Tsy Ra8 mihintsy no namorona NY MIASA MIARAKA akory

1. Jeankely ( 25/04/2008 09:45)
Raha toa ka misy olana ny fitondrana dia ny mpitondra no mety misy olana fa tsy ny fitenenana. Tsy Ra8 mihintsy ohatra no namorona ny MIASA MIARAKA nefa rehefa misy tsy tia ny fitondrany dia ny fitenenana no lazaina diso. Miasa ary ampiasain'ny rehetra eran-tany io fa tsy ny Malagasy no namorona io. Raha ny Malagasy t@'ny andron'i Andrianapoinimerina nanao ny Betsimitatatra aza efa nampiasa io. Ny fampandraisana anjara ny vahoaka amin'ny ho aviny dia io daholo fa tsy vao latsaka avy amin'ny fisian-dRa8 akory. Na hanova Prezida na hitazona tsy maintsy hitady izany hoe MIASA MIARAKA IZANY.
Ny mindrana fitenenana tsy milaza fa tompon'ilay fitenenana.
novalian'i Jeankely ny 26/04/2008 14:41
2. tsoraka ( 25/04/2008 10:09)
Samy manaraka izay malaza daholo re leiry fa tsisy namorona izany a. Boky mena aza nadika tany amin'ny zavatra vitan'olona tany fa mody asiana fokonolona fotsiny.
3. dziana ( 25/04/2008 11:23)
Sady na Ra8 no eo na iza dia tsy maintsy hoe MIASA MIARAKA foana nge e! Ohatra koa hoe MAP sy hoe TGV :
MAP: Machine haingampandeha
TGV: Train à Grande Vitesse
Dia tsy maintsy hoe "Miasa miaraka " foana e .Toy ilay hoe " Ento miakatra ity firenene ity ; Dia maninona nefa!!!!! .Sa hoe Oie oie ... Dia inona ko ny manaraka :roll: :(
4. Jeankely ( 25/04/2008 11:42)
Ny iray voalohany tiakao hambara izany dia ilay toetran'ny sasany manimba fitenenana. Raha misy olana amin'ny tsy fahaizana manatanteraka dia io tsy fahaizana manantanteraka io no resahina fa tsy ilay fitenenana no hanaovana fampihomehezana. Satria tsy maintsy hampiasa io hoe miara-miasa io na iza na iza satria tsy vita irery ny fampandrosoana firenena.
5. mxr ( 25/04/2008 12:00)
«Se réunir est un début ; rester ensemble est un progrès ; travailler ensemble est la réussite.»
[ Henry Ford ]
Mba ho fahalalana ankapobeny ho antsika fa tsy dia hoe fidirana @ resaka akory
6. Jeankely ( 25/04/2008 12:24)
Misaotra anao ary ampetao ny taona fa mazava tsara izy @'izay.
7. Jeankely ( 25/04/2008 12:58)
hahahaha ampiako koa hoe tsy Frantsay io akory an. hahaha
"Coming together is a beginning. Keeping together is progress. Working together is success"
Henry Ford: American industrialist and pioneer of the assembly-line production method, 1863-1947
Koa raha toa ka misy tsy tafavoaka ny ataon'ny Malagasy samy Malagasy tsy mahay mifampitantana dia aza ny tenin'i Henry Ford no lazaina folaitra. hahahha

(http://thinkexist.com/quotation/coming_together_is_a_beginning-keeping_together/146314.html)
Rehefa tia handona an'ny Presida dia izy domina fa tsy mahavoa an'i iry Amerikanina iry ianao. HIHIHI. Sa mahay noho io koa ?
8. rabaradaka ( 26/04/2008 14:00)
O ry dadatoa jeankely a, ianao ve hiasa miaraka amin-dry Zafy Alibera sa ry Lecacheur ? Zao mantsy Ra8 efa manomboka tsy tehiarahiasa amin'olona intsony Dakany daholo ny akamany manahy aho fa i Lalao mety ho lasa koa
9. Jeankely ( 26/04/2008 14:41)
Inona no raharahin'i berta borivolo an'izany. Izay lasa lasa. :-D :-D :-D . Ny tantsaha tsy mbola tany fa ny misandoka tantsaha no avy nilelaka tany :-D :-D :-D :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2083