Tsy VOAOZONA fa DISO SAFIDY

1. Jeankely ( 18/04/2008 06:09)
Raha nihazakazaka tany @ sosialisma nefa tsy naharaka fa niala dia mazava fa diso safidy. Raha nampiditra Profesora nefa nampihinana paisomanta dia mbola diso safidy. Raha namerina ilay iraika lahy avy eo nifampitady ary tapaka hatramin'ny tetezana dia mbola diso safidy. HITARO NY SAIN'NY OLONA ARY AHALALA NY HO AVINY FA TSY ENTINA HAVIA HAVANANA FOTSINY.
novalian'i Jeankely ny 21/04/2008 13:43
2. ranitse ( 18/04/2008 12:37)
Mahay loatra ary hatrany amin'ny mpivarotr'anana aza tiana hanao politika mivilana.
3. Jeankely ( 18/04/2008 15:21)
izay ka. Ny adva koa mihodikodina sahala ny akoha voakopaka fa tsy hita hoe hianga sa haninona. :-D :-D :-D :-D :-P :-P :-P :-P
4. raplou ( 20/04/2008 14:44)
Tsy misy mpanao politika mahitsy izany eto ambonin'ny tany,fa ny fomba hanatanterahana azy no samy hafa.Ao ny mangalatra kely,ao ny manao be ambilany.Ny mpanao politika dia tsy maintsy mandresy lahatra ny vahoaka no ataony,satria izany no asany,ka na inona fototra hijoroany,dia tsy misy manao ny voalazan'ny vavany ny mpanao politika.Tsara ny hevitra haroso fa ny fanatanterahana azy avy eo no tsy mandeha amin'ny lohany sy vodiny
5. Jeankely ( 20/04/2008 15:30)
Ny zavatra vitan'ny Firenena hafa ry havana no jerena fa tsy ny Mpanao Politika maloto Gasinao a. Fa maninona no mivoatra ary misongadina ny fandrosoan'ny Firenena hafa ? Izay atao ao andoha fa tsy ny hoe Mpanao politika = mpandresy lahatra fotsiny.
6. Bigma ( 21/04/2008 13:05)
Ao ny mangalatra kely,ao ny manao be ambilany
Ao ny manao be am-paosy!
Ao ny manao be am-bava!
Ao ny manao be an-kitapo!
Ao ny manao be am-bata!
Ao ny manao be am-pataloha! :lol: :lol: :lol: :lol:
7. Jeankely ( 21/04/2008 13:43)
Na ianao aza mba tia hanabe ilay ao anaty pataloha mba havesadanja :-D :-D :-D
Ka tsy hasiana politika intsony ve izany no rediredy tokony handeha sa rehefa ny havana vao faly satria mba mahazo ranondranoniny ? Izay ilay toe-tsaina simba ary manimba tena fa tsy nisy nahahozona akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0071