May ny endimboanjon'i Mr LECACHEUR
1. badboy
(
14/04/2008 14:59)
May ny endimboanjon'i Mr LECACHEUR, mifify ny lohany matahotra ny masony??? Enao no aoka hamaky azy!!
Nifanome hery ny mpanohitra
lundi 14 avril 2008, par Penjy R.
Mailo i Lecacheur dia nihemotra tsy nidina an-dalambe ny sabotsy teo. « Efa fantatro fa misy olon’ny fitondrana voakarama handroba sy hisambotra ahy. Aleo nihemotra aloha noho ny fitandremako tsy hisian’ny korontana eo amin’ny kianjan’ny 13 mey io. Ho tohizako kosa anefa ny fanehoan-kevitry eny an-toerana ary tsy hihemotra intsony aho ».
Feno mpitandro filaminana tetsy Analakely ny sabotsy teo, ary efa somebiseby ihany koa ny mpandalo. Inona no hitranga eto ? Nilamina ny tanàna satria tsy nipoitra araky ny voalaza etsy aloha ny mpitarika ny fihetsiketsehana. Ankilan’izay dia mifanome hery ny mpanohitra. Isan’io ingahy Pierre Tsiranana, Vaovao Benjamin, ny CRN, ary heno fa nisy fihaonanan’i Zafy albert sy ingahy Lecacheur ny sabotsy teo ? Ny fiarahana hidina an-dalambe kosa dia mbola tsy voafaritra fa midera ny fihetsiky ny mpitarika ireto mpanohitra ireto. Ny filoha Ravalomanana ihany koa ankilany dia efa tonga omaly maraina teto an-tanindrazana ary tsy hitazam-potsiny izao fihetsiky ny mpanohitra azy izao. Hentitra izy omaly nilaza fa tsy hanaiky ny fanakorontanana ataon’ny mpanohitra.
http://www.madagascar-tribune.com/Nifanome-hery-ny-mpanohitra,6019.html

novalian'i Rojoukel ny 16/04/2008 15:54
3. ronaldo09
(
15/04/2008 07:05)
Nihemotra ??? Ka ledala ange efa niteny fa tsy matahotra n'izaniza e! De mody avadika indray hoe :Mailo sao de misy mandroba sy misambotra !!!Tena mampihomehy raha toy izao no olona hitari-tolona k'le!!!
Io ange tsy vita amin'ny vavabe ty zavatra ity e!
Za aloha dia midera ny filoha ny tsy hanaiky lembenana ,satria raha ho toy izao hatrany no misy dia tsy hisy handeha ny raharam-pirenena ary hihitsoka foana ny firenena malagasy ,aleo mihitsy faizina ze mirediredy fa tsy avela hanao izay danin'ny kibony fotsiny eo !!!

4. badboy
(
15/04/2008 10:35)
Ilay zavatra angatahiny mihintsy no tsy matotra. Misongadina avy hatrany ilay fitadiavana toerana. Tsy misy ankoatr'izay. Adalan'izay hanaraka ny olona tahak'izao. Avy voky, de notapahana ny fihinanana dia mitady fomba hafa indray hihinanana misimisy. :roll: :roll: :roll: :roll: