Fivarotana sipakely!!

1. badboy ( 22/04/2008 12:26)
MALAGASY

Fanolanana
Vehivavy lehibe mpanera ankizivavy kely


Renim-pianakaviana iray manambady aman-janaka no nosamborin'ny zandary ny zoma teo, noho izy manera amin'ny fikarohana tovovavy hiaraka amin'ny lehilahy iray efa mananika ny 45 taona. Tao amin'ny tananan'i Mangarivotra-Soavinarivo, kaominin' Ambatolampy-Tsimahafotsy, no niseho ny tantara. Kopaka isasahana mihitsy ny azy roa lehibe ireto, raha ny fanazavana azo, satria mahazo ny karama kely tandrify ny asany ilay renim-pianakaviana isaky ny mahita ankizy hiaraka amin'ilay lehilahy.
Tovovavy manodidina ny 13 ka hatramin'ny 16 taona eo no tena jokoin-dramatoa amin'io resaka io ary efa hatrany amin'ny fiandohan'ny volana marsa tany no nanombohan'ny
asa ratsiny. Tsy latsaka ny dimy izao ny ankizivavy kely voajokony ka nomeny an'ity lehilahy lehibe ity.
Ankizivavy kely iray tao an-tanàna no nipoiran'ny raharaha ka nahatonga an'izao fahatrarana azy roa lehibe mpiray teti-dratsy izao. Rehefa nahatsapa zavatra hafahafa tamin'ny fitafian-janany mantsy ny renin'ity zaza, dia namotopototra azy ary teo no nitantarany tamin'ny antsipirihany ny fandehan-javatra rehetra. Niara-voasambotra tamin'ity renim-pianakaviana ity ihany koa ilay lehilahy lehibe
mpanimba zaza bodo.

Nirina Rakotoson
Date : 22-04-2008

http://www.lexpressmada.com/index.php?p=display&id=16983
2. Rafahafahana ( 22/04/2008 12:45)
Mba hafa indray izany fikaraman-dramatoa zany an!!!
3. ainaheri ( 22/04/2008 12:57)
gravy ndray zany bizina zany kle,entin'lé fiainana kou le ankizy d miroboka @ zvtr tsisy dikany,na inn ny fomba firesak'ilay ramatou tsy tokony ho tafiditra @ zany izy, na izany natsy zany ny ankizy @ zao ftona kely veta, sady tia andrakandrana
4. xxx ( 22/04/2008 13:13)
ny "proxénétisme" dia asa misy efa hatrin'ny ela. fa mety izao izy vao manomboka miparitaka any ambanivohitra surtout any amintsika. ka tandremo, fadio.Ny olona "vulnérable" no tena mora tratran'izy ireny!!!
5. kiadi ( 22/04/2008 16:04)
tsssss! tokony mavesatra ny sazy mahazo andreo olona reo
6. tess ( 22/04/2008 18:22)
efa nisy hatrizay elabe izay io fanolanana zaza tsy ampy taona io any amitsika fa izao vao manomboka miresaka azy io...asa naninona taloha no nangina.....?
7. Aino ( 22/04/2008 19:02)
arakiny efa voalaza dia ekena fa efa ela tokoa no nisy anio ary tsy ho voaringana hintsony ny fisiany! fa ny tsara dia manome sazy mavezatra an'ireo izay manao azy.
8. ainaheri ( 22/04/2008 19:03)
tess>> ka le zaza aza anie saika hangina raha tsy tratran'ny bofy ny kilotiny e lol
9. melody ( 22/04/2008 21:20)
mampalahelo ilay tantara, halaivo sary an-tsaina fotsiny hoe ny zanakao no tratra toy izany, marikoditra izaho mieritreritra izany... tena mila sazina henjana tokoa ireo olona ireo.
10. Belami ( 22/04/2008 21:30)
aina : betsaka ny cas ohatrizany, misy voany aretina le zaza dia tsaboina vao hita hoe hay efa nanao firaisana dia manaraka ny enquête avy eo.
11. kiadi ( 22/04/2008 21:31)
ny lelah tratra manolana sipakely tokony tonga votsirina
12. Jeankely ( 23/04/2008 04:49)
Angaha tsy nareo no tena mpijoka sipakely :-D :-D :-D :-P :-P :-P
13. endrika01 ( 05/05/2008 14:18)
Ka mety ireny sipakely ireny,voafetsy fa tsy hoe kely veta;raha eny @tanan-dehibe aloha dia mety ho marina izay,fa ny eny Ambanivohitra anié mety fetseny é,mody ivarotany kavina tsara tarehy,rojo akanjo dia mody hoe ary misy hafa bobaka be sns de le Rangahy iry efa miandry ao,ny zaza mety tsy ho sahy hitantara @ray aman-dreny nohon\'ny tahotra,dia aleo tazomina mangina satry koa mety efa voarahona!Voatavo kely tsy mifandraka ve no atao an zany?Efa lomorona toe-tsaina,na mamy toy ny tantely aza ilay fitiavam-bola ny lela tsy atao jono,ary io lehilahy io tokony ampanambadiana alika raha izany,angamba olona tsy nandia fianarana,tsy nobeazina,raha misy ny vola hanaramana olona hitadiavana sipakely ho vetavetaina,dia aleo omena ny fikambanana mikarakara zaza kamboty na kilemaina!Ny voninahitra ho azo ny tsodrano ny lanitra iraraka.
14. tstn ( 16/05/2008 14:27)
Manao ahoana daholo e!
@ la côte aza no tena betsaka ny tranga ohatr'izany.
ny sipakely vao misy nono dé tsy alefa mianatra intsony fa manampy ny fampidiram-bola ao an-trano. Indrindra rehefa misy vahiny mandalo ny tanàna. Fa ny mahagaga aloha lé iz efa ela no nisy, anefa na ny gazety aza vao t@ ity semaine ity no neneho izany (famporisian'y Reny iarahan'ny zanany @'ol) ary any Mahajanga any no tena betsaka an'io tranga io.
15. mpisotrtoaka ( 16/01/2015 06:23)
Salama daholo e ! Io tsy ho foana mandrapilatsaky ny afo handoro ny tany e ! Efa hatramzay io no nisy ary hisy foana fa samia mitandrina sy miaro ny zanany izay ts te ho tratra ! Izay efa zatra mivaro-janako moa dia manodiava azy ny ataony !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.233