ahitana karazan'olona eto, misy ireo ambony fisainana sy fijery, matotra firesaka, tsy ahitana disadisa. Eny fa na dia vazivazy fotsiny aza dia somary miavaka sy mihaja fiteny izany ry zareo.
misy ireo izay nahita fianarana saingy feno complexes angamba na mety misy nandratra ny fony taloha dia mivingavinga fiteny sy manambany ny namana ary tsy tara @ filàna ady na filambanona amin'ny mpisera rehetra, toy ny ary @ politika ary ohatra
farany, hita miandalana @ fomba firesaka ihany koa ireo tsy lasa lavitra aratsekoly ka manao valiboraingona, mora entimpo faly manompa sy manesoeso satria tsy ampy fahaiza-miresaka na miady hevitra. Tsy misy azo andraisana ny dinika entiny fa entin'ny fo mivoraka na fankahalana fotsiny, raha tsy izay dia mihanihany @ tsisy dikany.
Mitaratra @ fomba firesaka daholo ny lesoka na ny tombony ananan'ny tsirairay