Rehefa vandana de kary!!

1. fetrakens ( 16/04/2008 10:39)
Na de tsy nieritreritra ny hanakorotana aza ny mpankafy Rossy de mety hikorotana ihany izy satria te- hijery spekitakla nefa tsy misy ho jerena!! de tena tafiditra ho resaka politika koa ve ny resaka kolon-tsaina eto dago e!!? ka na i Jerry Marcoss na i Bodo aza ngeh mety ho voakasik'zany koa e!!
novalian'i Jeankely ny 16/04/2008 17:07
2. hery ( 16/04/2008 12:37)
Fa iza anefa no tena nampiditra politika tamin'ny resaka kolotsaina e?
Tamin'i Rossy niditra tamin'ny resaka politika nampisy korotana tamin'ireny 2002 ireny dia izy amin'ny maha mpanakanto azy no nihetsehany sy nidirany t@ resaka politika....
I Rossy ihany no nanafangaro ny politika tamin'ny kolontsaina koa amin'izao izy dia mizaka ny vokany satria afangaron'ny olona amin'ilay Rossy mpanakanto (mba ankafiziko koa) ilay Rossy niditra antsehatra tamin'ny 2002

Fa inona marina tokoa aloha no nataon'i Rossy t@ 2002 sao dia nisy nanadino?
3. rajoelina ( 16/04/2008 13:09)
hery: na manakiana na miteny ratsy ho any mpanao politika aza ny mpanakanto iray, demokrasia daolo zany!!!! fa saingy ny mpanao politika gasy tsy mazaka.

4. Jeankely ( 16/04/2008 13:48)
Sao mba any @'ny tsy izy izany hoe "miteny ratsy ho any mpanao politika aza ny mpanakanto iray, demokrasia daolo zany!!!!". Ny avy manao vinany tsy mba diso fa ny hafa ihany no diso. Sokafy ao aloha ao fa vao tsy ampy herintaona mpiserasera teto no nanoratra hoe ento any amin'i .... sady sary manompa no ataony eo. Dia hoy izy hoe izay no hafatr'i Rossy ary lazao Ra8-nareo. Ka ahoana marina iza no tena tsy mahatanty ny ompaina? nefa manadala? Dia mody gagadaholo hoe fa ahoana?
5. ainaheri ( 16/04/2008 13:57)
fetrakens>> tsy azoko ngah tsy raikitra ndray? Nefa ny gazety namoka we efa nifandamina izy sy ra8 d nanaiky lery fa tsisy idiran'ny resaka politika ny fampisehoana ataony any io,.......mba hanamafisako azy d ito ny lahatsoratra voaray zay nalefan'ny namana tatsy ambadika tatsy:

Ho avy aho, ho raikitra daholo ny fampisehoana”hoy i Rossy


Ho raikitra indray ny tapolaka eny Antsonjombe sy any amin’ny Donia, ary manerana ny Nosy. “ Hanao aho, tsy misy resaka politika mihitsy”, hoy i Rossy. Izay no azo hibangoana ny resaka nifanaovan’i Rossy tamin’ny radio Antsiva, omaly tamin’ny 1 ora sy 20 minitra tolakandro. Nambarany tamin’izany fa nihaona tamin’ny Filoha izy tany Frantsa, ary nifampiresaka tsara izy ireo. Taorian’ny fifampidinihana, dia nanaiky ny hanaovany fampisehoana aty an-tanindrazana ny Filoha. Voalazany koa fa tsy avy amin’ny Filoha ny fanakanana, fa ahiahin’ny Ministera, mba hisorohana ny fanararaotana politika mety hitranga. Ankoatra izay, dia nanao fanekena ary nanome toky ny lehilahy fa tsy hisy resaka politika na hanao, fandranitana, na hamendrofendro vahoaka, mandritra ny fandalovany eto. Nanome toky ihany koa izy fa “hampirevy ny vahoaka” ary ho hentitra ny fitandroana ny filaminana rehetra mandritra sy aorian’ny fampisehoana rehetra izay hotanterahany. Nilaza izy, fa tsy handeha irery, fa hisy delegasiona vahiny hiaraka aminy. Ekipan’ny televiziona frantsay sy alemana ary ekipa mpakasary amin’ny televiziona, haka sary momba an’i Madagasikara sady hamoaka kapila “dvd”. Any amin’ny mpikarakara izao ny baolina, ka ho hita eo ny tohiny.
Fy
gazetiko
15/04/2008
6. rabaradaka ( 16/04/2008 14:11)
Ny toetsain'i hery aloha dia zero e, f'angaha moa Ravalo tsy nangataka vola tamin-dRatsiraka taloha, dia ho faizina koa zany Ravalo ? Mba saino fa tsy lasa ity politika ity dadatoa a !
7. patrick2002 ( 16/04/2008 14:41)
hery:

Fa iza anefa no tena nampiditra politika tamin'ny resaka kolotsaina e?
Tamin'i Rossy niditra tamin'ny resaka politika nampisy korotana tamin'ireny 2002 ireny dia izy amin'ny maha mpanakanto azy no nihetsehany sy nidirany t@ resaka politika....
I Rossy ihany no nanafangaro ny politika tamin'ny kolontsaina koa amin'izao izy dia mizaka ny vokany satria afangaron'ny olona amin'ilay Rossy mpanakanto (mba ankafiziko koa) ilay Rossy niditra antsehatra tamin'ny 2002

Fa inona marina tokoa aloha no nataon'i Rossy t@ 2002 sao dia nisy nanadino?



Ny politika dia azo aseho @ lafiny rehetra ,kolo-tsaina ,tao-zavatra ,hoso-doko, fitoroa-teny ,vokatra vokarina Oh: yaourt , etc...etc.
Raha asina teny kely ny eo @ kolo-tsaina ,tao madagasikara dia tsy i ROSSY no nanao an'izany voalohany ,fa efa nisy izany nanomboka t@ tarika SARERAKA ,nitohy izany t@ tarika MAHALEO (bemolanga) ,
Ary tsy ny any Madagasikara ihany no misy mpana-kanto mampiseo ny kantony @ politika fa hatrany ampita oh: John Lennon t@ tarika Beattels niady ny hampitsaharana ny ady tany Viet-Nam, Henry Bellafonte sy Johny Cleg t@ apartheid ,i Brigitte bardot @ resaka environnement .
Ka mahagaga ihany nohilazana fa tsy maintsy faizina ny mpana-kanto rehefa miditra @ raharaha politika
:roll: :roll:
Misy ny mpandraharaha (entrepreneur ) mampiditra ny production-ny misy theme politique ,ohatra ny yaourt Tiko t@ fifidianana Maire t@ 1998 misy soratra hoe Tiako Iarivo ,dia hajanona izany ny famokarana yaourt Tiko . :{ :{
8. rajoelina ( 16/04/2008 15:01)
rabaradaga:
Ny toetsain'i hery aloha dia zero e,
=)) =)) :-w
9. salopard ( 16/04/2008 15:05)
hery:
Fa iza anefa no tena nampiditra politika tamin'ny resaka kolotsaina e?
Tamin'i Rossy niditra tamin'ny resaka politika nampisy korotana tamin'ireny 2002 ireny dia izy amin'ny maha mpanakanto azy no nihetsehany sy nidirany t@ resaka politika....
I Rossy ihany no nanafangaro ny politika tamin'ny kolontsaina koa amin'izao izy dia mizaka ny vokany satria afangaron'ny olona amin'ilay Rossy mpanakanto (mba ankafiziko koa) ilay Rossy niditra antsehatra tamin'ny 2002

Fa inona marina tokoa aloha no nataon'i Rossy t@ 2002 sao dia nisy nanadino?


i Dama(mahaleo):deputé t@ 1993 mpanakanto. tsy rariny
i ramahafadrahona Varema t@ andron'i didy. tsy rariny
i andriamanjato, deputé pasitera tsy rariny
i bodo
i jerry marcoss
i Hery:webmaster, mpanao politika, mpanivana , tsy rariny

ny tena izy zalahy dia aleo halalaka, aza sakanana, avelao samy manao zay tiany, izay miboridana aoka hiboridana.
tout est possible ho a! manomboka izao; illetré (mpivaro-dronono) lasa president ohatra.

Ravalo ve matahotra e!


ciciolina aza makorelina deputé tany italie, ka ahoana ary

tsy ampy dôzy aloha, sao misy tavela any ra-jean kely a! sao misy sisa-na bozaka any zoky hery a!
sniff; sniff, tchouff, tchouff...

tsy ampy...

10. hery ( 16/04/2008 16:20)
Ary tsy novalianareo ilay hoe

Fa inona marina tokoa aloha no nataon'i Rossy t@ 2002 sao dia nisy nanadino?


Tsy dia tena haiko mantsy na resaka politika fotsiny no nataon'i Rossy tamin'io resaka io.

Izaho mpankafy Rossy (ary vao nahazo an'ilay Ino vaovao) fa io no tiako ho fantatra hoe inona avy ny implication-n'i Rossy tamin'ny 2002.
11. rajoelina ( 16/04/2008 16:57)
hery: mety diso tokoa i Rossy t@ 2002 mombamombany ratsiraka fa na de zany lesy ny mpanao politika mila mazaka fôna. Na t@ androny bôgôsy na i deba samy tsy nahitana demôkrasia fa didy jadona be daolo lesy.

12. patrick2002 ( 16/04/2008 17:04)
Fa inona marina tokoa aloha no nataon'i Rossy t@ 2002 sao dia nisy nanadino?

ny nataon'i Rossy t@ taona 2002 ,dia mpanakanto nanohana an'i Ratsiraka sahala @ mpanakanto rehetra ,oh: Bodo ,sy Njakatina nanohana an-Ravalo t@ taona 2001 ,i Jerry Marcos nanohana an'i Ravalo t@ taona 2006.
Tsy nandray anjara t@ korontana 2002 i Rossy satria raha tsy diso ny fitadidiako ,nanana olana t@ Sophie Ratsiraka izy rehefa vita ny fifidianana 2001 ,satria noampangainy ity farany ho nanodina ny vola tokony hanaovana propagande ny 2001,i Rossy.
Izay no nahafantarako azy fa asa inona no fantatrao mba omeo vaovao.
13. Jeankely ( 16/04/2008 17:07)
Aza hafangaro fa hafa ny mihira politika, mampeseho sy mampahafantatra ary mahatonga saina ny olona amin'ny zava-mitranga sy hiainana eran'izao tontolo izao na ny momba ny fireneny. Fa hafa kosa raha mirotsaka mifanenjika eny mpanongana fanjakana na mpanao grevy na koa mitaona mafy ady hanao barazy. Ny politika moa resaka maloto ka na ho mamy ho an'ny vahoaka ny ampandihy fitombenana satria noana ary mahasitrana ny jaliny iny dia izay izany. Ny olona variana tokoa ary tena tia fampisehoana mba ho laa miaina @'ny fiainana andafy. Tsy haiko aloha fa tsy hirahira mihintsy no hampivoatra haingana ny tanana. Tsy fampandihizana fitombenana no mahalasa lavitra. Efa mandeha ny rehetra ary mila analana azy ny toerana hafa fa tsy ny fanalana azy no voalohany sahala ny toerana sahirana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0704