Aleo hazava ny resaka

1. Mio21 ( 11/04/2008 06:30)
Iza no Filoha tapipahaizana dia iza no Filoha Bado sy vendrana?
Ny eto amintsika dia toerana politika (place politique) ny Filoha, na tapipahaizana io na bado. Ny fahaizana kobakambava, mampandry adrisa, manambitamby mizara entana na fitafiana..., izany rehetra izany no ilaina dia mahaza ny fon\'ny vahoaka, rehefa avy eo lasa olo-malaza, dia mirotsaka ho fidiana, dia lany, dia lasa Filoha.
Eo @ fitondrana ny firenena @zay ary, tsy ho voatery manana fari-pahaizana maromaro (Ekonomia, fitantanana, sns...) ny Filoha, na bado aza tsy maninona, izany indrindra no antony nanomezana azy fahafahana maka mpanolotsaina marobe izay ahazahoany maka olona manana traikefa eo @zay taranja tsy hainy, mbola manampy izany koa ny traikefa tokon\'ny hananan\'ny Praiministra sy ireo ministra isan-tsokajiny. Raha bado ny Filoha, tsy mahita hevitra ny mpanolotsaina, tsy manana vahaolana ampiharina ny ministra, dia fantatrareo ny vokatr\'izay.
Ny tsara aloha dia ny hoe manapahaizana ny Filoha e, na fahaizana vitsy io na maromaro, raha tsy izany mantsy dia ho lasa symbol fotsiny izy ary ny tena loza dia ny ekipany eo ihany aza no mety hanao tatitra na hevitra diso mba ahazahoana mamingana azy sy hi-empeché azy rehefa tsy mifanaraka @ lohan\'dry zalahy.
Iangaviako nareo mba haka 10mn kely fotsiny hitadidy kely fotsiny hoe nanao ahoana ny fari-pahaizan\'Ratsiraka? Nahay nitantana ny firenena ve izy, firy taona izy no nitondra? Dia ohatran\'izay koa ingahy Zafy Albert sy Ravalomanana.
Na dia enao io aza dia afaka mitondra firenena fa andramo sy enaro aloha ilay kobakambava sy mampiesona vahoaka (mila volabe io an), ataovy milay be fotsiny avy eo ny mpanolotsaina sy ny mambran governemanta d sàvà. Za aloha tsy sahy e, toa tsy elavelona ireny Filoha ireny raha vao tsy mailo isan\'andro no sady lasa tsy afaka mibalady eny analakely tsony ko.

répondu par Jeankely le 13/04/2008 00:53
2. ronaldo09 ( 11/04/2008 09:22)
Ny fahaizana ange raha tsy manana traik'efa ianao tsy mankaiza io e!!! Amiko aloha dia i Ratsiraka no filoha bado indrindra satria 25 taona ianao nitondra tsy hita fa toa nanao dian-tana ny fandrosoan'ny firenena fa tsy lasa nankaiza akory !!!!
Ny profesora Zafy indray azo lazaina ho nahay satria manana agregation saingy revo loatra teo amin'ny fahamarinana hany heriny nanao a Dieu ny fitondrana .
Ny diplaoma tsy midika ho inona fa io dia ny traikefa no zava-dehibe!!!!
3. kiadi ( 11/04/2008 09:25)
i zafy amiko no tena tsy izy ko!3 taona de voadaka! :-D :-D :-D !tsy nahay nitazona ny tenany akory !
4. ronaldo09 ( 11/04/2008 09:28)
Ka diso marina loatra ledala ,aiza avy ka ny depiote no hiadiana nefa ianao nahalala ny herin'ny depiote tao anaty lalam-panorenana !!!!
5. kiadi ( 11/04/2008 11:05)
ka tsy mahay politika zany lery ko!! :-D :-D
6. Jeankely ( 11/04/2008 12:43)
Ny tsy mahatafavoaka ry Ngama dia ny foto-pisainana samy mihevitra ny tanjona tiany ho tratrarina a. Na mahay io na tsy mahay rehefa iray ny tanjona lasa. Ohatra akaiky kely. Firifiry ny mpivady samy mahay nefa misaritaka ary misaraka avy ny ny ankiziny koa mivaralila manaraka an'iny. Ohatra tsotra iny fa ny ambonimbony kely kokoa ny ny mpiara-manao mofogasy. Tsy nianatra nefa mahavita mivelona ary mihitatra ny asany. Raha firenena indray dia jereo ny fotompisainan'ny olona amin'ny tany mivoatra fa na mpanohatra na mpitondra na olontsotra dia ny ahatongavana @ tsaratsara no hifanjevoana. Ny resaka eto indray dia ny kobaka ambava no resahina.
7. Mio21 ( 11/04/2008 14:24)
Misaotra an Jeankely nanohana ny hevitro, na manampahaizana io na tsia, rehefa ao daholo ny ekipa (manana traikefa fa tsy oe manapahaizana tsisy traikefa sanatrian'zany) dia mande oazy io.
Amiko :
Ratsiraka : Nanampahaizana Ngama ary raha ireo taty aorianany dia angamba mbola tsy ampy ny 10% n'ny fahaizana nananany akory ny an'ireo taty aoriany ireo, lasa ohatran'oe structure nisy fotsiny asa ny fisian'ny CSR (mpanolotsaina) t@ zany fotoana izany, @ saina tsy miangatra no ilazako anzany an no sady tsy manambany ny taty aoriana sanatrian'zany fa zava-nisy, ny olana anefa dia nampiasainy t@ fitiavan-tena sy ny tombontsoa manokana ilay fahaizana sy ny traikefa nananany izany ary hainy tsara ny nilalao an'izay tombontsoa manokana sy ny ataoko hoe (mba tsy hahalava ny resaka) fahaizana nanafinkeloka sy ny nanambitamby ny madinika indrindra hifidy azy, sns..., efa firy ambinifolotaona taty aoriana vao tonga saina ny vahoaka hoe ary tsy mety sy tsy rariny ange zany zavatra hataon'ingahirainy zany e, fa taiza daholo ary izany ireo miseho ho manampahaizana sy ho manana traikefa @zao fotoana izao ireo t@ zany fotoana izany? Mbola tsy vita ny fianarany? Sa mbola naka traikefa ivelany tao anatin'ny fitondrana Ratsiraka?
Zafy Albert : Amiko, Profesora razoky (ara-pahasalamana), raha anontanianao resaka fitantanana sy teti-bola sy ny sisa izy dia mbola miandry 1 na 2 volana ny valiny fa mbola haka sopapa izy, ny Praiministrany farany t@ zany ihany koa toa profesora mitovy aminy ihany koa, miandry 1 na 2 volana ny valiny, ireo mpanolotsainy izay azo lazaina fa efa mba nanana traikefa teo @ raharaham-pirenena talohany dia nodakany sy nosoloany ireo bandy akama samy avy any @ tanàna na ireo niray promotion na fianankaviana, inona no firenena handeha @zany, sonia avy tsy vita (PV avy any @ fahefana mpanao lalàna tokony ho soniaviny) nefa dia antony iray ni-empeché-na azy @ incapacité-ny fa nilaozana nanao MadaRaid.
Ravalomanana : Averiko ihany hoe te-hanao zavatra sy te-hanao dingana lehibe, fa ireto mpanolotsaina sy ny ekipa, tsy izy rehetra akory, fa matoa mbola ohatran'izao tsika, farafaharatsiny mba mijanona eo @na niveau iray izay niantombohana fa tsy hoe lasa niha fadiranovana be otran'zao, ny mpanohitra efa tsara sery sy tsy afa-mikofoka fa tsy afaka ny hiteny hoe misy sabôtazy politika, misy ekipa manapahaizana tsy mamely ao zany ka mila soloina na mila somary entitra kely eo @ asa Ravalomanana @ ireo ekipa ireo. Rehefa mipetraka ireo, manaraka oazy ny vahoaka tarihiny fa tsy manao mpitarbato vilambava.
Za oa tsy irotsaka Filoha zany na dia mora kely aza, za tsy ampy sôsy hanaovana kobakambava sady matahotra ny tsy ho elavelona raha sanatrianzany tonga eo @toerana sady za mila mitsaky nem sy maskita eny analakely rehefa le arivariva iny d mila mitsongolika fripy eny ambodinisotry sy Andravoahangy eny fa eny mba mora.
8. Jeankely ( 11/04/2008 15:04)
Aza manao an'izany ry Mio21 a. Tsy mitombona ny 10% resahinao aloha amiko. Raha ny diplaoma nananan'ny Ministra sy Praiministre t@'ny androny mino aho fa tsy ahatoraka ny diplaoman'ireo Ministra ankehitriny ireo. Saingy rehefa tsy hanao ny mpanao baolina fa mbola ratsy fototra na hanafatra mpanazatra avy aiza ianao lany andro eo. Mpanazatra ve ahavita lasa "Champion du monde" herintaona? Ho ahy ny vahoaka no mitondra an'io. Rah mirefarefa azo anaovana resaka tsy manjary ny vahoaka dia mazava fa tsisy raha manjary.
9. Mio21 ( 11/04/2008 15:39)
Tsy ny Praiministra sy ny Ministra no tiako holazaina t@ ilay 10% ry Jeankely fa ho an'ireo Filoha izay efa nandalo teo @ fitondrana.
Ny ezaka sy ny modely dia miainga avy any @ mpitondra fa tsy avy any @ vahoaka, za kosa, na enao io aza, raha hoe asaina mihafy sady miasa mafy ary manaja ny lalàna nefa ny mpitarika tsy mahatontosa ny andraikiny no sady manararao-pahefana na ambonin'ny lalàna, d sûr a fa tsy hanaiky enao, raha toa ka zay no mitranga, fa le fomba anehoana ilay tsy fanekenatsika zay fotsiny no mety ho samihafa, za mety hanompa andrizalah aneritreritra fotsiny, enao mety hanozona, ny hafa mety ande ampiseho ampahibemaso eny anivon'ny aino (Tsy AINO ato @ serasera akory io fa zafady a) amanjery, sns...
10. Jeankely ( 11/04/2008 15:45)
Tsy olana na AINO na ZOKY. Izaho tsy ny ataon'ny olona no hivavahako, na tsy hanarahiko lalàna, na hanaovako tsy mety. Mandry ny saiko manao izay mahasoa ahy ampahamendrehena na hiasa mafy sy tsemboka aza.
11. Mio21 ( 11/04/2008 16:05)
Za nge ry jeankely dakôro @principe-nao e (ialako tsiny @lay teny vahiny), ahoana tokoa moa no ahazahoan'ny tsirairay ampandroso ny firenena raha toa ka ny mampandroso ny tenany sy ny ankohonany aza tsy hainy, fa ny mpitari-bato vilambava koa tsy mety, noho izany dia misy andraikitra samy manana ny azy sy samy manatanteraka ny azy fa tsy hoe ny vahoaka tsy maintsy no sady mora enjehina @ lalàna fa ny mpitondra afaka mibolila.
Ny mpitondra no tokony manoritra ny làlana sy ny ezaka hatao dia mitaridalana. Mba firy @tsika malagasy moa zao no mahafantatra hoe rehefa maninona no miakatra ny Euro dia rehefa maninona no midina, za zao efa mba niasa mafy ery nampitombo ny voly mangahazo tao ambadikin'ny tranonay t@ za tany Madagasikara t@ herintaona nefa toa mbola mitombo ihany ny vidina Euro, sao dia mba tsy mangahazo no tokony namboleko fa zavatra hafa? Namboly vola angamba no nety ô?
12. Jeankely ( 11/04/2008 23:25)
Na olona nianatra aza tsy mahafehy izay EURO misondrotra izay. Tsy haiko aloha fa izaho tsy mahay. Izaho miteny aminao fa na hanova mpitondra in-jato eo ianao tsy hanova ny mpamboly mangahazo ahay ny resaka EURO-nao. Fantatry ny olona fotsiny fa tsy mitsaha-mitombo ny rehetra ary miasarotra ny fianana. Tsy ny an'ny olona irery fa na ny biby ringana, ny ala sy tanety may, ny ranomandry mitsonika, ny rivotra tsy madio, sns. Ny olom-belona no mahatonga ny rehetra ka raha sahirana izy dia noho ny nataony. Ny mpitaribato vilam-bava ve no harahinao? Satria misy Pastora maka vadin'olona dia hifapaka vady daholo ve ny iray fiangonana? Satria misy Mopera tratra manolana zaza dia manola zaza daholo ve ny iray fivavahana rehetra? Ny andraikitrao no ataonao tsara ary amporisihinao ny hafa hanao tsara fa tsy ny ratsy no hifandovana. Tsy hanenina mihintsy ianao na diso paika aza. Ny diso paika noresahiko dia ny hoe namboly mangahazo ianao kay mangahazo koa no nambolen'ny sasany noho izany feno mangahazo ny tanana ary tsy mahalafo mangahazo ianao.Aza zarina ny hifaninana @'izay tsy mpanara-dalana sy mpanao didiko fehilihibe ny olona.
13. bazylou ( 12/04/2008 19:43)
anontanio jeankely fa izy no andevo lahy kelin'ilay 8
14. Jeankely ( 13/04/2008 00:53)
Jeankely no manoratra ve dia hanontany an'i Jeankely. Ny Andevolahy tena miasa mihintsy ary amim-pahamendrehana. Tsy miala io. Sahala ny nataon'ilay tadidio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.036