Aleo hazava foana ny resaka
1. Mio21
(
16/04/2008 21:21)
Za dia mbola manamafy fa raha ireo mpitondra rehetra nandalo teo dia Ra8 (fa tsy TIM) no anisan'ny tsara sy azo lazaina hoe mbola manana taha ambonimbony kokoa na dia efa nihena be dia be aza izany raha resaka crédibilité no resahana, angamba nohon'ny tsy mbola fisian'ny olombaovao afaka hifaninana aminy angamba no mahatonga an'izany. Na izany na tsy izany, raha tsy voasariky ny mpanohitra hilahatra na higrevy ny olona dia tsy midika akory izany fa fitiavany na fankasitrahan'ny mpitondra @zao fotoana izao, ny ady @ fiainany andavanandro, ny vola miditra mila tsy hahatody fandraisam-bola manaraka na dia efa mamehy kibo aza sns..., zay no lohalahara ny azy, efa samy naharovipataloha azy t@ resaka grevy sy fitokonana daholo ireo mpitondra nandalo rehetra ireo.
Noho izany, na iza na iza hitarika grevy eo dia tsy ahazo olona akory, fa na hisy vitsivitsy ho voasarika aza dia hiala any ny TTSn'ny mpitondra dia hivadika fandrobàna fivarotana na adin'ny samy sivily avy eo.
Mitadiava fika hafa sy matotra fa raha io dia tsy mahomby intsony e.

répondu par Jeankely le 19/04/2008 00:24
2. Jeankely
(
17/04/2008 09:18)
Fika hafa amin'ny inona ? Milaza raha tia hitaingina ny vahoaka ? Raha nahay ianao dia inona no mba vitanao ho an'ny vahoaka ? Sa mila vahoaka taingenana sy hatao tohatra hakana seza ? Tsy vonona ny hanome sorona ny ainy amin'ny poakaty ny vahoaka na sarotra aza ny fiainany. Poakaty mahazo seza vao mainka koa loza.
3. patrick2002
(
17/04/2008 14:06)
Na inona na inona aloha lazain'i jeankely efa mazava fa ,tsy mamy hoditra eo @ vahoaka intsony ny TIM sy Ravalo. Ianao rahateo efa miaiky fa tsy miala io na mamy hoditra na tsia , Miara miaiky izany isika sy ianao fa tsy mahavita azy Ravalo ,ny tsy mampitovy antsika dia ianao milaza fa tsy miala io satria tsy mbola misy ny olona hasolo azy , izao kosa mievitra fa tsy lany olo-manga i Madagasikara ,misy dia misy ny olona hasolo azy fa dia ,sakanana henjehana ,gadraina izay olona miseho azy mahavita ,ka hoy aho aminao hoe ela velona anie ny fahamasinana.
4. Jeankely
(
17/04/2008 15:39)
Olomanga amin'inona ? Ary nitondra inona ho an'i Madagasikara no milaza olomanga ? Tsy menatra ve ny ery lazaina silamo vendrana fa izahay kristian nefa aiza ny vitany, ny etsy akaiky nosy kely maharesy tonga hatraiza, ny maro aiza. Ny mahafinaritra anefa dia ny milaza favy sy olomanga nefa tsisy mivoaka. Sao mba lalimanga ? :-D :-P :-D :-P
5. xxx
(
17/04/2008 20:41)
Ry Kely zany koa anie d variana mahazo maminy any azia any d manao vayndrahalahy tsy marary eh! tsy hainao jaly mahazo ny gasy kely aty dago!d mahay miresaka ery efa nazavain'i patrick io ze milaza fa ho olomanga d gadraina ke inna koa, raha fav marina izy d omeo fahalalahana fotsiny olo hampiseho ny heviny raha mbola mamimbahoaka izy d tafajanona eo foana angie ry Kely eeeee! :-D :-D :-D
6. Mio21
(
17/04/2008 22:02)
Jeankely: Misaotra nanontany ny hevitro.
Tsy misy vola manokana miditra ato anaty paosiko na hanaratsy mpitondra aho na hanaratsy mpanohitra, rehefa manao ny tsy mety dia samy mahazo tsongo sofina, izay nahavita soa na mpitondra na mpanohitra dia omena fisaorana sy ho tadidy rehefa @ fifidianana manaraka. Anisan'ny hiangaviako anareo rehefa maneho hevitra ny mba hampiseho ny lafitsarany, ny lafiratsiny ary farano amin'ny fehin-kevitrao fa tsy hoe tiako ny mpitondra na ny mpanohitra dia ny tsara kely nananany ihany no habaribariko; na hoe tsy azoazoko ny mpitondra na ny mpanohitra dia ny ratsy kely vitany no hataoko sora-baventy.
Dia hoy enao hoe "Raha nahay ianao dia inona no mba vitanao ho an'ny vahoaka ? ", tsy niandry izay fahaizako aho fa tonga dia nampianatra hoe mahaiza mijery ny zava-misy, ny lafitsarany sy ny lafiratsiny dia makà lesona ary alaviro izay ratsy. Raha ohatra moa ka jamba sy vendrana ilay olona, tsy afaka ny hahita indray miaaraka an'ireo tranga roa ireo indray miaraka, akory atao, ny hendry ihany no anarina e.

7. Jeankely
(
17/04/2008 23:50)
Izay ilay izy. Ny hendry no anarina saingy ny hendry koa tsy taritina ho lasa adala. Raha hita fa ratsy ireo mitondra dia aiza ny tsara ary ara-dalana sy mahasoa ny firenena ve ny androsoana azy amin'izao fotoana izao ? Ireo mpanao xxx moa dia tsy manana azondamosina fa miafina amin'io xxx io. Ianareo any Europa no tsy mahalala jaly sy fahantrana ary milaza fa afaka hitovy aminareo i Madagasikara. Ny firenena Aziatika mbola hita mivandravandra hoe etsy Mpanana be ary reroa mahantra fadiranovana. Na mandroso ny Sinoa marobe no mbola fadiranovana ary mitady lalana hialana ao. Sahala izay na ny Indian na ny hafa Indonesia na Malaysia sy ny sisa. Tsy afaka ny hilaza favy ireo na efa misy miredareda aza ny vitany.
Koa ahoana no ahafahanao milaza fa ianao no ahatonga an'i Madagasikara hiadana tampoka hatrany @ faritra madinika indrindra ? Ianao no tena mpandainga sy mpisoloky ary mitady vahoaka taingenana mba ahazoana seza.

8. Mio21
(
18/04/2008 18:44)
O ry Jeankely a! Raha manoro ny vahoaka ve aho mba hahay hijery sy handinika ny tsara sy ny ratsy indray miaraka fa tsy hoe ny ratsy fotsiny na ny tsara fotsiny dia lazaina hoe mpandainga sy mpisoloky vahoaka, raha manoro ny mpanohitra ve aho ary nanamafy mihitsy aza fa tsy hahataona vahoaka mihitsy rizareo @ grevy isarihany olona io ary na dia hahasarika olona vitsivitsy aza tsy hahomby akory dia lazaina hoe mpandainga sy mpisoloky vahoaka, sa zavatra hafa mihitsy no tao antsain'ny Jeankely? Raha izany dia mba vakio tsara aloha ny hevitra aroson'ny olona (ohatran'ireny manao fanadinana ireny e, vakiana tsara aloha ny lazaadina) zay vao mamaly.
Manarak'izay, fantatro aloha fa tsy TIM enao no sady tsy fianankaviandRa8 ihany koa, toro-hevitra manokana ho anao ity, nohon'ny fifankatiavana eto @ serasera ity a, mba ovay indray na ampio ny olona hakanao vaovao fa aza dia miantehitra loatra maka vaovao any @reny namana na olo-pantatra TIM ireny fa ireny tsy maintsy hoe mitoraka voninkazo foana fa tsy hampseho tay an-tsalaka (miala tsiny @ lay fitenenana fa io no mahadika ny zavatra tiako ampitaina).
Farany sy hamaranako azy, angamba lasa lavitra be loatra ianao miohatra @toerana misy anay ka tsy dia maharaka firy ny zava-mitranga détaillé kokoa fa tsy ambangovangony, angamba ihany koa ianao mety efa t@ 2002 no tany antanindrazana farany ka raha mba mety re dia mitadiava mihitsy fotoana sady hialan-tsasatra kely no mba hijerenao akaiky ny marina @ zavatra iainan'ny vahoaka izay mahasarotiny atsika.
Zay fa dieny zao defa ampidiro ny congé e!

9. Jeankely
(
19/04/2008 00:24)
tsisy congé ampidirina fa izaho miasa tena ary mitrongy vao omana no tsy manontany ny ory sahala anareo.Ny famakiana tony sy milamina dia natao ho an'ny rehetra fa tsy ny iray ihany ary tsisy mpanadina sy mpanala fanadinana eto. Ny sasany aza hitarika ny olona hanala pataloha ary hitondrotra no hevitra hitany avy any Europe.
Soa fa hitanao fa tsy TIM mihintsy ny aty ary tsy mifandray na maka spapa amin'ny TIM araka ny teninao. Ny tena halako eto kosa dia ny filazana hoe TIM niala hono ilay olona ary mahalala ny ao anatin'ny TIM avy eo ny olona indray no hampiresahany nefa izy no efa avy nilelaka ny tao anaty salakan'ny TIM.
Izaho mahafantatra ary mino fa tsisy ny Prezida mandrakizay noho izany Madagasikara ty miverina zero foana no mba tiako ho an'ny taranako fa tsy ny olona mpitady seza rehetra izao no hampiresaka. Rehefa avy Ministra ve dia tsy maintsy averina Ministra mandra-mpahafatiny. Iza no tena tsy mahay mihonona nefa ny firenena mbola taraiky ?