mba tatanonao ry raioko

1. andriamahaydera ( 10/04/2008 09:08)
hira mpivavahana.
Misaotra sy makasitraka
novalian'i ni81 ny 10/04/2008 16:49
2. todisoa2 ( 10/04/2008 15:58)
dera hoan'ilay Nahary. Mpitantana ny diantsika @ iny "Lalana" iny!!!
3. ni81 ( 10/04/2008 16:49)
MBA TANTANONAO

Mba tantanonao ry Raiko
’Zato làlan-janakao
Ny mifidy toa tsy Haiko
Fa maniry indrindra Anao
Hitanao ny adin-tsaina
Mitambesatra ao an-doha
’Zany tsikin’ny maraina,
Toa ela vao hifoha.


Moa diso ny safidiko
Raha mandroso ka mankao
Sa ‘ty làla-nofinidiko
Dia tsy ilay voasoritra ?

Tanteraho ny faniriako
Ô, ry Tompo tena tia
Fa ‘ty zavatra iriko
Masina amiko doria.

Nefa raha tsy izay no didy
Namboarinao ho ahy
Amboary ny safidy
Sy ny ratra am-panahy

Atolorinao ny hery
Hampijoro izay nikoa
Ka sitranonao ny fery….
Sy ny ratrako ao am-po,
Sy ny ratrako ao am-po.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0832