fossa fossana

1. lapino ( 11/04/2008 00:17)
Inona kay no anaran'io biby io amin'ny teny gasy ? io ve no atao hoe jaboady ? sa vontsira sa biby hafa ? [center]
[/center]Tsy fosa aloha io fa ny fosa dia cryptoprocta ferox, http://info.bio.sunysb.edu/rano.biodiv/Mammals/Cryptoprocta-ferox/index.fr.html
novalian'i soanja ny 11/04/2008 16:26
2. cutie ( 11/04/2008 01:10)
aiza ny toerana ahitana an'io ?
3. nandrianina1 ( 11/04/2008 02:31)
hafa mints ko ka fanolaka no anarany ao@ PN Ranomafana mis azy
fa ny toerana hafa ahitana azy ts haiko
4. nandrianina1 ( 11/04/2008 02:33)
hihihi FANALOKA diso kel le frapy
5. soanja ( 11/04/2008 03:36)
lapino:

Inona kay no anaran'io biby io amin'ny teny gasy ? io ve no atao hoe jaboady ? sa vontsira sa biby hafa ? [center]
[/center]Tsy fosa aloha io fa ny fosa dia cryptoprocta ferox, http://info.bio.sunysb.edu/rano.biodiv/Mammals/Cryptoprocta-ferox/index.fr.html




Io no atao hoe Vontsira.

6. soanja ( 11/04/2008 03:37)
Io no antsoina hoe Viro aminay Tanala.
7. nandrianina1 ( 11/04/2008 04:20)
Soanja> ts mangouste io ka! ny vonsira karazana mangouste fa ny fanaloka civette gasy
http://images.google.com/imgres?imgurl=http://info.bio.sunysb.edu/rano.biodiv/Mammals/Fossa-fossana/civet.72.jpeg&imgrefurl=http://info.bio.sunysb.edu/rano.biodiv/Mammals/index.fr.html&h=72&w=82&sz=4&hl=fr&start=6&tbnid=xXMdIuhoAdsw4M:&tbnh=66&tbnw=75&prev=/images%3Fq%3Dfanaloka%26gbv%3D2%26hl%3Dfr
8. soanja ( 11/04/2008 04:27)
Marina tokoa io volazanao io raha ny anarana siantifika sy ny momba azy fa raha any anaty alan'ny Ranomafana dia Viro ihany no iantsoan'ny Gasy azy fa ny mpandinika isan-karazany mety manana anarana hafa ho azy.

Ilay Vontsira indray tsy tadidiko loatra fa alina mantsy ireo no tena mivoaka dia ny masony mazava be tarafin'ny jiro sns no nilazako fa Vontsira satria izay foana no tenenin'ny olona. Fa mety diso tokoa aho raha resaka Vontsira.

Tsy dia fahenoko loatra ny hoe Fanaloka na dia efa ela ihany nipetrahako tany anaty ala. Ka mety faritra aiza io miteny hoe Fanalako io azafady fa mahaliana ahy tokoa.
9. soanja ( 11/04/2008 05:36)
nandrianina1:

Soanja> ts mangouste io ka! ny vonsira karazana mangouste fa ny fanaloka civette gasy
http://images.google.com/imgres?imgurl=http://info.bio.sunysb.edu/rano.biodiv/Mammals/Fossa-fossana/civet.72.jpeg&imgrefurl=http://info.bio.sunysb.edu/rano.biodiv/Mammals/index.fr.html&h=72&w=82&sz=4&hl=fr&start=6&tbnid=xXMdIuhoAdsw4M:&tbnh=66&tbnw=75&prev=/images%3Fq%3Dfanaloka%26gbv%3D2%26hl%3Dfr


Rehefa nandinika tsara aho dia tena diso tokoa io Vontsira nolazaiko io.

Efa nentiko teto mantsy indray mandeha io resaka momba io biby io satria te hanontany aho hoe io ve no antsoina hoe KARY amin'ny Malagasy?

Misaotra Nandrianina.


10. lapino ( 11/04/2008 10:30)
Misaotra Nandrianina sy Soanja

nandrianina1:
ts mangouste io ka! ny vonsira karazana mangouste fa ny fanaloka civette gasy

mazava !
ary ny jaboady ve fanaloka ihany ? ilay jaboady aloha toa fiteny afovoan-tany, efa fandreko ihany fa za mbola tsy nahita.

cutie, any Ranomafana hono :-)
11. nandrianina1 ( 11/04/2008 11:12)
tsis fisorana tompoko
saonja> ny avy antsinana no miantso azy hoe fanaloka, nefa za ko zao ts mbola naheno le viro mihintsy hay zany no fiantsonareo azy any!
ts aiko aloh ra io toko no kary aminy fa io to vandana akory mantsy :-D
12. ainaheri ( 11/04/2008 11:50)
soanja:
Marina tokoa io volazanao io raha ny anarana siantifika sy ny momba azy fa raha any anaty alan'ny Ranomafana dia Viro ihany no iantsoan'ny Gasy azy fa ny mpandinika isan-karazany mety manana anarana hafa ho azy.



Raisiko ity teny voasoratrao ity fa zay ny manahirana antsika gasy @ anarana(biby hazo,sy ny sisa),refa anontanina d samy milaza ny fomba fiteniny avy fa tsy misy anarana iombonana akory,lasa sahirana enao refa anontaniana fa tsy mitovy ny valintenin'ny tsi111,nefa samy mrina lol
13. cutie ( 11/04/2008 11:57)
za mbola tsy tany an-dRanomafana fa handeha hijery any za refa mankany Dago :)
14. soanja ( 11/04/2008 16:26)
ainaheri:

soanja:
Marina tokoa io volazanao io raha ny anarana siantifika sy ny momba azy fa raha any anaty alan'ny Ranomafana dia Viro ihany no iantsoan'ny Gasy azy fa ny mpandinika isan-karazany mety manana anarana hafa ho azy.



Raisiko ity teny voasoratrao ity fa zay ny manahirana antsika gasy @ anarana(biby hazo,sy ny sisa),refa anontanina d samy milaza ny fomba fiteniny avy fa tsy misy anarana iombonana akory,lasa sahirana enao refa anontaniana fa tsy mitovy ny valintenin'ny tsi111,nefa samy mrina lol


Mety manahirana tokoa izany saingy atao akory samy nanana ny nahalehibe azy ny olona ary ireo matetika nifanalavitra tokoa sady mety sarotra ny nifandraisana ka iresahana biby tamin'izany.

Soa fa manana an'ireo manampahaizana misondrotra isika izao dia ireo izany no hanome ny anaran'ireo biby amin'ny Malagasy ofisialy. Ary mino aho fa io Fanaloka io zany no izy.


Manana tantara mampihomehy momba ny Jaboady aho fa io no tena fahita matetika any amin'ny alan'ny Ambre. De io hono mahavoan'ny tamberintany raha sanatria ka mihomehy ianao raha mahita azy milalao ny zavany. Ka asa na marina ny fahamarinan'io fa izay no inoanolona any amin'iny faritra iny. Zah mbola tsy nahita azy ireo nanao izany saingy mitandrina aho rehefa mahita jaboady sao very fa ala kitroka ihany iny ala iny an, natahotra trimobe zah tamzay mantsy fa tsy ny ala akory no atahorako.


:-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3098