NY RAZANA!!!
1. endrika01
(
30/04/2008 18:07)
Mba lasa dia lasa ho\'aho ny saiko hoe:Mba iza no namorona io teny io hoe RAZANA io,teny fohy nefa mamparikoditra ihany koa ny mandré na ny miresaka azy!!!
novalian'i endrika01 ny 01/06/2008 14:27
3. Koditra
(
30/04/2008 18:35)
nefa mamparikoditra
Aza mba ny anarako kely no asiana resaka fa tsy tiko an, ny endrika-ko aza tsy fantatrao akory.
:lol: :lol: :lol:
5. endrika01
(
30/04/2008 19:14)
Veloo:
:-D :-D :-D :-D zany ve?
Veloo>oouuu!Vao misy miteny hoe efa hivoaka eo ny RAZANA tonga dia mitsoaka hoatran'ny tsy teo!
6. Koditra
(
30/04/2008 20:02)
ka voatonona le oe Koditra dia ranga ny sofiko knou. Enao ko nga saro-tahotra otranah?
7. endrika01
(
30/04/2008 20:14)
Koditra:
ka voatonona le oe Koditra dia ranga ny sofiko knou. Enao ko nga saro-tahotra otranah?
Zah tena mihevitra we zah irery!Na olona fantatro zao aza no nodimandry tsy sahy mikasikasika na mandroso aloha ny rehetra!
8. endrika01
(
30/04/2008 20:19)
Koditra>mba tantarao we ny antony atahoranao RAZANA?De avy eo zah mitantara koa.
9. Mio21
(
30/04/2008 21:05)
RAZANA
Endrika01 : reto koa mbola misy fianankavianan\'io teny io : Taolambalo, faty, vatana mangatsika.
Iza @reo no tena mampitsangam-bolo?
10. endrika01
(
01/05/2008 03:30)
Mio21:Mio21>ny mandré lay teny we Taolambalo,faty,vatana mangatsiaka tsy dia mampaninona ahy firy!Fa raha vao lay we RAZANA dia tonga dia mamparikoditra be anah tsy fantatro mihitsy hoe inona no antony ka izay no nahatapa-kevitra ahy hametra-panotaniana we:Mba iza re no namorona io fomba fiantso ny Taolambalo,na faty na vatana mangatsiaka io we RAZANA?
RAZANAEndrika01 : reto koa mbola misy fianankavianan\\\'io teny io : Taolambalo, faty, vatana mangatsika. Iza @reo no tena mampitsangam-bolo?
12. endrika01
(
02/05/2008 11:36)
Vitsikakely>zah anié tsy nanontany ny hoe Tanindrazana,
fa kosa nanotany ny niavian'ny teny hoe RAZANA.
:? :? :(
fa kosa nanotany ny niavian'ny teny hoe RAZANA.
:? :? :(
13. razamble
(
02/05/2008 21:58)
Ny nihavian'ny teny hoe "razana" ?
• Fototeny andry : aza.
• Notovanana Ra- (toy ny anarana maro)
• Notovanana -na (matetika ny tovana malagasy dia -ka, -tra, -na)
Io fototeny "aza" io dia azo tovonana litera maro ka ahazoana fototeny fototra maro. Ohatra :
• mbaza (nahazoana ny notambazana)
• faza (=> fafazana)
• ngaza (=> tany ngazana)
• haza (=> mihaza lambo ohatra)
• kaza (=> kalaza misy tsofoka al)
• laza (=> olona malaza)
• maza (=> mazana na matanjaka)
• saza (=> sahaza miaraka amin'ny tsofoka ah)
• taza (=> tazana)
• vaza (vazana na vazavaza ...)
• zaza (zazakely).
Ny fototeny fototra banga eo ambony dia teny efa very satria tsy voakolokolo, na tsy hay, na fitenim-paritra, na any amin'ny anaran-tany sisa no ahitana azy.
Tsy izaho no namorona an'io famoaboasana ny fototeny malagasy io fa itpkl Ralison Rakotovao, akademisianina tamin'ny fotoan'androny.
Ny fototeny andry rehetra dia ahazoana fototeny fototra maro. Ohatra
• -aka- (baka, daka, faka, gaka, haka, jaka, kaka, laka, maka, naka, paka, raka, saka, taka, vaka, zaka)
• -ara- (bara, dara, fara, gara, hara, jara, kara, lara, mara, nara, para, rara, sara, tara, vara, zara
... Manankarena tokoa ny teny malagasy fa tsy ampy kolokolo sy fitehirizana.

14. Koditra
(
02/05/2008 23:22)
endrika01:
Koditra>mba tantarao we ny antony atahoranao RAZANA?De avy eo zah mitantara koa
Tsy fatatro oe refa maninona no atao oe RAZANA, dia rehefa maninona no atao oe faty na taolambalo.
Anisan'ny tsy matiko lolo t@ izy io ny nahafatesan'ny anabavindraiko izay natao tao atranonay fiandrasapaty, za t@ io vao 12 taona. Vokany : nandritran'ny 5 volana tanyoany aho tsy sahy miditra tao @lay efitrano intsony raha vao tsy misy olona miaraka amiko ao, izany arivariva izany moa d nofy zé itsofotsofoka ao, tsy nety afaka tao atsaiko ny fahitako azy nandrasana nitsotra teo ambonin'ilay nametrahana azy. Dia tsy tohizako lavabe fa ajanoko eo.
endrika01: enga anie ka enao no hofaty alohako afaka 100 taona, raha za no lasa alo dia aza manahy fa hovangiko sanandrosandro sady andefasako email ato anaty serasera. Hihihihihi
15. endrika01
(
03/05/2008 07:32)
De mifandefa email any am-pa...zany kou de entina any kou ny laptop hi hi hi,mampangoritsina!
16. endrika01
(
03/05/2008 07:52)
Ny nanomboka natahorako vao mandre io teny we RAZANA io aho, dia teo @faha 7taonako!Tadidiko tsara tsy afaka ato an-tsaiko,nisy razana nandalo teo @arabe!Ny tranonay amoron-dalana,le izy an-jaza angamba fa fohikely lehilahy 2 no nitondra azy,zah @io mitaiza ny zandrikokely,de ozizy aho we:snif::snif:mitovy @halavan\'i Lucile anga le vata-patyyyy!Ka inona ozizy nareo fa niherina io andro io de maty ny zandriko!Tsy narary tsy narikoditra.Tonga de niverina tao an-tsaiko lay zvt noteneniko!Maty atoandro izy de nalevina iny hariva iny,tsy sahy niditra tao an-trano aho,ny akoho rehetra sy ny gana,natory teo ambody fefy!Zah natory tao @Ramarie havakavana ihany,ny zandriko tao an-trano niaraka t@zandrin\'ny Dada!Tena hatr@io fotoana io ka hatr@zao de é é ié,tsy manao ah!
18. ishaam
(
30/05/2008 08:40)
Ny nahatonga ny teny hoe razana dia tsy haiko fa ny mahasamihafa ny razana sy ny faty sy ny taolambalo dia mazava tsara.
Ny razana no laharana fahatelo faratampony eo amin'ny finoana Malagasy (faharoa amin'ny faritra sasany eto Madagasikara). Zanahary no farantampony nahary ny hita sy ny tsy hita rehetra, andriamanitra na koa hoe andriana manitra na koa hoe razan'andriana no faharoa ary ny razana no fahatelo.
Tsy ny olona maty rehetra no lasan-ko razana fa izay vita fomba ihany tamin'ireo faty mendrika. Ny olona maty tsara levenana no lasan-ko razana ary inoan'ilay ankohonana na ilay fianakaviana nanao ilay fomba fa hitahy azy mianakavy rehefa tafita ka tonga razana. Io no azo antsoina isanandro amin'ny filàn'ny Malagasy teo amin'ny fiainana andavanandro sy ny fiainam-pinoany. Ny razan'andriana (matetika manana doany) kosa no anatonana rehefa lehibebe na zavatra sarotsarotra no angatahana na ilaina satria io no hainoan-teny kokoa amin-janahary eo amin'ny finoana Malagasy.
Ny faty dia ilay vatan'olona tsy misy aina intsony ka atao hoe maty. Rehefa maty ny olona dia tsy mahavita n'inon'inona sy tsy afaka manao n'inon'inona ary ny fanahiny dia miriaria tsy misy hery ka ny velona no miasa sy manao ny fomba rehetra mba hahavelona azy am-panahy ka tonga razana (hitahy).
Ny taolam-balo dia ilay taolana sisa aorian'ny fihintsanan'ny nofo lo sy lasa vovoka, voafehin'ny rohy valo manambatra ny taolana rehetra eo amin'ny vatan'olona araka ny fandalinana Malagasy.

19. voniala
(
31/05/2008 14:37)
marina daholo zan rehetra zan fa mba sainonareo kely hoe moa nareo ve nisy raha tsinisy RAZANA na RAZAMBE kou inona no atahorana zan!ôtran matahotran'ny ray sy reninareo ihany nareo rah zan!
Ny faty aza no tokony hatahorana fa tsy ny RAZANA satria ny faty mbola MISY MITSANGANA any @ faritra sasany eto @tsika koa aza saritahotra zany akia ry ENDRIKA!
Ny faty aza no tokony hatahorana fa tsy ny RAZANA satria ny faty mbola MISY MITSANGANA any @ faritra sasany eto @tsika koa aza saritahotra zany akia ry ENDRIKA!
20. endrika01
(
01/06/2008 14:27)
voniala:
marina daholo zan rehetra zan fa mba sainonareo kely hoe moa nareo ve nisy raha tsinisy RAZANA na RAZAMBE kou inona no atahorana zan!ôtran matahotran'ny ray sy reninareo ihany nareo rah zan!
Ny faty aza no tokony hatahorana fa tsy ny RAZANA satria ny faty mbola MISY MITSANGANA any @ faritra sasany eto @tsika koa aza saritahotra zany akia ry ENDRIKA!
hita wa fa tena kanosa be zah,tena marina e,ny mba nanatrehahako famadihana izao ,d'efa t@1990 tany ho any fa tao afaran'io tsy nandeha mintsy,shuuut,afabaraka @havana mintsy e,tsy mba mahalala an le we,ao avaratra zany hono ny ray aman-dreny be avy @ ndranona sy ranona ,ao atsimo ,sns,sns, tena angamba de ho fay fay mandraingiraingy raha sendra,voahatso ka tsy misy olon-dehibe manondro zay tokony hatao!
tena serieux zany e,tsy vazivazy!zao zah vao manenina we naninona zah no
tsy mba liana taloha zao dondrona be tsy mahalala zay atsimo sy avaratra,
zany vao mandalo @tanana misy fasana zany mou de tena lasa amboroha
mintsy,hi hi hi,de mody mifanjana be refa any Abanivohitra ka irahina manatitra sakafo masaka na voankazo na zavatra ka ao @ le havana misy fasana eo an-tokontaniny!vita mihintsy ny mandainga we tsy misy olona fa efa nandondona,
nefa inona koa fa teo am-bavahady fotsiny no nanarangarana!angah tsy loooooozzzzzaaaaaa eeeee!vonjeo
:-P :-P :-P