Manomboka izao izany dia Bogosy ihany no atao Prezida Gasy

1. Jeankely ( 21/04/2008 06:41)
Tamin'izahay mbola kely raha lazain'ny olona hoe manao tarehy ministra dia tezitra satria tsy tian'ny ankizy ny endrik'ireo nolazaina Ngetroka tamin'izany. Sady marikivikivy, no mangarika, no be hatoka, no mpilalao vehivavy, no mpaka makorel, no kibotaina sy izay tohizanao. Koa ankehitriny izany avy dia ny tarehany ihany no resahana voalohany ve ? Toa efa nahare tanora niresaka izany aho hoe izay manja fidiana. :-D :-D :-D :-D :-D
novalian'i Jeankely ny 22/04/2008 00:08
2. kanota ( 21/04/2008 09:31)
Tsy mety izany satria samihafa ny fijery. Tsara ho an'ny sasany mohaka sy matsatsobe hoy ny hafa. Matsiro ho an'ny sasany be fofona ho an'ny hafa. Ny fitiavana loko koa samihafa.
3. Bigma ( 21/04/2008 12:57)
Ary raha ohatra hoe manao satroka penjy??? De aôna :-D :-D :-D :-D
4. Jeankely ( 21/04/2008 13:35)
Tsy mbola Presida izy dia efa satroka ny Penjy ka aza simbaina amin'izany ny tsenan'ny mpanao satroka. Rehefa tsy tafavoaka ny nanao penjy dia ny penjy aleo ho azo anaovana eny ihany. Rehefa misy olana koa ny maka teny ao Baiboly dia izay mitondra baiboly ve sahirana. Manja ny Malagasy Misatroka Penjy.
5. Belami ( 21/04/2008 17:47)
Dia mino ve Jeankely fa raha bôgôssy dia tsy hanana na ny iray aminireo toetra voalaza @ sujet ery ambony ireo ?
Fa inona marina aloha ny définition n'ilay hoe Bogosy e????

Lasa manao resaka discrimination nge ry Jeankely izany e :-w :-w :-w
6. Jeankely ( 22/04/2008 00:08)
Tsy JK no manao resaka discrimination fa manaraka ny fihetsikin'ny mpiserasera aho dia mahita ireo zavatra ambetin-dresany ary fanontaniana no napetrako fa tsy milaza hoe io no atao.
Izaho tsy Bogosy fantatro izany isaky ny mijery fitaratra aho :-D :-D :-D :-P saingy araho tsara fa rehefa hifidy an'i TGV ny vahoakan'ny Antananarivo RY dia naverimberina ny hoe ilay Bogosy fidiana.
Ny zavaa-misy no resahin-tsiaka ary tsy afaka miala ny zava-misy satria izay no ambetin-dresaky ry zalahy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1245