Rahoviana ihany vao mba.....

1. badboy ( 17/04/2008 16:25)
Rahoviana ihany vao mba ny tombotsoan'ny vahoaka no ho tsinjovin'ny mpitondra fanjakana tonga eo, fa tsy ny fanenjehana fividianana jet privé na trano be na orinasa be ho azy sy ny fianakaviany???

Rahoviana ihany vao mba hanaja ny lalàna nosiniaviny sy naseny nofidian'ny vahoaka na ny antenienimiera ny mpitondra???

Rahoviana ihany ny vahoaka vao hahatsapa ny harenaben'ny démokrasia ka hiezaka ny hanarina ny firenena???

Rahoviana ihany vao mba hisy mpanohitra matotra ka hitondra zavatsoa ho an'i Madagasikara????

Ary, rahoviana ihany vao hifarana ny kikiakampahorian'ny tsy manakohanina sy ny tsy manatrano ary ny tsy manan'asa???

Rahoviana ihany vao mba ho tafita sy miala @ fahantrana i Madagasikara?????
novalian'i Jeankely ny 17/04/2008 23:38
2. lemenakely ( 17/04/2008 17:19)
badboy:

Rahoviana ihany vao mba ny tombotsoan'ny vahoaka no ho tsinjovin'ny mpitondra fanjakana tonga eo, fa tsy ny fanenjehana fividianana jet privé na trano be na orinasa be ho azy sy ny fianakaviany???

Rahoviana ihany vao mba hanaja ny lalàna nosiniaviny sy naseny nofidian'ny vahoaka na ny antenienimiera ny mpitondra???

Rahoviana ihany ny vahoaka vao hahatsapa ny harenaben'ny démokrasia ka hiezaka ny hanarina ny firenena???

Rahoviana ihany vao mba hisy mpanohitra matotra ka hitondra zavatsoa ho an'i Madagasikara????

Ary, rahoviana ihany vao hifarana ny kikiakampahorian'ny tsy manakohanina sy ny tsy manatrano ary ny tsy manan'asa???

Rahoviana ihany vao mba ho tafita sy miala @ fahantrana i Madagasikara?????


Asa angamba atsy ho atsy hoy ilay hira e
3. xxx ( 17/04/2008 20:52)
Tsy hita e!toa mahay manao kobaka ambava daholo ze tonga eo k'le ny amperin'asa @zao io tadidiko tsara ny teniny izy vao nisambotra ny fitondrana hoe: ho amoraina ny vidiny fitaovana fanantrano mba hanana trano ny vahoaka gasy snsnsn vô 3 volana izy teo d niakatra 60% ny vidin'ny ciment sy ny fer rond snsns .
4. Jeankely ( 17/04/2008 23:38)
Ny tsy manan-trano mba hampitranoy raha tena izy nareo. Ny noana mba omeo ny anjaranao raha masina nareo. Satria ianao tsy nisaina dia nanaraka ny hoe "hamoraina". F'angaha ny fanjakana no manao ny vidin-javatra ? Zavatra farany tsotra aza no nataon'ny fanjakana @'ny "frais"-ny bus sy taksibe mba ahoana no ataon'ny kaoperativa ?
Misy fotoanany ny zavadrehetra ka atomboy ny soa ataonao fa aza variana mitsongolika. Tonga ny fotoanany tsy maintsy miala izy na tiany na tsy tiany ary fantatry ny vahoaka ianao fa ahavita dia any aminao indray ny fitantanana. Ankoatr'izay fandrangitana fotiny fa tsy laa mankaiza.
Ny olona sasatra tsy kiviana sy tantaraina ny olana fa omena vahaolana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0668