Madagasikara Manentana ny kolontsaina ho fampivoarana

1. nygasysoafifameno ( 30/04/2008 14:43)
MIARAHABA MIANTSO MANASA anareo Malagasy eto Madagasikara na aty ivelany mba hamangy amaky ny site
http://www.madagascar-animation-culturelle.net
Mila aina vaovao hay fijery fandinika fitondrana fanentanana matotra sy mahasoa kokoa i Madagasikara. 48 taona ( 1960 - 2008 ) izy izao niandrandra fampivoarana tamintsika zanany.
Aza adino ary io site io ary ampitapitao ho fantatry ireo Malagasy rehetra e !
2. leboda ( 19/11/2008 05:20)
Ankafaliana sy ampanetretena no mba itondrana ny hevitra eto.
Inona tokoa moa ny angovo anaty mampandeha ny olon iray sy ny manodidina azy? Ny kolontsaina no sisa tavela rahefa lasa avokoa ny zava-drehetra hoy ny fitenenana izay.
Io kolontsaina io no hery fanoitra mitondra satria ao daholo ireo Soa toavina nifandovana ka ananana izay fomba fijery sy fisainana miatrika toe-javatra mitranga na atrehina isanandro.
Mbola manana izany kolontsaina izany ary ve isika malagasy? Eny tsy ampisalasalana ny valiny saingy hatraiza no mbola ivelomana azy ankehitriny?
Raha tonga teto antanindrazana ny fivavahana dia nolazaina fa asan\'ny demony sy Satana ny fomban-drazana ary nohamafisin\'ny fanabeazana sy fisainana tamin\'izany fa efa lany andro izany fomba amam-panao izany.
Dia nanao izay ho afany ireo mpanjanaka satria isan\'ny tetikady izany tamin\'izany fotoana izany ka ny fomba amam-panao frantsay sy tandrefana no filamatra ary nosokajina ho mihemotra sy tsy liam-pandrosoana izay tsy mianatra sy tsy manaraka ny fomba rehetra tamin\'izany.
Lasa ny mpanjanaka ary mahaleo tena isika efa 48 taona izay. Inona no zavamisy?
Ny fivavahana tsy naharesy lahatra satria amin\'ny andavanandro dia mampiseho fomba sy fiainana sadasada ireo kristianina ka tsy afaka mampiseho ilay fiaraha-monina voalazan\'ny Asan\'ny Apostoly fahizay.
Etsy andaniny ny fomba frantsay tsy afaka nosalorana ny fombany satria akanjo tsy sahaza antsika.
Inona ary izany no atao? Fa inona no fiantraikan\'ireo?
Tsy mety mandroso isika, nefa ny harena ananana misy, ny olona sy ny fahaizana misy be dia be ary isika malagasy no voalohany aty Afrika.
Ny antony tsy misy sahy mamaky bantsilana dia ny fahaverezan\'ny kolontsaina na ny marina kokoa dia ny fahasimban\'ny rafitra anaty ao amin\'ny aty fanahy.
Mitovy amin\'ny Solosaina isika raha oharina, ka efa nisy rafitra (systeme) ao voajanahary.
Samy niezaka ny Fivavahana sy ny fanabeazana tandrefana nanova io rafitra anaty (fisainana) io fa tsy nety niorina lay izy fa misy tsy mety mifanaraka (incompatible).
Inona ary no atao? Mbola ao aloha io rafitra anaty io fa mila diovina fa be izay otrikaretina nikiky azy tao izay (virus). Ny fifampidinihana amin\'ireo Ray aman-dreny akanga sisa nanamborana sy ireo manam-pahaizana mikirakira izany mba hahafantarana marina ny tena nisy tamin\'izany sy ny hevitra tao ambadika rehetra (ity no tena zava-dehibe).
Hivoaka ireo Soa toavina nimatimatesan\'ireo razantsika rehetra. Dia halalinina izany ary jerena ny fanasivanana azo atao.
Izany hoe tsy kasihina lay rafitra anaty maha-malagasy fa ireo Soa toavina na hairaha sy haizatra no karohina ny hifanarahany amin\'ilay rafitra anaty eo.
Iverenako lay ohatra mikasika ny Solosaina iny hampazava ny tian-kambara : tsy ovana ny rafitra anaty malagasy (systeme) fa lay Soa toavina vaovao na ny hairaha sy ny teknika no tefena mba hifanaraka amin\'ilay rafitra ka tsy hanimba azy. Raha adika amin\'ilay solosaina teo dia ny fahafahan\'ny \"Microsoft Office\" ampiasaina amin\'ny rafitra \"Macintosh\" sy ny fahafahan\'ny rafitra \"Windows\" mampiasa ny \"Adobe Photoshop\" ary toy izany koa ny rafitra \"Linux\". Fanajana ny fisian\'ireo rafitra ireo sy ny safidin\'ny mpanjifa izany rehetra izany.
Toy izany koa ny tiana resahana eto. Hajaina ary asongadina ny kolontsaina malagasy rehetra. Anjaran\'ireo Soa toavina hafa, ireo hairaha hafa, tosakevitra isan-karazany no mampifanaraka amin\'ilay rafitra malagasy.
Ajanoko eto aloha fa miandry ny valin-kafatra aho sy ny fanontaniana mba hahafahan-tsika miady hevitra.
Amin\'ny manaraka indray e!

3. kantolalaina ( 08/02/2009 07:24)
:lol:
mbola maro amintsika malagasy no tsy manam-pahaizana , sady tsy ampy fahalalàna no tsy ampy fitaizana . Tsy vitsy amintsika koa no tsy nandalo an-tsekoly , nandalina ny mba hatao oe inona tokoa moa ny atao oe kolotsaina na oe midika inona moa izany oe fampivoarana izany . Maro koa ireo ray aman-dreny tsy manoro akory ny zanany na amin'ny fitondratenany , ny amin'ny lafiny fiaraha-monina fa heveriny fa mety daholo izay ataon-janany ka tsy maka sarotra .
Raha ny toe-draharaha misy eto amintsika no asian-teny dia simba voaloany amizany ny ho avin'ny tanora vao misondrotra satria simbasimba ny rivotra politika ny fianarana , eny na dia ny niveau de vie any aza .
Zao no tsarovy ary aza adino fa ny mpanao politika rehetra na iza izy na iza dia manankarena ary ny zanak'izy ireny dia mihaina ara-dalàna , fa isika izay miady mafy miandrandra fiainana mbola ela vao tafavoka ny ala , ry zareo mantsy manankarena hatramin'ny taranaka faramandimby fa isika mety mahantra rapitso , na vary iray kapoka aza tsy voavidy satria sady tsy an'asa isika no tsy misy atao , sady ny ray aman-drenintsika koa tsy dia be karama firy , mba diniho ihany koa fa ny zaza madinika ange tsy mahalala an'izany atao oe grevy izany e! tsy misy tombotsoa ho atsika olo-tsotra ny mitolona na ho an'iza na ho aniza , fa crise foana no valiny zay atao , ny tsara atao mba hampivotra antsika dia ny fiarovantsika ny ho avintsika tsirairay , arovana ny asa tsy voaroka fahatany satria io no ahitantsika vola , ilofosana ny fianarana satria io no ahitantsika ny valisoa dia ny asa izay ilaina izany , arovana ny tokatrano satria io no harenantsika , ny zanaka atao tsara taiza ,
jereo tsara fa tombotsoa an'olona tokana ve amonon-tena dimy minitra avy eo voatifitra enao noho ny tolona , iza no voa ny zanakao , tsy mahita anao tsony , tsy misy mpiahy tsony , dia iza no jerena amizany ny mpanao politika sa ny zanakao , dia ho foinao ve ny vady amanjanakao eny na dia olo-tinao aza hanaovana tolona na rariny na tsy aminy rariny , tadidio fa ianao mba nantenainy tarakao amonjy azy no lasa tsy hivotra mintsy ny fiainatsika fa miamaro ny mahatra , jereo ireny zaza mangataka ireny , ra tojo amireny moa ny zanakao nefa ianao lasa vovoka noho ny ady izay noheverinao fa hamonjy ny firenenao dia zava-poana izany , raha mitolona ianao androany tsy hivaly rapitso izany fa raha ny zanakao no mitaky zavatra aminao dia misy valiny eo ho eo satria io no tena sarobidy aminao , koa entanina ary isika tanora hifantoka ny fianarana ny asa fa io ange no tena manavotra antsika e! ra very asa sy tsy manana fahaizana isika dia hanao inona fotsiny , isika tsy ho mpanakarena mitovy ireo mpanao politika ireo fa olo-tsotra mandrakizay , aza mety ataon'izy ireo saribakoly isika fa raha misy ny sakoroka dia ny mpanao politika mahita lalana andosirana fa ianao mamoy ny ainao , ka noho izany aza manaiky matimaty foana fahatany , fa aleo maty aminy fanetretena , ekena fa tina ny tanindrazana nefa aza vonoina amizany ny tenanao fa mbola misy ny olona miandray ny protection avy aminao dia ny vady aman-janakao izany na ny olo-tianao
dia mahereza ary mivavaka ho taninao dia ezaho manao soa ny olona akaiky ny fonao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3282