Hisy farany sa tsy hisy farany!

21. majesty ( 04/04/2008 06:13)
hoy fijo:
ny fara andro aloha ,dia efa ela no tsy ninoako,fa raha ny fiafaran'ny fiainana eto an tany kosa,mety hisy io.izany hoe mety hisy fotoana,aharingana ny karazana"olombelona"fa mety zavamananaina hafa no hitranga eto.dia isika indray eo le mitovy amin'ny dinozaoro.taolana aby sisa

raha niampy finoana ny fara andro dia feno tanteraka,sady izay mintsy no tiana ho asongadina.

Fody: tsy ireo mpiditra fiangonana sy mpamaky baiboly io olona io ka ny fomba fijeriny io nolazainy io, :D
22. Rasiligaoma ( 04/04/2008 06:30)
ka ity fomba filaza ity farafara andro nao ity mihitsy no mivaralila ko.
lasa atao biby fampitahorana ilay andriamanitra fa tsy fitiavana intsony . lasa karazana fangalana kil sarintahotra
23. Rasiligaoma ( 04/04/2008 06:38)

tsy ireo mpiditra fiangonana sy mpamaky baiboly io olona io ka ny fomba fijeriny io nolazainy io

ny fanantanterahana ny sitraky ny ray hivelomana manana an'i Jesoa anie no important e
dia io voalazan'ny namana Fody io ambony io

Hamehezako azy dia hoe "Croire en l'homme" ry namana fa na Izy Andriamanitra aza mba manana an'izany toetra izany.

1 - Ny olombelona dia nomena saina sy ny fahafahana rehetra hafahany hifehy ny tany sy ny zavatra rehetra (Jenezy 1, 26 - 28 ). Betsaka ny zavatra tsy hay eritreretina efa vitany. Ary izy Andriamanitra dia manampy azy sy miara-miasa aminy ary mampirisika azy ny amin'izany. Ka raha mihamafana ny tany sns... dia inoako fa ho hitan'izy olombelona ihany ny fomba hifehezana izany toe-javatra izany.

24. fijo ( 04/04/2008 20:58)
ka tsy hisy andro hifaran aizany eo e.karazana no hiova,fa tsy ny andro no hifarana
25. xxx ( 05/04/2008 01:30)
Nomarihiko manokana ny tenin'ilay rangahy iray izay,hoy indrindra mantsy izy hoe : " Na tsy misy aza izany fara-andro izany dia toa mino aho fa tsy maintsy hifarana ihany izao tantaran'ny tany izao" fa inona ny antony hoy aho,dia hoy izy: "Jereo,efa mihamafana foana ny tany,ny ranomandry vao maika miha mitsonika hatrany,ary manamafy izany ny haino aman-jery maro samihafa hoe,mety hiakatra 1metatra ny haavon'ny ranomasina,dia ho maro izany ny nosy ho tsy hita intsony" hoy ity rangahy ary mbola nampiany hoe, jereo hoy izy fa na ny tontolo iainana aza efa miha-simba,ny biby miha-ringana,eny fa na dia ny olona aza raha tsy hiteny ny famonoana mahatsiravina miseho atsy Afrika,sy ireo foko efa miha lany tamingana etsy Aostralia,ny toetra feno habibiana sy herisetra vitan-ndraolombelona manginy fotsiny.

Vision trop pessimiste, izay mifanohitra tanteraka @ fijery kristianina. Karazana firaviraviana tanana eo anatrehan'ny zava-misy io.
Signes de temps ireo. Ary Andriamanitra dia mi-interpeller antsika manoloana ny zavatra mitranga. Ka mitaky attitude de discernement sy fandraisana andraikitra ireo : Inona ary ny hafatr'Andriamanitra amintsika manoloana ireo zava-misy ireo ? Inona no tokony hataontsika
Mampisy fanantenana kokoa izay noho ilay hoe : farano any @ izay rangah

Ary tadidio ihany koa fa l'histoire humaine est escatologique mais non prontologique. Izany hoe : tsy mihemotra na ankany @ faharavanafa miroso any @ fahalavorariana hatrany. Tsy manana fanantenana fa miara-miasa amintsika Andriamanitra.
Pakan'i Kristy izao sikino hatrany ny Fanantenana handresena ireo endrim-pahafatesana @ fiainana ireo.
26. niryna ( 05/04/2008 05:51)
majesty:

:-w :-w :-w

itan'ilay rangahy marina tokoa,ary miha-mihena ny fitiavan'ny fianankaviana ,ny ray hankahala ny zanaka ,(reny namono ny zanany telo dahy fa tsy tiany omena ny fanjakana izy ireo noho ny ditrany mifoka rongony ary tsy maintsy endahina aminy ny zaza ),ny zanaka hankahala ny ray(ankizy roa lahy namono ny rainy sy ny reniny fa maika ihinana ny lova kanjo tena nandova any am-ponja )
Ary miha manalavitra ny tenin'ATra ny olona(ny sainy sy ny siansa no hitadiavana porofo izay tsy azo porofona ny finoana ),manjaka daholo izao fady rehetra izao,ny lahy te ho vavy ny vavy mampaniry volotratra kanjo niteraka ilay vehivavy nanova tena ho lehilahy :roll: be volotratra fa be kibo,be sampona ny olona,saingy na izany aza dia tsy miova kristy,omaly sy anio ary mandrakizay,mbola manao fahagagana maro,mbola manasitrana olona maro na ara-batana na aram-panahy,mbola mandroaka ireo liona mirenireny mitady izay aripany erak'izao tontolo izao,dia ny asan'ny satana izany.
Hisy farany anefa ny herin'i satana ka izany no anaovany fara-doboka miandry izay mivadika amin'Atra
27. Rasiligaoma ( 05/04/2008 06:10)
Vision trop pessimiste, izay mifanohitra tanteraka @ fijery kristianina. Karazana firaviraviana tanana eo anatrehan'ny zava-misy io.
Signes de temps ireo. Ary Andriamanitra dia mi-interpeller antsika manoloana ny zavatra mitranga. Ka mitaky attitude de discernement sy fandraisana andraikitra ireo : Inona ary ny hafatr'Andriamanitra amintsika manoloana ireo zava-misy ireo ? Inona no tokony hataontsika
Mampisy fanantenana kokoa izay noho ilay hoe : farano any @ izay rangah

Ary tadidio ihany koa fa l'histoire humaine est escatologique mais non prontologique. Izany hoe : tsy mihemotra na ankany @ faharavanafa miroso any @ fahalavorariana hatrany. Tsy manana fanantenana fa miara-miasa amintsika Andriamanitra.
Pakan'i Kristy izao sikino hatrany ny Fanantenana handresena ireo endrim-pahafatesana @ fiainana ireo.

-
Ny olombelona dia nomena saina sy ny fahafahana rehetra hafahany hifehy ny tany sy ny zavatra rehetra (Jenezy 1, 26 - 28 ). Betsaka ny zavatra tsy hay eritreretina efa vitany. Ary izy Andriamanitra dia manampy azy sy miara-miasa aminy ary mampirisika azy ny amin'izany. Ka raha mihamafana ny tany sns... dia inoako fa ho hitan'izy olombelona ihany ny fomba hifehezana izany toe-javatra izany.

izay no valiny
28. majesty ( 08/04/2008 10:40)
rasili:
ka ity fomba filaza ity farafara andro nao ity mihitsy no mivaralila ko.
lasa atao biby fampitahorana ilay andriamanitra fa tsy fitiavana intsony . lasa karazana fangalana kil sarintahotra

Tsy fara androko ka,fa fara-andron-tsika sa isé tsy mino ny fisian'izany.
Fa angah moa ny fara-andro dia natao hampitahorana rasili a,io rangahy io zao tsy andriny izay ahatongavan'izany fara andro izany hamarana ny fahoriana iainany izany hoe mety mba miandrandra fiainana vaovao izy sa ahoana hoy isé.Manarak'izany,tsy tsaroan'isé angah ilay hira hoe :

"Hiara-mizotra isika ho any
Jerosalema vaovao
Tsy hisara-mianakavy
Fa hifanatri-tava @ Ray
Mandrakizay"

donc,rehefa mifarana izao andro izao izay isika vao ho any Jerosalema vaovao,donc vaovao mahafinaritra izany fa tsy fampitahorana :D
29. ikaretsaka ( 08/04/2008 16:26)
amiko aloha dia ny fizarana fitiavana no ahatonhavana any jerosalema vaovao fa tsy ny fampitahorana @ izay am-parany any loatra e

tohizo anie ny tohin'io hira io dia mandehana any @ refrain fa tsy misy resaka devoly sy satana sy wawawa aby fa ny ny hoe hihoby ny tompo no tena foto-kevitra e
30. majesty ( 09/04/2008 13:24)
tsy misy resaka fampitahorana mintsy ange ao ra ika e;fa ilay saina mintsy no raha vao mieritreritra hoe fara andro d loza zay,sns
31. ikaretsaka ( 09/04/2008 14:24)
misy teny hoe "ny olona tsy manank-katao amin'ity fiainana ity no mieritreritra sy vaky loha sahady @ izany am-parany izany
32. cutie ( 09/04/2008 19:46)
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
33. fijo ( 09/04/2008 22:01)
tsy misy resaka fampitahorana kosa aloha ilay izy e.fa resaka vinavina ny mety hisy na tsy hisy no ao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0589