Ny OLANA: Mpitondra, Mpanatanteraka, Vahoaka tsy iray lalana
1. Jeankely
(
03/04/2008 02:11)
Izaho moa dia resaka Madagasikara manolohana ny firenena hafa no jereko fa tsy ny lohan'olona mitondra hoe iza izy na iza izy. Ny zavatra hita sy hiainana dia samy maka ho azy ny Mpitondra, Mpanatanteraka, Mpiasampanjakana, Tsimiankina, Vahoaka. Rehefa tonga ny tsy fetezan'ny natao satria olana foana no mitranga dia mifanome tsiny sy mifanilaka. Na iza na iza mpitondra raha mbola samy maka ho azy fa tsisy izany fiarahana hanenjika tanjona iray izany dia zava-poana fa ny hanolo Filoha, Praiministra, Ministra, SG sy ny DG sns no mifanesy eo.
Tairina ny vahoaka rehefa hifidy dia ny fony no tairina fa tsy ny sainy hoe ho aiza. Avy eo manontany tena hoe fa ahoana tokoa moa no nifidy an'ireto izahay. Ny Administrateur Civil tranainy mbola miasa ve ohatra dia manaiky fa tokony hovana ny fomba fiasany, tsia tompoko. Ny Mpiasampanjakana ambony ve mahatoky izay politikan'ny fanjakana? Tsia tompoko fa ny sezany no manahirana azy. Ny Tsimiankina ve miray saina izy samy izy na mifanaraka @ Mpitondra, Tsia koa. Ny ONG, tena ny tanjona sa izay ahazoana Projet, ianao no mamaly. Ny mpitondra lazaina koa fa ny hameno ny paosiny no ataony. KOA INONA NO MAHAGAGA RAHA RESY? Samy tsy mahay mijery tanjona iray ho an'ny firenena.

novalian'i Jeankely ny 03/04/2008 05:40
2. ravatorano
(
03/04/2008 05:10)
misy marina ny voalazan'i ra zàkely ary io toe tsaian io no isan'ny tsy mampivoatra ny malagasy mihitsy
ny privé aloha tsy hijery afa tsy ny benefice-ny ihany
ny mpitondra izay tonga eo dia faly hamikitra ny sezany daholo fa zara raha mahavita asa ho an'ny firenena
tena mampalaelo tokoa e
ny privé aloha tsy hijery afa tsy ny benefice-ny ihany
ny mpitondra izay tonga eo dia faly hamikitra ny sezany daholo fa zara raha mahavita asa ho an'ny firenena
tena mampalaelo tokoa e
3. Jeankely
(
03/04/2008 05:40)
Averiko ihany ravatorano fa ao amin'ny systeme iray dia tokony miasa daholo ny elements rehetra ao anatiny. Ekeko fa moteur ny mpitondra na izany aza ireo hafa no tena tiako hisisihana hoe avy amintsiaka jiaby no ahafahan'ny mpitondra manarampo sy tsy mahavita inoninona.