vohoka

1. xxx ( 09/04/2008 16:37)
mitondra vohoka eo amin'ny 2 volana mahery aho izao, tsy mety mahazo aina fa reraka lava, matory foana no tiako atao, ny vavony mamely mafy dia mafy, nefa rehefa mihinan-kanina dia maloiloy. Tsy mahavita mamoaka (mandoa) nefa satria tsy misy ny avoaka, sady tsy tia mandoa no tena marina. sao mba manan-kevitra ianareo hanamaivana kely fa tena tsy tatnty ilay izy tsindraikindraiky! misaotra mialoa
novalian'i ni81 ny 19/11/2008 11:49
2. rush ( 09/04/2008 17:13)
andalovan'ny vehivavy rehetra io fa aza mikorapaka refa misy ny maloiloy,misakafo maraina, maka gouter @ 11 ora,ny torimaso no atao ampy tsara, tokony mijery dokotera sao tsy ampy fer,reo koa tena mampisy malaises,aza dia mijanona ela loatra ampandriana,mandeha tongotra, mijery magazay, manao zavatra foana tontolo andro mba tsy atorina loatra,mofo koa tsara na pates,voankazo zay lany,avela ny café fa makarary vavony sy dité mahery, ny epices koa fadiana, mahereza e, fahasoavana ny bevohoka, ilaina ny manana taranaka (l) (l)
3. rush ( 09/04/2008 17:14)
tandremana ny satroka sigara, indrindra ny mifoka azy,
4. sakaizakely ( 09/04/2008 19:45)
tandremana ny satroka sigara, indrindra ny mifoka azy,


xxx> zay zany
tandremo de tandremo ny satroka sigara
dia tsy azo fohana koa ny satroka (sigara)

:-D :-D :-D :-D

hafa be ny hevitra rush raha vao diso tsipelina fotsiny naiky tsy nimehy aho raha tsy tamininy :-D :-D :-D :-D

resaka maloiloy indray dia tsy dia misy azo atao loatra. mazana ny 3-4 volana voalohany dia tsy maintsy mandalo amin'io daholo ary tsy dia misy fanafana fa dia iaretana eo mandrampahatapitra azy.
Indrindra koa rehefa bevohoka tsy afaka mihinana fanafody donky limité ihany ny possibilité.
Ny dokotera ihany no afaka manoro hevitra mahomby, mikasika ny tokony atao,
Raha ny hitako aloha dia tsy misy afatsy ny fialantsasatra no tena zavadehibe, tsy tokony manao vizaka na mirotoroto 8-) 8-) 8-) 8-)
Fa io dia arakaraky ny fahazarana sy izay zakan'ny ainao koa. Ny mety amin'ny hafa mety tsy hihety aminao, dia izay no ataoko hoe manatona dokotera
Mahereza
5. xxx ( 10/04/2008 08:23)
misaotra betsaka! nomen'ny dokotera maalox aho, tsara dia tsara ny tsirony fa saingy tena diso mamy be loatra (soa aho fa tsy sujette à diabète), ny fer no tena adinoko tateraka ny nanontany azy.

rush, ilay mande tongotra sy hijery magazay tsy ho vitako satria kely aina iany ny tena, sady efa nanao FC ka sao iverenan'io indray. Tsy misotro café sy dité aho, ary tsy mifoka sigara. misaotra @ torohevitra

sakaizakely, mbola hisy 2 volana be izao zany ny fijaliko? maty aho mama a.
6. rush ( 10/04/2008 13:51)
diso tsipelina marina :-D :-D , fa nisy zay coprimé zay :NAUSIDOL, no anarany, mba anontanio ra mbola misy izy io, na zay solony fa tena nahavonjy, vao mifoha d mitelina pilina 1, mahazaka tontolo andro @ maloiloy izy io, hano ny malox fa tsara, aza d matory loatra fa mila mietsiketsika ny vatana,mbola mila miaritra kely fa refa teraka faly b, tsisy maty zany moa e!
7. rush ( 10/04/2008 13:54)
karakaraina tsara ny volo, ra vavy ny zanaka d ho tsara ny volony,ny tarehy koa diovina tsara foana, mila mitanin'andro kely fa mila VIT D ianao hitazomana ny calcium,mijery sy manao zavatra tsara endrika sy mahafatifaty sy tsara tarehy koa,zay tianao rehetra ataovy hanala sorisoary anao.
8. xxx ( 10/04/2008 18:59)
lahy no mba iriko, efa mba manana vavy aho mantsy, fa izay tonga eo dia ifalianay avokoa! misaotra betska rush
9. nani ( 11/04/2008 15:03)
manahoana !

Zaho koa bevohoka fa efa 30 Semaines ny ana izaho ! efa nandalovana daholo iereo nolazainao ireo , sady marina aby reo torohevitry ny namana reo .
Fa ny fanontaniko kely ho an i Rush azafady , fa maninn kay no fadiana tsy azo hohanina ny epices ? tsy mba nahafantatra izany aho , ary izaho dia nihinana foana hatraminizao !!! zay angamba ny antony tena nahazoako poids bdb !!
10. rush ( 12/04/2008 09:22)
maro ny vehivavy maloiloy, mandoha na minana na tsy minana,irrité ny vavony ka zany no tsy hinanana epices, hisotroana café sy dité,io foana no mahatonga ny ulceres satria misy mandoha ranon'afero mitsy, na ny oesophage koa aza irrité, manjary tsy mahinan-kanina nefa ny aina kely,mangirifiry sady mahasorena fatratra,tsy d finana azy loatra no mahatonga ny fahazoana poids fa ny finana sakafo betsaka, refa vita ny 4 bolana d miverina ny toe-tena, manenjika ery minana, indrindra ny faha 7 volana an-kibo no tena mampitombo b ny zaza.
11. xxx ( 12/04/2008 11:03)
tô mbola ho ela amiko izany 4 bolana sy 7 volana izany ka! mais bon, ny issue no jerena hoe d'ici 7 mois haheno kikikanjazakely! c'est réconfortant quand même :)
12. rush ( 13/04/2008 18:29)
dieny zao aho d maniry "manaova mora" e!ho tahin'Andriamanitra d ho tonga soa lay andro hantongavan'ny vahiny,na lahy na vavy hifaliana foana fa fahasoavana avy any ambony! (l) (l)
13. sakaizakely ( 14/04/2008 14:21)
za ndray klou tsy mbola naheno anzany hoe tsy mahazo mihinana épices zany; justement am lay maloiloy tsy te hihinana iny de amporisihan'ny dokotera hoe ze tsaroan'ny vava dia araraoty ny fihinanana azy

Matetika moa rehefa mampinono no ahenonana an'io, fa hoe manjary mamofona koa ny ronono dia tsy tian'ilay zaza. Nefa io dia arakarak'izay fomba mahazatra anao ihany no mitondra azy. Rehefa ao am kolontsainao ny fombafomba iray dia tsy hita loatra izay antony tokony ialana aminy rehefa bevohoka na rehefa mampinono satria ilay zaza efa zatra an'iny fofona iny tao ankibo dia tsy mampaninona azy na mamofona aza ny ronono

Ra za klou tsy nifady épices in-3 bevohoka zao, de tsy mifady koa mampinono, nefa tsy mbola nisy fotoana hoe nahifik'ilay zaza ny nono. Zay mahazatra ny reniny ihany no mahazatra ilay zaza.

xxx> araraoty tsara ny vohoka fa tsy ela zany dia ho tonga ilay menavava kely :-*
14. toubib ( 21/04/2008 12:15)
Ao anatin'ny atao hoe : "signes sympathiques de la grossesse" daholo zany ary matetika mandalo izany daholo ny vehivavy (fahoriana no hanananao anaka hoy Ilay Nahary antsika izay)Ty koa azonao andramana d 1cp isan-kariva: NAVIDOXINE comprimé d wita eo ny tohiny. Na io fotsiny atao tsy maninona.
15. tsanginoary ( 19/11/2008 11:32)
Eo @ 2 volana eo izao ny kiboko.
Dia misy fanontaniana manitikitika ahy :
Fa maninona kay no misy "perte" mivoaka foana dia hafiriana no hijanonany?

16. ni81 ( 19/11/2008 11:49)
Eo @ 2 volana eo izao ny kiboko.
Dia misy fanontaniana manitikitika ahy :
Fa maninona kay no misy "perte" mivoaka foana dia hafiriana no hijanonany?
raha izaho ianao dia manatona dokotera fa misy antony izany perte izany angamba! nefa asa aloha...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1621