Mampiantrano vahiny

1. xxx ( 16/04/2008 03:59)
Raha misy malagasy, tsy fantatra fa nahita ny anarana t@ internet, manoratra aminareo hoe mangataka fanampiana fa te-hitsidika ny tanana misy anareo, inona no ataonareo?
2. tess ( 16/04/2008 05:08)
inona aloha ilay fanampiana tadiaviny! raha hitsidika ny tanana mety misy ahy izy dia mety vonona aho hanampy azy hitsidika ny tanàna hanoro ny zava-misy hitondra azy handende raha misy fotoana aho...fa raha resaka fanampiana ankoatra izay aloha mety tsy hanao zà.....noho izy olona tsy fantatra, mila mitandrina foana eo am fiainana na gasy na vahiny, tsy misoritra eny antampokandrina ny maha olo-tsara sy maha olon-dratsy azy
3. Rafahafahana ( 16/04/2008 13:11)
Tandremo betsaka anie ny mody mampalahelo, fa ny sainy tena miketrika zavatra hafa mihitsy é. Aleo mailo ihany sa ahoana hoy ianao?
4. Belami ( 16/04/2008 19:38)
Fa ahoana aloha ny fifandraisanareo talohany izy namosan-kevitra hoe hitsidika ny tanàna misy anao ? Mifanerasera tsotra fotsiny anaty internet ve SA sipanao virtoaly Sa .... ???? Ilay hoe voalazanao hoe namana tsy fantatra tsinona tsy hita be ihany izay hamaritana azy.
Arakarakizay no hitondranao na hampiatranonao azy tsinona.
Ianao ihany no tena mahita azy, fa tandremo fotsiny fa tsy misy tandroka ny ratsy. Mila mailo ianao izany mandrapahitanao hoe azonao toky tsara ilay olona raha tonga amilay hoe hampiatranoina izy.
5. melody ( 16/04/2008 21:34)
izaho aloha tsy hampiantrano olona tsy fantatro izany mihintsy na dia hoe namana virtoaly aza. Be ny mpandainga sy mahay mihatsaravelatsihy ka mba tsy aharatra ny tena dia aleo mitandrina. Fa araka ny tenin'i Tess hoe hitondra azy hijery tanana raha misy fotona , dia ie na manoro hevitra azy hoe, aiza sy aiza no aleha :/
6. kiadi ( 16/04/2008 22:08)
melody>na aza ve? :-D :-D
7. melody ( 17/04/2008 18:37)
:-D :-D :-D :-D f'efa hoe entiko mijery tanana wa fa tsy maintsy manao rdv aloha be miintsy satria izaho tena be asa :wink:
8. ikaretsaka ( 18/04/2008 02:09)
Belami:

Fa ahoana aloha ny fifandraisanareo talohany izy namosan-kevitra hoe hitsidika ny tanàna misy anao ? Mifanerasera tsotra fotsiny anaty internet ve SA sipanao virtoaly Sa .... ???? Ilay hoe voalazanao hoe namana tsy fantatra tsinona tsy hita be ihany izay hamaritana azy.
Arakarakizay no hitondranao na hampiatranonao azy tsinona.
Ianao ihany no tena mahita azy, fa tandremo fotsiny fa tsy misy tandroka ny ratsy. Mila mailo ianao izany mandrapahitanao hoe azonao toky tsara ilay olona raha tonga amilay hoe hampiatranoina izy.

miombon-kevitra
9. xxx ( 18/04/2008 05:05)
Tsy namako, tsinontsinoko ilay olona fa nahita ny anarako sy ny toerana misy ahy t@ internet dia nanoratra t@ contact hoe te-hankaty hanao vacance mafy dia mafy ny zanany ka mila fanampiana izy.
Nalefany t@ izany koa ny tena anarany sy ny sari-pianakaviany.
Tsy mbola novaliako moa izy hatreto fa mba lasa saina fotsiny aho hoe sao dia ratsy fanahy?
10. Rafahafahana ( 18/04/2008 13:03)
Zaho aty france no mipetraka fa raha ny hampiatrano gasy aloha dia tsy misy io, efa nisy nipetraka tato amiko ka inona hoy nareo hay ny vadiko no tiany ahodina fa mody fanampiana sy fampiatranoina no notadiaviny, rehefa tsy voahodiny ny vadiko dia nampiadiany zahay, tsy nahavoa ny tetika dia lasa nifindra ho azy izy zahay tsy nandrôka azy. Tandremo ihany. :lol:
11. xxx ( 21/04/2008 00:13)
Rafahafahana:

ny ahy indray raha vao hitako hoe misy possibilite na romance dia efa tsy miditra ny trano iny ary tsy ho namako be ihany koa fa mailo aho koa.
12. fijo ( 22/04/2008 20:23)
mitandrema ihany,azo atao ny manampy,fa tsy avy dia miditra lalina aloha
13. Rafahafahana ( 23/04/2008 09:45)
xxx:

Rafahafahana:

Zaho aty france no mipetraka fa raha ny hampiatrano gasy aloha dia tsy misy io, efa nisy nipetraka tato amiko ka inona hoy nareo hay ny vadiko no tiany ahodina fa mody fanampiana sy fampiatranoina no notadiaviny, rehefa tsy voahodiny ny vadiko dia nampiadiany zahay, tsy nahavoa ny tetika dia lasa nifindra ho azy izy zahay tsy nandrôka azy. Tandremo ihany. :lol:

ny ahy indray raha vao hitako hoe misy possibilite na romance dia efa tsy miditra ny trano iny ary tsy ho namako be ihany koa fa mailo aho koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5855