Nodimandry omaly i Romule ao @ kintana telo

1. ravatorano ( 15/04/2008 09:47)
Misaona ny zavakanto

Nodimandry omaly i Romule (Kintana telo)

Banga iray indray ny mpanakanto malagasy. Banga iray ihany koa ny Kintana telo. Nodimandry omaly tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro i Romule Rabarivola ao amin’ny Kintana telo. Araka ny nambaran’ny faralahiny, Atoa Mbola, dia safotra tany am-piangonana izy tamin’ny alahady, nefa efa nihatsara. Omaly tolakandro anefa, nivadika ny rasa, ka tsy tonga teny amin’ny Hopitaly akory dia tapitra ny ainy. Teraka tamin’ny 3 septambra 1934, izany hoe 74 taona izy izao nodimandry izao. Manambady ary manan-janaka efatra mianadahy. Ao ihany ve? no isan’ny hira ahafantaran’ny maro azy, fa mahatratra 96 ny sanganasany voasoratra ao amin’ny Omda. Manana ny mariboninahitra Officier de l’Ordre Nationale Malagasy. Efa nitety faritra sy Firenena maro toa an’i Eropa, Mosko ary Korea. Tany amin’ny taona 70 tany ho any izy no nitondra ny anaran’ny tarika, fa tamin’ny taona 80 teo ho eo kosa no tafaray tamin’i Gabhy sy Salomon (Kintana telo). Izahay eto amin’ny Gazetiko, dia mirary fiononana feno ho an’ny ankohonany sy ny fianakaviany.
Fy
gazetiko
15/04/2008
:cry:
novalian'i endrika01 ny 04/05/2008 12:08
2. rakaroka ( 15/04/2008 09:51)
:cry: :wink: 'ndriiiiii Kintana roa sisa izany. Mirary fiomononana feno ho an'ny fianakaviany sy ireo namany e. Tsy izy koa moa no nihira ilay "noho irei sombinaina?".
Dia mandria am-piadanana! Misaotra namela hafatra!
3. zoky ( 15/04/2008 10:03)
:cry:
4. Papoose ( 15/04/2008 10:19)
tena legende mihitsy ny kintana telo!
Mirary fiononana sambatra ho an'ny fianakaviany sy izay akaiky azy!
5. steph65no ( 15/04/2008 11:44)
De mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana , sy ny kitana sisa tavela e!
Mahereza fa izay no fandaharana.
6. ainaheri ( 15/04/2008 13:39)
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany mou zany no azoko ambara,tena very mpanakanto malaza marina tsika!!! Angatahana ambavaka tsy ho very anjavony reo lova napetrany !!! Mandria ampiadanana
7. ari.malala ( 15/04/2008 13:48)
miara miory am fianakaviany sy ny kintana roa sisa tavela ary ireo mpanakanto namany :-( "izay no fandaharana" anisan'ny hirany io d entina ampaherezana anareo rehetra, mahaiza mionona tompoko:-(
8. bravo ( 16/04/2008 03:55)
mirary fiononana feno ho antsika rhtra e! indrindra ny fianakaviany sy izay ankaiky azy!! maty namela mamy ho antsika izy!!!!
9. Bigma ( 16/04/2008 04:47)
I Romule dia isan'ny izay tena manafana ny sehatra rehetra rehefa mian-tsehatra ny Kintana 3, ny feomangany koa dia tena voatanany hatramin'ny fara-fofonainy. Mandria am-piadanana ianao Romule! :cry: :cry: :cry:
10. milaibe ( 16/04/2008 12:09)
Miombom-pahoriana @ fianakaviana dia mahereza hatrany
11. mandrindra ( 16/04/2008 18:39)
miray fiononana ho an'ny fianakaviana.
ny vatana no nodimandry fa ny feony kosa dia mbola hamiratra sy hijanona ho kintana foana
12. tenagasy ( 17/04/2008 11:01)
Mirary fialantsaratra feno ho an'ny Fanahiny eo ankavanan' Ny Ray Tsy Toha.
Handry amim-piadanana anie Izy.
Izay mahalala onony ihany no mahita Fahasambarana:
Dia mirary fiononana feno ho an'ny:
- Fianakaviany
- Ireo akaiky Azy
- Ny kolontsaina Malagasy
- Isika rehetra tsy ankanavaka.
Samy ho tahian'Andriamanitra.
13. kelly13 ( 17/04/2008 11:07)
iza @ izy ireo mou i Romule azafady?

dia mirary fiononana ho an'ny fianakaviany
14. tslem ( 17/04/2008 15:30)
Izy foana akia no mihira an'ilay hoe:

"tsy handrebireby anao,raha mitsidika mamangy..."

angamba izy no zokiny(ara-taona) indrindra amin'izy telo lahy

Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany ihany koa.
15. Penhell ( 23/04/2008 07:40)
Inona intsony no ho lazaiko
Eo anatrehan’ny fahafatesana?...tsy haiko
Ho an’ny fianakaviana sy ny sisa…
Fampiononana, fankaherezana…tsy hary voatanisa

Anisan'ny fianakaviana ihany ny tena izay manoratra. Androany 23 avril 2008 vao nahafantatra raha nanokatra ity forum ity. Ny tena aty an-dafin'ny ranomasina lavitra.Efa voafintina etsy ambony izay tiana hambara."Hangina aho ka tsy hiloa-bava....". Samy manana izay fomba entina mandika io teny ao @ Baiboly io.Ho Azy Irery ihany ny voninahitra.
16. Penhell ( 23/04/2008 07:44)

17. Levy ( 25/04/2008 17:35)
Tohina sady taitra tokoa aho raha nahare 'ty vaovao 'ty! Angamba efa tara ihany...tsy mahara-baovao koa moa....Anisan'ny mpankafy ny vetsony ny tenanay. Tam-boalohany tsy dia tiako loatra, fa hira hirain-dry dada sy mama matetika ao an-trano, tam'mbola fahazazanay... dia tafa-petraka tsikelikely tao am'disc dur n'ny fitivan-kira...Isan'ny iray nahatsikaiky ahy sa nahaliana ahy ilay hoe "Tsy handrebireby ..."
"....Moa maty ve ny mpanakanto....?"
....eny angamba nefa koa tsia...

18. hertix ( 04/05/2008 09:02)
Anisan'ny mpamoron-kira sy mpanakanto ankafiziko i Romule. Tsaroana eto ilay izy tia manao hatsikana sy mampiomehy foana. Tadidiko t@ nifaneraserako taminy koa ny fahaizany mamoron-kira. Omena azy ny thème ary fahefak'adiny aorian'izay monja dia omeny anao ny tonony sy feony ary arrangement tsy misy kitihina intsony... Tahaka ny ankabeazan'ireo mpihira rehetra izay rehefa mandroso taona dia tsy dia nahatakatra feo avo intsony i Romule. Hainy tanteraka anefa ny nanafina izany indrindra rehefa mampiara-peo aman'olona izy @ alalan'ny fanaovana "jonglage" (io angaha no ilazako azy!!!) @ ireo feo efatra. Ekeko fa raha hihira ny hirany dia betsaka ny olona hahavita izany fa saingy kosa tsy hitovy @ nanaovany azy ary tsy hisy hahasolo azy @ fahaizany sy ny traik'efany teo @ sehatry ny zava-kanto. Fehiny: nahay ary niavaka tanteraka izy. Mandria am-piadanana Romule!!!

"...Tsy misy tsy ho resy rehefa injay hisesy
Ilay Rafahafatesana
Fa gogogogo foana no henonao hiraona
Ts'isy hifandrenesana
Koa saino dieny izao izay zavatra azo atao
Ho tsangam-bato velona
Ho lovan'ireo fara hipetraka ho tantaran'ny
Maha-olombelona"
19. endrika01 ( 04/05/2008 12:08)
hertix:

Marina izany!mangoraka ny fo torovana ny saina!very mpanankato malaza!
:cry: :cry: :cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3729