Kivy ny gasy ary tsy mahatoky n iza n iza intsony !

1. lemenakely ( 08/04/2008 15:41)
Kivy ,ketraka,...ary tsy mahatoky n'iza n iza intsony ny gasy :
-Mpanao pôlitika:niaraha-nahita ny valim pifidianana farany teo
-Fanatanjahantena:raha ny baolina kitra fotsiny ohatra MAHONENA
-Zandary
-Pôlisy
-Dokotera
-Douane
-Fitsaràna
-Jirama....

Mbola maizina aloha hatreto ny ho avy fa dia MAMPALAHELO ihany ny zava-misy!!!!!

novalian'i Jeankely ny 09/04/2008 23:56
2. Veloo ( 08/04/2008 18:05)
Loza mihtsy wa lesy :(
3. ainaheri ( 08/04/2008 18:25)
Minoa fotsiny iany :-D :-D :-D
4. ainaheri ( 08/04/2008 18:29)
Tsy mivaky loha ny mpitondra sy ny manodidina azy na mafy aza ny fiainana satria any aminy ny pouvoir d'achat..ny madinika iany no mijaly sy takina zao etra sy ny forongony zao hamenona ny paosin'ny sasany
5. tess ( 08/04/2008 19:16)
efa miahàtra aty am lazaina fa tany mandroso koa io resaka pouvoir d'achat io ainaheri an! :°)
6. Jeankely ( 09/04/2008 00:00)
Ny adalan'izay kivy. Rehefa mandroso amin'ny lalana iray dia mamita azy hatramin'ny farany. Raha nofenoin'olona roram-paraky mifangaro rehoka ny kapoakanao dia ny adalanao ny nanome azy hofenoiny maloto. Raha tsy mifampatoky mbola adalana ihany satria tsy TIM ny zandary,polisy, dokotera, injenera, mpampianatra, sns ka aleo handraingiraingy rehefa tsy mifampatoky.

Safidy io ka aza mandraingiraingy. Mba ahoana raha misy firenena manafika tsy lasa mpanafika daholo indray ve ?

Ny vahoaka Malagasy miaina fa ny mpanohitra donto no tampodala-kaleha. Ny mpihira misonenika ary alaina avy andafy aza ny hirany hoe aiza ny izao. Koa ny hiran'ny kivy ve no hitomanian'ny finaritra andafy ?

Omeo izay tsy mahakivy ny feno kapoaka raha misy. Raha tsisy aleo ny olona hiasa fa aza elingelinina @ resaka tsy hinanan-kanina. Rehefa kivy dia matory fa tonga eo ny sakafo fito-loha.
7. ikaretsaka ( 09/04/2008 00:55)
Ny adalan'izay kivy. Rehefa mandroso amin'ny lalana iray dia mamita azy hatramin'ny farany.
ary raha ilay mpitari dalana no tsy lasa intsony

ohatran'ny tomobila manao rallye ka vizana motera de mbola triarina ihany ve?
na taksi borosy tokony hande tolozy ka tapaka frein etsy ambatolampy? de ho taritina hatrany ve..
tsy aleo tonga de transbordemah

8. Jeankely ( 09/04/2008 04:42)
Mbola mandeha io fa tsy mitohana izany. Porofony dia mbola velona sy miaina na sahirana aza. Ianao miadana andafy aza mieritreritra fa hiadana sahala anao daholo ny Malagasy 19 Million. Ho anay dia ny ezakao no mahavelolombolo ny fianakavianao fa tsy ny Mpanao politika hiongana ery. Raha mipetraka tsara ny ataonao na hiaova na tsy hiova ny fitondrana tsy misy akony @ fiainanao. Fa ireo zatra nitsetsitra sy samy mpanao risorison'ny fananam-panjakana no mifampivazavaza. Ny vahoaka tsy mbola nisonanika t@'ny fananam-panjakana na ny dadatoanao no nitondra na iza noho izany tsisy akony amin'ny vahoaka ny dradradradranao tia ahazo fahefana.
Firy amin'ireo be resaka no nampiasa ny fira-mpanjakana ho fitsenan'ny vadiny nefa ny Ministera tsy manana fiara hiasana? Firy no mibahana tsy mety miala @ tranompanjakana ary potehina sy entina daholo ny tao anatiny satria milaza tsara loha? Ny nataon'ny raiamandreninao jerena hoe nitondra nankaiza ary tonga taiza i Madagasikara teo aloha? Ankoatr'izay omeo izay favy fa aza asiana sira ny vorona andanitra. ASEHOY FA TSY VOKY NY TSY MISY NY VAHOAKA LAZAINA FA KIVY
9. ainaheri ( 09/04/2008 04:45)
petitjean:
tsy TIM ny zandary,polisy, dokotera, injenera, mpampianatra, sns ka aleo handraingiraingy rehefa tsy mifampatoky.


Aza miteny an'zany enao an...refa eo aminao ny pouvoir vobaikonao zay eo ambany fifehezanao,ary zay tsy manaiky d chômage izy zay an,otran'ny nolazain'ilay namana 1 zay we refa tsy mifidy TIM ny eny ambanivohitra d ampitahorina ny olona fa esorina ny mpampianatra.....,ny mpampianatra @ zany TIM aby........aza miteny we adalana ho anareo zay kivy ................ fa safidy otran'ny safidy io,ary mandainga zay tsy mbola nanenina ny safidiny raha mbola eto antany ihany ...toi anisan'zany kou ra Petitjean
10. Jeankely ( 09/04/2008 06:15)
Miala tsiny aminao aho Ra-ainaheri fa tsy niantehitra tamin'ny politika aho noho izany tsisy hanenenako. Ny fiainana eto antany indray dia fiakarana sy fidinana ary havoana sy lohasaha koa tsy misy hanenenana satria fombam-piainana. izaho tsy manaiky ary manda hatramin'ny farany fa lasa TIM daholo amin'izao ireo antoko politika efa ho 200 mahery izay mampiomehy. Eny @'ireny mpiasampanjakana ireny tsy TIM izany fa mbola ireo navelan'ny mpitondra taloha aza no betsaka satria tsy hoe roahana ny mpiasampanjakana isaky ny miova ny fitondrana. tsy TIM koa ireo ary tsy voatery. Raha TIM ny zandari-nareo dia mahagaga izany. Ny tambanivohitra ve no nampitahorina sa ianao koa no mandrisika ny sasany tsy andeha hidina hampianatra na hitsabo any @ dezaka?
Malalaka iofaadalan'izay manenina. hisaino ny atao alohan'ny hanao zavatra. NY VORONA AN-DANITRA TSY AZO ALAINA RO. Abohay fa aza mandany andro.
11. abcdefg ( 09/04/2008 13:04)
ny mahavoan'ny malagasy dia izao:nanova mpitondra, malaky te ahita fiovana,tsy mahandry nefa samy nahalala fa manana ny politikany ravalomanana,izay niseho sy nasehony tokony nekena re!,mahay mitsara fa tsy mandinika re!hanova mpitondra no tadiavina indray izao, fa kilalao anjaza ve izao fitondrana izao re???
12. Jeankely ( 09/04/2008 13:39)
Tsy voahova mora re
ry adcde
Fa ny vorona andanitra re
tsy asiana sira re
:-D :-D :-D :-D :-D :-D
13. lovanivaina ( 09/04/2008 13:43)
Samy revo @ manahirana azy e!!! Ale ian oa m'enfoutiste. Tenamarina le oe samy manao izay mahafalifaili ny fony!!!
14. Jeankely ( 09/04/2008 13:46)
izay mahafaly ny fony eeee re!!!! :-D :-D :-D :-D
15. todisoa2 ( 09/04/2008 14:32)
zay indrindra Ra Jean e!!!
16. Jeankely ( 09/04/2008 15:11)
Ok Ra-Todisoa re!!!
17. ainaheri ( 09/04/2008 18:31)
jean bitika:
Miala tsiny aminao aho Ra-ainaheri fa tsy niantehitra tamin'ny politika aho noho izany tsisy hanenenako.


Raha fahazoako ny resakao zany tia tena ianao,na dia tsy nianteheranao aza ilay polotika ,tokony jerena iany ny fahorian'ny vahoaka madinika ,inn mou no nampahantra azy?? Ny fitondrana Politika tsy nety

18. Jeankely ( 09/04/2008 23:56)
Tsy nety hatrany amboalohany hoy aho any @ sehatra hafa any. Raha nataonao taizan-jiolahim-boto ny zaza dia lasa makorel ny vavy ary mpanendaka ny lahy. Nosimbain'ny mpitondra teo aloha ny sain'ny olona ka ny mandeha ho azy no heveriny ahazoana fandrosoana. Ny mahay risoriso no olona malaza tokony ho solontena, ny mpihira sy izay manaitra fotsiny no fidiana avy eo milaza leo. Ny fototra mihintsy no simba avy eo mbola tadiavina hiverina ihany ny fanimbana fototra.
Ny vahoaka madinika tompoko madinika hatrany fa tsy ianareo no ahalasa ny fiainany hiova tampoka.
Ny tia ahazo seza no betsaka.
Mandrotsa maromaro vao mety ahazo ny sain'ny vahoaka madinika. Efa leo ny fampiresahana ny vahoaka madinika. Asaivo manapaka tetezana na mifandraoka indray ny vahaoaka rehefa tia ahazo seza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0412