Politika ve izany midika resaka adala sa mpanamoly ?

1. Jeankely ( 30/04/2008 06:00)
Na voalaza fa manao ny tsy mety aza ny mpitondra Malagasy araka ny fijerin'izay tsy mankatoa dia mihevitra kosa reo fa manao ary mihezaka ny hampandroso. Tsy mety kosa anefa ny mitsara tena ary izay angamba no antony hisian'ny mpanao "audit" na "evaluation" avy ivelany. Raha mitaraina ny olona dia rariny saingy midika koa ve izay fa resaka mifoka rongony no tena fitarainana. Sao izany koa no tena tsy mampandroso. Ao ny resaka hanala kilaoty, hampidirina koa ny hitondra slipy maloto. izany hoe anaovana fitaona mba halotobe izany vao atsipy? Tsy fantatra mihintsy hoe ho aiza ? Ny sasany miezaka, ny sasany laozany manamoly, mangalatra, manao risoriso avy eo izay voa miraviravy tanana ary ny firenena iray manontolo samy taraiky.
novalian'i Jeankely ny 01/05/2008 01:09
2. ranitse ( 30/04/2008 09:19)
Arakaraka ny resaka tian'ny mpiserasera andraisana anjara no ahita ny fotompisainan'ny maro sy ny zavatra takany ary mahaliana azy. Rehefa resaka tsy dia manjary no tena tian'ny mpiserasera dia mety ho taratry ny fandrosoan'ny firenena ihany koa izany. Raha ny manao resaka moly no betsaka dia mpifoka rongony ny akamaroany. Raha ny resaka vetaveta no mahoraka dia variana amin'ny resaka vetaveta ny maro izany. Raha resaka fety sy fampisehoana hirahira no heverina hampandroso dia mety be mpanankato na tia hanala azy. Taratry ny fahaizany sy ny mety ho avin'ny firenena ny halalin'ny resaka miodikodina.
3. Jeankely ( 01/05/2008 01:09)
Ekeko izay ary tsisy afaka manery fa izay tian'ny mpiserasera no ataony. Samy maneho ny heviny ka rehefa manidina fa tsisy dikany dia izay misy lanjany amin'ny mpiserasera no raisiny. Raha mifanohitra ny hevitra azo atao ahoana moa fa dia izay tian'ny maro no tsy maintsy arahina. Ka na resaka slipy, na resaka ody, na resaka vehivavy atao kilalao, na resaka demony lava rambo no malaza dia izay ilay izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0898