsy mahazo tsy handihy amin'izany satria tsy mbola afaka handingana hatraiza ny baolina Malagasy hatramin'izao. Mba lazao hoe iza sy iza ny anarana Malagasy amin'ireo malaza erantany ireo ary firifiry ny Afrikanina ? Toa tsy mbola nahare anarana Malagasy aho na ny an'i Frantsa aza sa diso ny sofiko ary tsy mijery ny masoko ?
10. milaibe ( 04/05/2008 15:05)
tsy mbola afaka milaza isika hatram`zao aloha ny handraisan i madafasikara @ io fifanintsanana io ,ny FIFA tsy mbola nanamarina an izany ,irina ihany izany na tsy ho lasa lavitra aza raha tsy izany ve ireo tsy ho lasa lavitra rehetra dia tsy handray anjara , fa dieny izao dia kokoloina sy hofanina tsara ny boikely manantalenta manerana ny nosy
11. Koditra ( 04/05/2008 21:06)
Isaorana ny Filoham-pirenena!!!!


Tsisy fisaorana. Raha tsy voavaha iny olana iny, ho sovenira ratsy hotadidin'ny taranaka faramandimby, ny tomponandraikitra 1 @zany dia Ra8, ny tsy fahaizany mifehy ny ekipany, ny tsy fahaizana nametraka olona tena sahaza ny toerana nametrahana azy na ny tsy fananana traikefa fa rehefa oe akama d akama. Normal ra izy no tsy maintsy nitady vahaolana. Dia tokony ohatran'zany daholo ny @lafiny rehetra zé tsy nanjary sy kitoatoa. Tsisy fisaorana.
Zao mo governemanta vaovao, antenaina fa amokatra ireo, d miandry tsika.
12. Jeankely ( 04/05/2008 23:53)
Na miova ny Governemanta ny tanjon'ny firenena angamba tsy miova sa ahoana ? Ny hita matetika aza dia ny miverin-dalana isaky ny misy fanovana. Tonga maka zavatra na manao zavatra amin'ny biraompanjakana ianao dia hoy ireo hoe foana ny Direction sahala izao ary tsy hay hoe iza indray no manao izany ka miandry fandaminana vaovao. Ny fotoana anefa tsy miandry. Tsisy haniry ratsy ho an'ny fireneny kosa angamba raha tsy ireo olona hafahafa saingy samy mahita hoe tena mihazakazaka mafibe ve ary mitombo hatrany ny hamafin'ny hazakazaka isaky ny misy fiovana ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2909