voaozona ve isika gasy?

1. patrick2002 ( 18/04/2008 00:42)
raha dinihina ny tantara dia :
Tonga teo ny mpanjana-tany nisy ny mpanohitra nilaza fa tonga hanandevo antsika ny vazaha, nilaza ny vazaha tamin\'izany fa fampandrosoana no nentiny ,ary tsy misy nahavita ny vitany ,fa raha tsy nisy azy dia mbola nisalaka ny malagasy .
Niditra ny mpitondra PSD (1 er republique ) nisy ny mpanohitra nilaza fa saribakoly ny mpanjanaka ireo ary ,hampahantra an\'i malagasy ,satria terena handoa hetra na ny tantsaha madinika mitrongo vao homana aza, Tsy misy mahavita ny vitanay hoy ny PSD ,tamin\'izany fonctionnaire chef de service afaka mividy fiara 404 peugeot vaovao izay tena fiara luxe tokoa tamin\'izany andro izany 1968. Istuteure afaka mividy 403 fiara vaovao .
Niditra ny tolom-piavotana malagasy noentiny Amiraly Ratsiraka ,nianahantra ny vahoaka malagasy ,Tsy nisy nahavita ny vitanay hoy ny AREMA ,fa tsy nisy malagasy classe moyen afaka mampianatra zanaka any @ université raha tsy ny fitondranay ,na nampiana-janaka tany @ lycée aza sahirana taloha ny gasy ,
Niditra i Zafy Albert ,tsy nisy nahavita ny vitanay hoy Zafy Albert satria izahay ny fiandrianam-pirenena no ambony fa tsy ny tombotsoan\'i Banque Mondial na ny FMI ,nanana zo malalaka nitokona ny antoko-politika ,ary maneho hevitra ,tsy misy nogadraina .
Tonga ity i Ravalo , tsy misy nahavita ny vitanay fa jereo ny lalana vita ,na dia tsy misy fihatsarana ny tarehi-marika eo @ fahantrana ,mbola miha-mahantra ihany ny gasy ,gadraina izay mpanohitra mitady hitokona ,lazaina fa tsy hilaina ny miteny ny olana misy @ firenena ,fa raha tena ty tanindrazana dia vaha-olana homena .

Ny mampitovy anireo mpitondra ireo dia samy mangala-bato @ fifidianana indrisy , :roll: samy manao raha matahora (afa tsy Zafy) , samy nitarika ny vahoaka hilahatra ary fitokonana no niakarana teo @ fitondrana Ratsiraka 1972 nisy ny teteza-mita Ramanatsoa ,Zafy Albert 1991, Ravalo 2002 samy niteny tamin\'i fitokonana ,mbola tsy nahazo ny fitondrana fa ny vahoaka no andriaman-jaka ,nefa raha vao mahazo fitondrana dia mangala-bato ,ary milaza fa tsy misy fantany vahoaka @ raharaha-pirenena ,fa tsy maninona na hovaina ny safidiny ,Tsy te hahalala izaho na tsy tia ahy ny vahoaka hozy ilay raika lahy izay :oops: :oops:
raha nanontaniana Ratsiraka t@ nanaovany ny tolom-piavotana dia nilaza izy fa fantany tsara no mety hateraky ny sosialisma ,fa ny vahoaka no mitaky an\'izany dia izay no nanaovany ny sosialisma . :{ :{

ka mametra-panontaniana aminao izaho hoe voaozona ve isika gasy sa ahoana ?
répondu par Jeankely le 22/04/2008 11:02
2. Jeankely ( 18/04/2008 04:19)
Tsarabe ary manjohy ny tiako lazaina. Ny voazona kosa tsy misy fa ny sitrapo no mitarika any @ tsy fahombiazana rehetra. Ny vahoaka iza no nitaky ny sosialisma fa ny mpitondra no mitondra ny saina hitany tany ho any dia miala bala raha tsy mety ny tantana. Nisy fifidianana ve hoe Sosialisma sa Kapitalisma sa hiverin aho Zanatany ?
Ny zava-misy dia samy milaza ho olomanga sy mahay nohon'ny sasany nefa variana @'ny tsy fampandrosoana ny Firenena. Ny diplaoma no resahina fa tsy ny vitanao hoe hatraiza ny vitanao ?
Na hifampitady hifanaratsy eo na samy tonga saina hampandroso miaraka.Rehefa nofy izany dia samia mahatanty ny vokany.
SITRAPO NO MAMPAHANTRA FA TSISY NY OZONA
3. nanas ( 18/04/2008 13:49)
Jeankely:

Tsarabe ary manjohy ny tiako lazaina. Ny voazona kosa tsy misy fa ny sitrapo no mitarika any @ tsy fahombiazana rehetra. Ny vahoaka iza no nitaky ny sosialisma fa ny mpitondra no mitondra ny saina hitany tany ho any dia miala bala raha tsy mety ny tantana. Nisy fifidianana ve hoe Sosialisma sa Kapitalisma sa hiverin aho Zanatany ?
Ny zava-misy dia samy milaza ho olomanga sy mahay nohon'ny sasany nefa variana @'ny tsy fampandrosoana ny Firenena. Ny diplaoma no resahina fa tsy ny vitanao hoe hatraiza ny vitanao ?
Na hifampitady hifanaratsy eo na samy tonga saina hampandroso miaraka.Rehefa nofy izany dia samia mahatanty ny vokany.
SITRAPO NO MAMPAHANTRA FA TSISY NY OZONA



Inona ary zao ny fampandrosoana firenena misy amin zao ry zama Jeankely? tsy vao mihemotra aza ve? Aza ny diploma foana no asian zama comment eto, fa efa ny asa vitany zao no jerevana. Reny ny olona navitrika ery t@ 2002 hoe hanarina ny gasikara, notsipazanareo oditra-akondro koa inona indray! Dia avy eo indray nareo no milaza fa sakasakan ny hafa ny lalanareo. Nareo koa aloha tsy mahataty fifaninana zany mihitsy e! zay no mahatonga anareo manipy oditr akondro amin ny lalan ny hafa sy ny fikafika madinika rehetra. Te ho role angamba nefa mbola lavitra ezaka be !. Io mbola ho tonga saina ny 100% ny vahoaka e! zay fotsiny tadidio.
4. Jeankely ( 18/04/2008 14:58)
Esy eee!!! Ny vahoaka tonga saina midika mahafantatra ny hitondrany ny ho aviny fa tsy hitsapatsapa izay mampiresaka tsy mitondra inona. Raha tonga saina ny vahoaka tsy hanaiky taingenanao mihintsy azafady. Ngo owe ngo we
5. rabingogilabanga ( 18/04/2008 15:08)
tsy voaozona , fa tratran'ny faha-ravalo, sa fahavalo moa no filaza.

dia misy an'ilay lalao, sa miara-milalao

ka izay rehefa tojo ny haratsiana


solution, ialao na sarah moa sa sarah-o ravalomanana

sniff, sniff, tchouff, sao misy sisa tavela lay bozak'i toi ra jakta a!
6. Jeankely ( 18/04/2008 15:18)
Tsy miala io dada fa sao ny tena voazona mafy hatrany @'ny taranany no ho avy indray :-D :-D :-D . Kay moa ianao ilay tena mpivadika xxx. Tsarabe fafao ny lelo sniff sniff fa aza ny an'ny hafa no jerena
7. ravatorano ( 18/04/2008 15:28)
:-D :-D :-D
8. Jeankely ( 18/04/2008 15:50)
:-P :-P :-P :-P
9. patrick2002 ( 19/04/2008 17:02)
Ny mahagaga anie dia samy manao daholo izay mpitondra toga teo hoe tsy misy mahavita ny vitanay ,fa fitadiavana seza daholo ny an'i mpanao politika eo @ fitondrana ,nanao an'izany Ratsiraka ,
Izao indray Ravalo milaza fa tsy misy hahavita ny vitany ,ka haleo izy hifikitra eo @ fitondrana ,hatao daholo izao polifika rehetra izao ,mangala-bato ,lazaina fa tsy misy fantany vahoaka @ raharaha-pirenena ,Tsy te hahalala izao hoy Ravalo na tsy tia ahy aza ny vahoaka :oops: :oops:
Inona fa tsy nataony Ratsiraka ihany ,avy eo koa angamba hanao barrage ,sy hanapoaka tetezana :roll: :roll: aza hitako anie izany :{ :{
10. Jeankely ( 20/04/2008 08:31)
Na milaza izy hoe tsisy nahavita ny vitanay dia tsy mahagaga. Saingy oharina amin'ny vitan'ny firenena hafa ny ezaka fa tsy oharina @ vitan'ny farany vendrana. Io miady tsy ho gisitra io no tena loza.
Raha mianatra ianao dia tsy faly ny mitanisa hoe resiko kosa itsy farany itsy fa miezaka ny ho voalohany. Sahala izay ny mitondra firenena amiko. Nefa moa raha ny vendrana no betsaka dia mazava koa fa ampiresahan'ny misy saina kely izy satria mitonaka amin'ny ampoton'orony.
Raha mahafantatra ny ho aviny kosa ny rehetra dia tsy voapetraky ny mpanao politika. Matoa tsy ampy amidin'ny mpanao politika dia nohon'ny saina mandinika taraiky. Tsipazana vary @ kapoaka dia vita.
Tsisy ozona izany fa ny saina no tsy tia hivoatra ary manaiky ataon'ny sasany soavaly.
Izaho ohatra miresaka eto lazain'ny sasany fa TIM satria tsy mifanandrify @'ny tiany ambara. Ny TIM kosa anefa tsy mahafantatraahy na pitiny aza ary tsy fantatro akory hoe ahoana sy inona ity TIM. Ny ahy TEAM no fatako.
11. patrick2002 ( 20/04/2008 19:03)
fa aiza ra jeankely no misy vahoaka tsy te hafantatra ny ho aviny ah! ,iza no tsy te handroso ,amiko aloha dia fantany angamba fa tsy hisy hahavita azy ny mpanao politika ka aleony izay manome vary ray kapoaka azy no fidiny ,sitrany ahay mihinana androany ,fa rahampitso mbola hikaroka na iza mpitondra eo na iza.
12. Jeankely ( 20/04/2008 23:34)
Tsy haiko na ny tenanao sy ny ao antranonao tonga lafatra angamba no hitsaranao ny Vahoaka ka hoe "Aiza izy no tsy te ahafantatra ny ho aviny." Tsy mbola mifandray amin'ny tena sarambabe tokoa ianareo fa ny fonareo no miresaka. Olona mahalala ny hoaviny ve hanaiky ataon'ny olona hoe tapaho ny tetezana be izay vola tsy toko tsy forohana ny nanaovana azy dia hanaiky hanapaka ? na koa hoe manaova barage dia miadiva sy mifamonoa fa izahay no ahazo seza avy eo ? Ny zanakay afaka alefanay mianatra andafy fa doro izay kely anananareo ao @'ny University Malagasy ? Izaho miteny mpitrongo vao homana fa kosa raha homenao vary aza dia entiko saingy tsy hifidy anao aho. Efa hita koa izany feno hipoka i Mahamasina nefa TGV no nofidiany. Mihamahafantatra ny tokony hataony ny olona ary ho sasatra ny mpanao politika poakaty aoriana. Mbola misy ny hafahafa ka mifamono, ny zanany hita milaza nisy saika hangalatra dia vonona ho faty izay hita rehetra. Izany ve mahalala ny ho aviny sa romotra dromotra hamono fotsiny. Ho avy tokoa ny andro tena hampahafantaran'ny vahoaka @'ny mpanao politika rehetra fa mety hisy saina izy fa tsy rebirebena lava @'ny fahantrany mba hakana seza sy ho tengenana.
13. patrick2002 ( 21/04/2008 15:48)
ilay hoe notion ,mihintsy angamba no tsy mifankahazo ny resaka ,aminao izany rehefa avenior dia tsy maintsy tsara foana ? amiko tsy izany ,misy sarangan'olona eran'izao fotoana izao ilay mahafantatra fa ny ho aviny dia tsy maintsy mitrongo vao homana foana .na hoe hangataka aman'olona foana ,izany hoe tsy hivoatra mihintsy ,maro ireny olona ireny ao madagasikara ao ,ireny ilay rebirebena ary tsy manaiky mihintsy ka manao hoe tsy miala io ,tsy miala io :{ :{ ,fantany tsara fa izay hisolo an'io eo tsy hampiova n'inona ,nisy izany olona izany taminy Ratsiraka ,nisy izany t@ Zafy , misy izany @ Ravalo ,@ ireny olona ireny ilay tombotsoan'olom-bitsy fotsiny no miova ,fa ny vahoaka tsy miova.
14. Jeankely ( 22/04/2008 11:02)
Ka aiza no tsy hifandraisan'ilay resaka ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0338