Hiala aho

1. rabaradaka ( 26/04/2008 14:05)
Hitako fa tsy mahatanty ady hevitra ny mpiserasera, tsy mahagaga izany satria ny demokrasiantsika malagasy dia demokrasian'ny mpanan-karena ka izay be vola no mahazo laka. Izahay tantsaha moa ho aiza fa dia izao fotsiny : hiala aho ary mitaona ny rehetra tsy hiresaka politika izany eto. Minoa fotsiny ihany ary mahereza manaiky ny miasa miaraka.
novalian'i Jeankely ny 26/04/2008 23:49
2. saranga ( 26/04/2008 14:14)
Zao nama, nareo borizano reo mpiatsaravelatsihy, manao vazaha mody miady sa karakory ? Aza miala nama fa tojotanintsika ity a ! Manakevitra tsara anao fa aza mora décourage.
zay nama rabaradaka
3. Jeankely ( 26/04/2008 14:37)
tady hitsoaka ve borizanon'i saranga :-D :-D :-D .
Ampianaro azy ny tsy hiala oooo tsy hiala eeee. jomaka mandendendebe
4. Papoose ( 26/04/2008 22:18)
mitaona ny rehetra tsy hiresaka politika izany eto


hey, dinika no atao eto de zay koa no tena anton-dian'olona eto ka sarotra ihany zany!
5. Jeankely ( 26/04/2008 23:49)
Milaza ny Filoha Malagasy 5 V rabaradaka tsy mahalala maty. Miteny fa TIM hiringiriny ary matahotra ny ahasimba ny TIM ka manintsy azy mimokomoko mamely. Avy eo ny olontsotra indray no lazainy TIM sahala azy rehefa tsy mifanandrify @'ny tiany.
Rehefa tsy nitovy ny hevitra dia ny mombamomban'ny sasany no aoaka eto izay zavatra tsy ao anaty lalana sy fepetra akory. Koa iza no mikonetaka ny miteny ny lalana sy fepetra sa ny mametaka zavatra tsy ara-dalana ?
Lazaina esorina ny kiloty dia mitondrotra any @ biraon'Ambohitsirohitra. Iza no namafa izany fa vao mainka lasa fampiomehezana aza.
Koa iza no tena tsy mahatanty demokrasia ? Ary ampitambazana hijanona angaha ny olona satria misy saina hanoro ny vendrana ?
Raha leo aho miala tsisy hisarihiko ny hafa. Zatra loatra nitarika olona hifidy TIM ary tia hisarika oloka hiala TIM indray. Olona tsy mazava.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3956