Marary vavony

1. Rakotofaly ( 03/05/2008 07:58)
Manahoana daholo isika rehetra mpiserasera ! Tsy izany mantsy fa tena mila vonjy e, marary vavony aho ka tena lasa miteraka korontana tanteraka ato anaty vatako manontolo ilay aretim-bavony. Misy rivotra ao anaty kibo ary marary mafy ny lamosiko eo @ partie lombaire iny, ny tsy fahitana tory ara-dalàna @ alina sy ny te handoa vao maraina moa tsy tenenina intsony, ary avy eo miketriketrika mafy ny loha ka lasa nerveux be foana, stress sns. Tena mitombona ve aloha ny fisehon’ny aretina hafa (maharary hafa) vokatr’ilay aretim-bavony ato anatiko ireo sa vokatr'ilay stress koa ny mampikorontana ny ao anaty ?? ka mba mila torohevitra aminareo izay manana traikefa momba izany re olona e ! misaotra mialoha ho an’izay mamaly…
novalian'i manigasy ny 27/11/2017 06:34
2. ni81 ( 03/05/2008 09:29)
Raha vao be adin-tsaina koa aloha dia lasa manjary marary ny vavony e. Fa maninona raha manatona dokotera ahalalany ny tena mahazo anao? @ zay dia hitany ny tokony hanarahany ny fahasalamana sy hanomezany izay fanafody tokony hanasitranana anao?
3. endrika01 ( 03/05/2008 10:17)
Zah aloha tsy manana traikefa momba ny aretim-bavony fa misy toro-hevitra kely mety hahasoa ihany ity,raha mahazatra anao ny misotro dithé ny maraina na ny atoandro na alohan\'ny hatory!Raha mampiasa ravimboafotsy ianao dia soloy canelle izany,dia io no sotroy matetitetika,fa hanamaivana ilay fanaintainana,no hampazoto homana anao!Mety tsy dia tia misakafo loatra ianao dia izay no mahatonga ilay rivotra !Ilaina ny misakafo ara-potoana,izany we tsy hovaovana ny ora(ohatra we maraina @6ora atoandro 12 ora ny alina @8ora),fa raha miovaova dia mety hisy fiatraikany @ vavony!
4. vale ( 03/05/2008 14:43)
Rakotofaly:

Manahoana daholo isika rehetra mpiserasera ! Tsy izany mantsy fa tena mila vonjy e, marary vavony aho ka tena lasa miteraka korontana tanteraka ato anaty vatako manontolo ilay aretim-bavony. Misy rivotra ao anaty kibo ary marary mafy ny lamosiko eo @ partie lombaire iny, ny tsy fahitana tory ara-dalàna @ alina sy ny te handoa vao maraina moa tsy tenenina intsony, ary avy eo miketriketrika mafy ny loha ka lasa nerveux be foana, stress sns. Tena mitombona ve aloha ny fisehon’ny aretina hafa (maharary hafa) vokatr’ilay aretim-bavony ato anatiko ireo sa vokatr'ilay stress koa ny mampikorontana ny ao anaty ?? ka mba mila torohevitra aminareo izay manana traikefa momba izany re olona e ! misaotra mialoha ho an’izay mamaly…


Efa mahavoa anao matetika ve ilay izy, raha tsy izay mantsy mety ho gastro no nahavoa anao, vao tratrany koa izaho tsy ela mihintsy ( 20 jours) izay, tsy misy valaka ny fisehony, kibo misy rivotra, dia marary aby ny loha etc... hay ilay izy gastro! Nihinana Maalox aloha aho fa zah mantsy mpararirary vavony, fa tsy nijanona lay izy, fa vao ninana Maalox fanin-2 zah tonga dia nihôka be, anefa raha vavony Maalox 1 dia mampijanona ny douleur! hay ilay izy gastro! dia tsy maintsy nijery dokotera aho, dia sady nihinana Maalox zaho no nihinana ny ffody nomen'ilay dokotera!
Raha marary vavony ka mbola tsy grave be dia Maalox dia mampinjanona ny douleur!
Raha tsy izay indray dia yaourt 1pot dia asiana alamo kely ray mitsaingoka anatin'ilay yaourt, dia hohanina, garantie mijanona ilay malaise!
Raha toa indray ka mipetraka any amin'ny toerana misy papay maniry enao dia mihinana papay betsaka, na matetika, fa manasitrana vavony ny papay (ny papako taloha papay no nampijanona ny aretim-bavoniny, dia vao tsy nahita papay dia nihetsika be indray, efa saika hodidina mintsy anefa) ka raha mahita papay hovidina enao dia iny tena tsara be amin'ny vavony!
Izay dia bon courage fa mandreraka be le marary vavony io ah!!!
courage!
:( :-*
5. patrick2002 ( 03/05/2008 15:17)
antony telo no mety hahatonga ny aretim-bavony .
- fisiny microbe ao anaty ny vavony ka,mikiky azy sy mandoaka. Azo avy @ fihinanana sakafo maloto ,na fisotroana toaka .
- avy @ stress (miasa saina) ka mahatonga ny vavoninao mamoaka acide mandevona sakafo betsaka ,mandoaka vavony koa io.
- mety nisy poison ,na pesticide nohaninao na dia kely fotsiny aza ½ goutte ohatra ,mety tsy nahy no nahatafiditra azy tao .
Tsara ny manatona dokotera mba hahafantarany hoe inona no mahazo anao
Samy hafa mantsy ny fitsaboana azo atao ,noho ireo antony telo ireo
- Raha microbe ,dia mitsindrona antibiotique ,lavalava ihany ny traitement satria misy 90 jours ianao mitsindrona foana .
- Raha stress indray ,dia ianao mihintsy no mila manova fomba fiainana , mi se distraire kely ,ohatra manao sport ,na miala voly ,mihira ,mandihy ,manao yoga ,mivavaka raha izay no tsapanao fa mahatonga ny sainao hotony.
- raha empoisoné indray ny vavoninao dia mila desinfecté-na , ary mila fantatra hoe inona ny poizina tafiditra tao.
Zay fa mahazahoa fahasalamana.
6. patrick2002 ( 03/05/2008 15:26)
Tsy dia tsara loatra ny miankina @ toro-hevitry ny olona iray hoe izao nanao an'itsy t@ narary vavony ,dia hanaraka an'iny ,satria samy hafa ny source ny haretina .
Misy koa dokotera manao tsianjery oh: vao tonga ao @ ianao marary vavony ,tonga dia hasainy mitsindrona antibiotique nefa ianao tsy misy microbe ao anaty ny vavoninao .ataovy ilay traitement fa rehefa tsy misy vokany ,dia miova dokotera.
7. vale ( 03/05/2008 15:37)
Mila mijery dokotera eh! raha efa mpahazo dia vavony izay, Maalox haingana be knoh! na izany aza mijery dokotera foana avy teo fa tsy mitahiry aretina izany! courage fô!!! (l) :-*
8. tlay ( 03/05/2008 15:38)
mandehana any @dokotera haingana, dia aza minana sakafo mavetra tsony alo fa dio ny minana zatra misy gaz
9. vale ( 03/05/2008 15:39)
Ptrick: ka ny alamo anie désinfectant e! dia manao pensement ilay vavony, fa mpiara-niasa tamiko taloh izay efa narary vavony be, dia izy ihany koa nanondro ny papanay ilay alamo atao anaty yaourt io, fa efficacelay izy, za koa efa nanandrana, mandram-pahita dokotera no manao an'io, rehefa avy eo tsy maintsy manatona dokotera!
Raha miserana sendra voa fotsiny jereo fa mety gastro izay hoà!!! :wink:
10. patrick2002 ( 03/05/2008 15:52)
izaho anie manaiky eh! fa i rakotofaly mety tsy empoisoné ny vavoniny ,fa mety stress ohatra ny mahazo azy ,dia mety tsy efficace ho azy io .
11. patrick2002 ( 03/05/2008 16:03)
Fa io resaka vavony empoisoné io tena misy nefa tsy hainy dokotera any dago no mitsabo azy .
Ity tantara niseho t@ fianakaviana iray tany Madagasikara ,ireto fianakaviana ireto tsy misy rano ao antranony fa matsaka ,dia ireny barika ireny no hitahirizana rano ,nefa tao anatin'ilay barika resaka poizina no tao anatiny ,(pesticide tena dangereux) ,infecté ny rano sotroin'izy mianakavy ,narary vavony aby izy rehetra ,tsaboina tsy misy mety sitrana ,mandeha ny resaka hoe nampisavian'ny olona nareo :roll: :roll: , rangahy chimiste izay no nahita an'ilay barika no gaga hoe barika tsy azo ampiasaina intsony ity ,fa poizina dangereux no tao anatiny ity ,ary tsy afaka intsony na hatao inona na hatao inona ,izay vao ny desinfecté-na tsirairay teny @ HJRA izy mianakavy.
12. karinah ( 03/05/2008 20:34)
izaho koa vao voa y a 20jrs, (efa nolazaiko tery ambony! :wink: ) dia ny nahavoa anah, nihinana soupe de lentille, efa elaela tao anaty frigo aho, dia niampy tsy falevonan-kanina koa satria mbola ninana poma niaraka @ hodiny, avy eo nihinana brownie, tsy vita teo fa mbola nisotro café, dian ninana bonbons à la menthe, 4andro zah nivadibadika, fa tsy maintsy tany à dokotera vao sitrana, henjana be ah!!! mamonjeha dokotera malaky, ie dia hoy tlay oe aza mihinana zavatra mavesatra intsony kaloh, fa zvt tsy misy menaka sy gaz hoanina mandram-pahazo fanafody! Mahereza!!!
13. karinah ( 03/05/2008 20:40)
; ny heritreritro dia ilay soupe mety nihasimba satria efa 2 semaine no tao anaty frigo , tsy vitan'izany fa tsy nafindrako tanaty gamelle lay izy fa navelako tao anatin'le boaty vy (conserve le izy) ,tsy mbola sorena sy narary tahakan'izany aho hà izay na-holombel anah, za nandeh tany am dokotera izany efa nihena 3kg ny poids -ko satria raha vao minana zvt kely (pizza oh, na saosy misy voatabia) dia mihôka mandoa, dia poma foana no mba nohaniko, nihinana salady koza zah fa vao may nanaikitra le vavony! rapidos enao Rakotofaly mijery dokotera fa sao nihinana zvt tsy nampoizina marina! naharary zah annn! sady ny kibo no narary ny vavony ny loha ihany koa! dia Gastro niafaràn'ilay izy fa na rano aza tsy nozakako, raha tsy mazaka rano koa enao dia gastro izay! Aza mangatak'andro, fa tondé mandehana malaky!!!
14. endrika01 ( 04/05/2008 12:11)
patrick2002:

antony telo no mety hahatonga ny aretim-bavony .
- fisiny microbe ao anaty ny vavony ka,mikiky azy sy mandoaka. Azo avy @ fihinanana sakafo maloto ,na fisotroana toaka .
- avy @ stress (miasa saina) ka mahatonga ny vavoninao mamoaka acide mandevona sakafo betsaka ,mandoaka vavony koa io.
- mety nisy poison ,na pesticide nohaninao na dia kely fotsiny aza ½ goutte ohatra ,mety tsy nahy no nahatafiditra azy tao .
Tsara ny manatona dokotera mba hahafantarany hoe inona no mahazo anao
Samy hafa mantsy ny fitsaboana azo atao ,noho ireo antony telo ireo
- Raha microbe ,dia mitsindrona antibiotique ,lavalava ihany ny traitement satria misy 90 jours ianao mitsindrona foana .
- Raha stress indray ,dia ianao mihintsy no mila manova fomba fiainana , mi se distraire kely ,ohatra manao sport ,na miala voly ,mihira ,mandihy ,manao yoga ,mivavaka raha izay no tsapanao fa mahatonga ny sainao hotony.
- raha empoisoné indray ny vavoninao dia mila desinfecté-na , ary mila fantatra hoe inona ny poizina tafiditra tao.
Zay fa mahazahoa fahasalamana.





Tsy azoko kely lay hoe microbe e,mba mila fanazavana kely!Misaotra!
15. patrick2002 ( 04/05/2008 13:31)
microbe ,mety hoe virus ,na bacterie ,azo avy @ toaka tsy fermenté tsara ,na sakafo maloto ,Oh sakafo amoron-dalana .
Toaka ,asa na fantatrao fa ny toaka dia azo avy @ ranom-boakazo fermenté ,oh ranom-pary ,ny ranom-boaloboka
Ny processus de fermentation indray dia azo avy @ zavatra anankiray (voakazo) lasa lo (pourri) dia iny lasa microbe manao an'ilay fermentation ,
misy anefa ny microbe mahery ka tsy lefy ny heriny (tsy mety maty)avy eo ,rehefa tonga any anaty vavony dia mandoaka ny vavony.
NB Tsy specialiste izao fa fanazavana tsotra no ataoko ,ka ny terme ampiasaiko dia mety tsy mifanaraka ,fa ny tiana ho lazaina dia mazava angamba .
16. Zina ( 04/05/2008 23:27)
ary manao cure misotro rano? dia mifady hanina kely, sakafo tena leger no hanina.. tsy misy menaka sy hena. ny vanony no tena important @ organe rehetra ka ra io no marary dia mile mieritreritra tsara izay ahasitrana azy aingana...
17. niryna ( 09/05/2008 20:05)
karinah:

; ny heritreritro dia ilay soupe mety nihasimba satria efa 2 semaine no tao anaty frigo , tsy vitan'izany fa tsy nafindrako tanaty gamelle lay izy fa navelako tao anatin'le boaty vy (conserve le izy) ,tsy mbola sorena sy narary tahakan'izany aho hà izay na-holombel anah, za nandeh tany am dokotera izany efa nihena 3kg ny poids -ko satria raha vao minana zvt kely (pizza oh, na saosy misy voatabia) dia mihôka mandoa, dia poma foana no mba nohaniko, nihinana salady koza zah fa vao may nanaikitra le vavony! rapidos enao Rakotofaly mijery dokotera fa sao nihinana zvt tsy nampoizina marina! naharary zah annn! sady ny kibo no narary ny vavony ny loha ihany koa! dia Gastro niafaràn'ilay izy fa na rano aza tsy nozakako, raha tsy mazaka rano koa enao dia gastro izay! Aza mangatak'andro, fa tondé mandehana malaky!!!

karinah sy rakotofaly a >
maro ny antony mahatonga ny aretina vavony ary ireo voalazan'ny namana ery ambony ireo,ny tena zava-doza dia rehefa tena mikiky ilay izy dia toa noana be foana ary milelalena be ny ao anaty ao,raha tsy voatandrina dia mandoa ra ilay olona ,jereo rehefa mivoaka ihany koa fa tonga dia mainty be ny kaka,efa voa mafy tokoa izay ilay olona ary tsy misy fanafody afatsy ny manatona hopitaly aianga fa mila ra ilay marary,mety tsy mahatsiaro tena mihitsy aza fa tonga dia badenina,efa tsy ampy ra izay ilay olona.
Maro ny zavatra tsy tokony ho hanin'ny olona marary vavony ,dia ny laisoa, izany ,ny zavatra sarotra levonina,ny anana manta,tsy azo atao ny mihinana aza na karoty manta na inona manta fa reraka ilay fandevonan-tsakafo,ny yagourt,ny ronono ,ny formage dia tsy mahazo ohanina intsony koa,ny voakanzo dia maro koa no tsy azo ohanina toy ny paoma ,ny voasarary,ny voaloboka satria misy asidra avokoa ireo ,mahazo mihinana akondro sy papaya anefa .
Mila matory tsara ary mila ampy torimaso,tsy mahazo manao tezitezitra fa maname stress ny vatana izany,ezahana atao ny mamela olona satria ny tsy famelana olona no mahatonga ilay hatezerana ary ezahana atao ny tsy mivaky loha,raha kristiana moa dia manankina ny fiainana amin'Atra ary mino fa raha tena mino azy dia ho sitrana tokoa(Isaia 53)
Fadiana ny mihinana sakafo manta,ny mihinana sakafo eny amin'ny arabe ireny,ny sakafo tsy masaka tsara,ny poivre ,ny zavatra masika,ny poivron,ny cafe,ny toaka sns,
Fanamboarana ny saina no zavatra iray lehibe,ary fadiana ny miaritory na manao asa tsy araky ny aiana.
Afaka manao fanandramana hianao fa ny laisoa manta,persily,ovy,cocombre miaraka atao jus dia manampy ny olona marary vavony. Ny liaisoa manta izany azo ohanina fa ny masaka tsy azo fa sarotra levonina,raha misy te ihinana ravitoto dia mila mihinana carbonetra kely izy miaraka ny rano alohan'ny ihinanany ravitoto ,raha tsy izany aza mihinana fa sarotra levonina

(l) niryna
18. papala ( 05/06/2008 13:24)
Mila mankany @ dokotore ianao fa mahafaty io aretim-bavony io. Atoroko ianao fa tsy manao publicíté aho akory an ! Fa ny zokiko vavy tena efa tapitra vitany tsianjery daholo ny fanafodin'ny dokotera fa tsy afaka, fa mba mandehana ianao mankany @ RIRA EO ANALAKELY. SAO DIA MBA AO NO MAHASALAMA ANAO OH NY ZOKIKO
19. manigasy ( 27/11/2017 06:34)
fanafody vavony misy rivotra;tantely+vahona+voasary makirana,tokono hihinana papay matetika sy ssoussa,baboho,angily,mangatsiaky be
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0843