olona tsy mahalala fomba

1. mmmhh ( 02/05/2008 07:15)
ahoana nareo @ le olona mitady ny olona ao an-trano izy de tsy mandodona, le olona @ tômôbil no teneniko eto an! fa mi- klaksônina be any ivelany any fotsiny, de ny tena no handrasany hivoaka ny trano, hanantona azy @ tômôbiliny
rah namana manko de efa fantatra hoe ranona izany, fa ndraindray tazanina avy aty olona tsy fantatra izao na le tômôbil aza tsy fantatra, mety hanontany zavatra fotsiny izy na anontany olona de mi-mpimpimp be any ivelany any fotsiny.
ôrany hoe oul tsy mahalala fomba zany izy ireny amiko.
Sa ahoana ???
novalian'i endrika01 ny 06/05/2008 06:42
2. ainaheri ( 02/05/2008 11:13)
tena tsy fahalalampomba alou ee,sady manao tsisy dikany oul,ra samy akama ndray tsy blem,f'efa ifanarahana sy mahazatra,fa ra oul tsy fantatra zany nefa tsy ivoka ny fiarany izy d azafady fa za tsy ivoaka aminy eo
3. fahamarinana ( 02/05/2008 11:24)
ainaheri:
fa ra oul tsy fantatra zany nefa tsy ivoka ny fiarany izy d azafady fa za tsy ivoaka aminy eo



:arrow: mitovy hevitra amin'ny ainaheri koa zà,dia andraso eo paloly hametaka lakoly raha hivoaka eo,tsy maika matoa miandry. :) (l)
4. dziana ( 02/05/2008 11:30)
Refa tsy handondona izy de avelao ao fa refa leo ve izy tsy hande na handondona .Sa oul bory tanana de tsy afaka mandona .Bizzzzzar!!!!
5. ainaheri ( 02/05/2008 11:40)
dziana> izy aza mapaneno kilakisaonina kou hahaha aona no bory tanana :-D :-D :-D
6. zoky ( 02/05/2008 11:47)
mmmhh> zatra mpanambany oll less zan a!
7. fasaly ( 02/05/2008 12:45)
saika hampiditra dinika otraotrzao ihany aho hoe fahalalam-pomba, torakizany koa ilay olona tonga miditra ao am efitra misy anao na any ampesàna io na ao antrano ka mbola tsy nifankahita...
iza no tokony hiarahaba vlou! ilay olona tonga sa ilay olona ao antrano????
izaho manao hoe ilay olona tonga no tokony hiarahaba vlou sinon tsy mahalala fomba izy....
8. mmmhh ( 02/05/2008 13:38)
zoky:
mmmhh> zatra mpanambany oll less zan a!

zany mintsy, rehefa tsy hivoaka ny tômôbiliny izy de avelako eo,

fasaly:
iza no tokony hiarahaba vlou! ilay olona tonga sa ilay olona ao antrano????
izaho manao hoe ilay olona tonga no tokony hiarahaba vlou sinon tsy mahalala fomba izy....

Mazava ho azy le vahiny no tokony hiarahaba volou, fa misy marina ny oul sasany enao indray no andrasany hiarahaba azy. Fa ndraindray rah ohatra ka misy vahiny ao an-trano de tsy hitako ny nahatongavany fa zà no tonga ao aoriany de matetika ndray ny @ iny zà no miarahaba aloha,
9. mirana5 ( 02/05/2008 15:48)
Olona lava lamosina kosa zany mijanona ao anaty fiara zany, dia aiza mamaly na raha sendra miakatra avy eo dia hitsio ny fitondra tenanay! 8O mazotoa!
10. niryna ( 03/05/2008 03:08)
hi,hi,marobe anie ny zavatra tsy tokony atao ataotaontsika e,ary misy manao zavatra tsy ampiheverana fa ny tena no mahita fa izy mody fanina indraindray.
Dia avelao izy hi -klaksona eo ,kopahy tanana fotsiny.
Ilay hoe iza no hiarahaba aloha dia betsaka ny olona ny tena foana no miarahaba aloha,tsy mampaninona ahy iny fa rehefa mikonjo amin'ny famaliana dia tsy maninona fa dia mitsika fotsiny aho fa tsy ho voatery hiarahaba.
:D dia ampy fa be ny olona manana olana ka tsy mahatandritandrina ny toetra ratsy tsy mety ataony dia isika no mandefitra fa tsy mahatonga aiza ilay fihetsika ataon'ny olona maha tonga fahatezerana
11. endrika01 ( 06/05/2008 06:42)
Avelao ao izy sy ny klasoniny,raha mahalala fomba izy mihidina ny fiara!Tsy hay hay na olon-dratsy jerena ianao manantona iny no tofiriny @ hazovy any,sady manakorotana fiaraha-monina,lasa taitra daholo ny manodidina dia enao ndray no ataony resaka refa avy eo we mba tsy mahalala fomba kou ny vahinin-dranona,nefa ianao koa aza mba tsy mahalala we iza lay miklakisona!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1846