Iza ary no tena mpanohitra

1. ikaretsaka ( 06/04/2008 19:20)
Mba Eritreritra ho'a ity.
Marina sy tsy azo iadian-kevitra fa samy manana ny fijeriny momban'Andriamanitra isika, samy manana ny fijeriny momba izay hanovozana ny relationship eo amin'Atra sy ny olombelona izay koa, samy mampiasa fomba maro samihafa hifampitondrana hafatra, na boky iznay na sary izany na film iznay na mozika izany na inona

tato ho ato dia misy namana iray izay, rehefa mandeha eo ny adihevitra ka tsy mitovy hevitra aminy amin'ny fanehoan-kevitra sy firehana aminy ny olona iray dia ny zavatra lazainy farany . "mpanohitar ny tenin'Atra" hono!
Resaka Tenin'Atra , na momban'Andriamanitra anefa no resaka amin'io an.
ary samy mampiasa "teny" nalaina tao anaty baiboly ny 2 tonta hanamarinana ny heviny

dia mba lasa eritreritra aho hoe rehefa le teny ohatran'ny inona sy manohana ny cause ohatran'ny ahoana iznay no tsimponina ao dia atao heo manohitra dia rehefa teny inona sy manohina ny cause ohatran'ny ahoana dia manaraka?
novalian'i fijo ny 09/04/2008 22:16
2. pissoa ( 06/04/2008 19:39)
:-D :-D :-D Miverina amin'ny hevitro atsy ambadika aho eto :

Rehefa tsy "mandaitra" ny fitoriana dia ny mandini-tena sy ny fitoriana natao (ny hevitra sy ny fomba) no minimum tokony ataon'ny mpitory fa tsy manao conclusion amin'ny fiainan'ilay itoriana ihany.


Eto moa ilay izy tsy fitoriana tsy nandaitra akory fa vao hevitra tsy hitoviana dia efa ...
3. Rasiligaoma ( 07/04/2008 05:20)
miombona hevitra amin'i pissoa
4. Rground ( 07/04/2008 07:56)
Miombon-kevitra amin\'izany koa.

Manohana izay fandihin-tena izay koa aho, f\'izay tokoa no toa anisan\'ny porofo hahatsapàna fa voafehy ny fitoriana

Ny Tenin\'Andriamanitra moa araka ny voasoratra dia tsy maintsy hanao ny asany foana vao miverina any aminy, ... fa ny olombelona mampiasa izany no tsy manampaharetana fa matetika manantena valiny eo no eo, handresy lahatra eo no eo ...

Dia avy eo tokoa anie ry ikaretsaka ny olona mba liana te handray anjara na te handray toro hevitra mahita ny \"adin\'ny mpitory\", tsy hitany izay ho raisina...



5. fahamarinana ( 07/04/2008 08:03)
:arrow: Miombon-kevitra ihany koa amin'ny pissoa sy rasili ,ilay fandinihan-tena ilaina tokoa satria mazana na tsara sy marina aza ilay teny toriana dia sarotra ny mandray azy rehefa mitratrevatreva ny mpitory ,marina fa voalaza hoe izay manaraka any Kristy dia ho henjehana dia toa izay foana mazana no atao fanampin'ny Teny ho entiny handresena lahatra ny iray.Ary ny tena tsy dia zakako dia miafara amin'ny fitsarana ny mpanaraka dinika nefa fifanakolazana no atao.Indraindray toa mila hilaza fa ny an'ny tena ihany no tena finoana sy tena marina .
Tsy hitako taratra ndraindray ilay fitiavana hizara fa lasa fanerena ankolaka dia fitsarana be izao. Ialàna tsiny raha misy tafitohina.(l)
6. Fody ( 07/04/2008 09:44)
dia mba lasa eritreritra aho hoe rehefa le teny ohatran'ny inona sy manohana ny cause ohatran'ny ahoana iznay no tsimponina ao dia atao heo manohitra dia rehefa teny inona sy manohina ny cause ohatran'ny ahoana dia manaraka?


Hamaliko azy sy hilazako ny hevitro dia izao:

1 - Ny Baiboly tonga eny an-tanantsika dia efa nandalo mpandika teny. Noho izany tsy maintsy misy ny zavatra latsaka teo am-pandikana azy. Manampy an'izay dia sarotra ny mahazo azy io noho ny kolon-tsaina tsy mitovy, noho izany mbola mila mpandalina hafa koa isika. Ny fandalinana anefa dia tsy ilaozan'ny subjectivité ao anatiny, fa tsy misy mihitsy ny hoe manao fandalinana 100% objectif.
Ireo antony ireo dia miteraka tsy fitoviana....

2 - Ny mahatonga ny tena hanao reaction somary enjana amin'ny sasany eto dia izao: ny filazana zavatra tsy marina nefa itompona teny fatratra ho marina, ary terena ho marina fotsiny. Tsy misy tohan-kevitra anefa io. Na misy ihany fa zavatra tsy misy, na zavatra noforoporon'olona tsy fantam-pihaviana. Ohatra: resaka finoana katolika no resahana nefa zavatra nosoratan'olona tsy mahalala ny momba ny Finoana katolika akory no entiny hanamarinana ny heviny.

3 - Na izany aza dia misaotra e!
7. Rground ( 07/04/2008 10:16)
Eny tokoa ry fahamarinana... eto aho vao mandinika... vao tsy ela aho no teo amin\'io toerana voalazanao io saingy tsy teto amin\'ity serasera ity fa tamin\'ny toerana iray nampihavana (nanao \"arbitre\") ny samy mpino izay araky ny fihevitro efa tokony ho matotra ara-pinoana ka hahay hifanaja...rehefa niha-henjana ny raharaha satria samy namoaka ny tao am-pony ka misy tsy manaiky hanetry tena izany mihitsy, dia izaho ilay nantenaina handamina indray no tratra tao anaty fandrika, ka lasa niha-nivatravatra, nibedy, nitsara, nanery an-kolaka ny amin\'ny fitondrantena tokony hananana..sns... nefa efa \"mpandray\" daholo izahay, dia ireo tsy mpandray nanatrika teo sadaikatra ihany na mafy toy ny inona aza ny faniriany te hanolo-tena satria mahita ny fifandirana nisy teo izy...

Isaorako anareo aloha fa dieny ny mbola eto an-tany dia efa nanadinana ahy sahady ka nahatonga saina ahy tsara MBA HANDINIHIKO TENA SY IZAY LAZAIKO amin\'ny manaraka, fa raha tsy izany tsy maintsy hanadinana ahy ihany izany any ankoatra any...ary ireo olona mety tafitohina tamin\'ny fomba fiteniko ..ouh lala??
8. majesty ( 07/04/2008 11:54)
Pissoa:
Rehefa tsy "mandaitra" ny fitoriana dia ny mandini-tena sy ny fitoriana natao (ny hevitra sy ny fomba) no minimum tokony ataon'ny mpitory fa tsy manao conclusion amin'ny fiainan'ilay itoriana ihany.


mandini-tena :?:
mahay mamantatra ny tenan-tsika ve isika?
Ny atahorana mantsy raha isika ihany no mandinika ny tenan-tsika dia izay tian-tsika ho dinihina ihany no dinihin-tsika ao,fa mety misy zavatra tena ilaina dinihina ny momba antsika nefa tsy tian-tsika.Eo ihany koa no ilàna ny hafa mba hanampy antsika,kanefa na ny fomba fijerin'ny hafa aza,dia samy manana ny azy,ao ny tia manasongadina ny tsy mety,nefa ao koa ny manindraindra ny mety dia eo no mipetraka ny fanontaniana hoe,ahoana no tena ahafantaran-tsika ny tenan-tsika!!! :D
9. cutie ( 07/04/2008 12:46)
majesty
tsy le manao sapile ve zany :-D :-D :-D :-D :-D :-D
10. ikaretsaka ( 07/04/2008 14:11)
majesty:

Pissoa:
Rehefa tsy "mandaitra" ny fitoriana dia ny mandini-tena sy ny fitoriana natao (ny hevitra sy ny fomba) no minimum tokony ataon'ny mpitory fa tsy manao conclusion amin'ny fiainan'ilay itoriana ihany.


mandini-tena :?:
mahay mamantatra ny tenan-tsika ve isika?
Ny atahorana mantsy raha isika ihany no mandinika ny tenan-tsika dia izay tian-tsika ho dinihina ihany no dinihin-tsika ao,fa mety misy zavatra tena ilaina dinihina ny momba antsika nefa tsy tian-tsika.Eo ihany koa no ilàna ny hafa mba hanampy antsika,kanefa na ny fomba fijerin'ny hafa aza,dia samy manana ny azy,ao ny tia manasongadina ny tsy mety,nefa ao koa ny manindraindra ny mety dia eo no mipetraka ny fanontaniana hoe,ahoana no tena ahafantaran-tsika ny tenan-tsika!!! :D


misy guidelines tsotsotra nosoratako momban'ny fandinihin-tena
http://ikaretsaka.skyrock.com/
11. pissoa ( 07/04/2008 14:13)
majesty:
mandini-tena
mahay mamantatra ny tenan-tsika ve isika?
Ny atahorana mantsy raha isika ihany no mandinika ny tenan-tsika dia izay tian-tsika ho dinihina ihany no dinihin-tsika ao,fa mety misy zavatra tena ilaina dinihina ny momba antsika nefa tsy tian-tsika.Eo ihany koa no ilàna ny hafa mba hanampy antsika,kanefa na ny fomba fijerin'ny hafa aza,dia samy manana ny azy,ao ny tia manasongadina ny tsy mety,nefa ao koa ny manindraindra ny mety dia eo no mipetraka ny fanontaniana hoe,ahoana no tena ahafantaran-tsika ny tenan-tsika!!!


Ohatran'ny misy teny/hevitra latsaka tamin'ny noteneniko ! :-D

Ilay zava-misy lazain'i Ikaretsaka mantsy dia hoe rehefa tsy mitovy hevitra aminy dia lazaina hoe manohitra ny tenin'Andriamanitra ! Dia hoy aho hoe :

1 - Mila mandini-tena ny mpitory
2 - Mila mandinika ny fitoriana ataony (na ny hevitra na ny fomba)
3 - Minimum tokony atao ireo 1 sy 2 ireo !

... fa tsy tonga dia manao conclusion mikasika ilay olona hitoriana. (Ilay conclusion eto dia hoe mpanohitra ny tenin'Andriamanitra ireo).

Tsy misakana ny fihainoana ny hafa ireo (ary rehefa mahay mihaino ny hafa dia heveriko fa tsy mikorisa lava ny fitenenana hoe mpanohitra ny tenin'Andriamanitra ireo ! ). Tsy manohitra ny tenin'i Majesty aho amin'ny hoe ilaina koa ny mihaino ny hafa (omeo dikany ny hoe Fiangonana), na hoe sarotra izany mandini-tena - fa manazava na mamerina fotsiny ny teniko tery ambony ! :-D :-D :-D

Cutie : izaho aloha tsy niresaka sapile. Dia azoko antoka koa fa rehefa i majesty no miresaka fandinihan-tena dia tsy sapile no ao an-tsainy. :-D
12. ikaretsaka ( 07/04/2008 14:19)
Ohatran'ny misy teny/hevitra latsaka tamin'ny noteneniko !

Ilay zava-misy lazain'i Ikaretsaka mantsy dia hoe rehefa tsy mitovy hevitra amin'ilay soi disant mpitory ny hevitr'ilay olona mihaino azy" dia lazain' ilay soi disant hoe mitoey hoe manohitra ny tenin'Andriamanitra !
:

io no tiako ambara ...
misaotra

13. cutie ( 07/04/2008 15:30)
pissoa
za nga niteny we njy no milaza we resaka sapile =)) =)) =)) =))
14. cutie ( 07/04/2008 15:32)
Dia azoko antoka koa fa rehefa i majesty no miresaka fandinihan-tena dia tsy sapile no ao an-tsainy.

za nga moa mahalala ze any an-tsain'i majesty :-D :-D :-D :-D
15. pissoa ( 07/04/2008 16:17)
:-D :-D :-D :-D :-D
16. andryrabe ( 07/04/2008 18:34)
samy miezaka ny hanaraka an'Andriamanitra dooly isika rehetra e, f'angah moa de ho voaaraka amin'ny antsipiriany io baiboly io? miezaka ny tsirairay fa mbola latsaka foana ihany satria olombelona. na ny mpitory na ni hitoriana samy mianatra dooly.
17. ikaretsaka ( 08/04/2008 00:54)
cutie> tsy hitako mihitsy no nidiran'i sapile teto
18. majesty ( 08/04/2008 08:41)
mampihomehy mintsy koa cutie sy pissoa :D
Pissoa : miombon-kevitra tanteraka amin-njy aho fa ny tiako ho marihina hoe tena hain-tsika tokoa ary ve izany ny mandinika ny tenan-tsika.
cutie: tsy mampiasa sapilé ka :D
ika: tsy mahita an'le jereo eto fa sady miraikitra ny connex no manararaotra kely @ le fotoana malalaka fa tsy aleo mba fintinin'isé eto raha tsy mahadiso.
Misaotra mialoha!
19. ari.malala ( 08/04/2008 08:51)
ekena fa samy mianatra dooly, fa tsy hoe refa miteny enao ohatra, ka tsy mazava ny tianao tenenina k angatahana fanazavana enao d sad mody fanina no aodina ny valim-panontaniana, de refa mi insiste le mpanonteny d lazaina fa manohitra amzay.. na ohatra hoe misy zavatra itompoana teny d tenenina hoe ts zany le iz fa zao d omena dool ny arguments rehetra anamafisana ny tsy mahamarina ilay voambara, d enao nefa miseho ho stubborn ary nenao iany no anao (enfin ts andryrabe no tiako asiana teny fa mis manao anzany ato)
20. fijo ( 09/04/2008 20:39)
mitovy hevitra amin'i pissoa ery ambony ery aho momba ilay hoe "raha tsy mandaitra ny fitoriana"

misy mantsy tsy mitory fa manesika toa ny mamahana gisa .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3503