Tafika masina :nandresy lahatra ny tsy mpino sy ......

21. fijo ( 01/04/2008 22:03)
2. Mpandefa : Rasiligaoma [ Valio ] 01-04-2008 07:22:08
Lohateny : Re : Tafika masina :nandresy lahatra ny tsy mpino sy ......
croisade version moderne indrai no hiafaran'ity le


izao ngaha ialahy vao gaga amin'izany?
22. Rasiligaoma ( 02/04/2008 05:29)
raha finoana hafa tokoa no manafika anareo , ho tantinareo ve?
23. Rground ( 02/04/2008 08:00)
.... niryna nilaza hoe tokony handinika ny anjara- fitoriana ny tsirairay, miombo-kevitra aminy aho, ...

Hatreto izany ry zareo, dia inona no tokony hatao raha te-handresy lahatra ny tsy mpino?

---> ny hevitro araka ny fahatsapàko ny fitoriana handrasana amiko dia fijoroana vavolombelona tamin'izay nataon'Andriamanitra tamin'ny fiainako ka nandresy lahatra ahy, ary ny fitondran-tenako eny amin'ny rehetra eny no hitarafan'ny mpino hafa ( namako silamo; boudhiste) ny herin'ny Andriamanitra hivavahako... hatramizao ny namako vietnamiana izay no te-hanaraka fa tsy haiko ny mitarika azy any am-piangonana..izy tsy miteny gasy.... ilay silamo indray ny azy tsy fantany tsara akory ny tena fandehany...

Maniry ny hahafantatra ny anareo aho,...
24. Rasiligaoma ( 02/04/2008 08:31)
ny tenako tsy pour loatra ilay mijoro vavolombelona satria amiko dia

-samihafa ny olombelona, ary samy nomen'Andriamanitra anjara fahasoavana sahaza araka ny tsirairay avy isika (raha nitovy mantsy isika dia toy ny robots sy piece detaches ary ordinateurs)

- ka izay nety sy fahasoavana azo sy nety tamin'i RGround akory tsy voatery hiety amin'i Rakoto na i Mahomet, na i Boudha na i Maihol, izay no maha samihafa azy! raha miteny ianao ohatra hoe nivavaka dia nahazo zanaka ohatra ny fahasoavana nomen'i Jesoa anao dia mijoro vavolombelona amin'iny , possible heo ny olona hijoroanao vavolombelona mety ny hamelomany ny zanany be loatra aza no tadiaviny sy maha poritra azy!

Amiko ny asa fitoriana dia ny fiainana azy amin'ny andavanandro amin'ny atao, fihetsika, adidy,...
io no Hitahafan'ny olona sy hahatsapany kokoa ny asan'Andriamanitra ao aminao ka mahatonga azy hikitikitika sy handinika ny fiasan'Andriamanitra ao anatiny koa!
tsotra fotsiny amiko ny asa fitoriana, dia ny fampanjakana fitiavana sy fanasoavana ny manodidina ary ny fanajana izany
25. Rground ( 02/04/2008 13:17)
Miombo-kevitra tsara mihitsy aho amin'ilay hoe... "samihafa ny olombelona, ary samy nomen'Andriamanitra anjara fahasoavana sahaza araka ny tsirairay avy isika"...

Ary marina tokoa fa eo am-pijoroana vavolombelona amin'izay nihatra tamiko sy izay naha-resy lahatra ahy, tsy nanantsaina nandinika akory hoe mety tsy misy miraharaha izany akory anie, fa izay maha-poritra ny olona ihany izao no maha-may azy... ary mila mieritreritra tsara aho fa sao hafa ny fandraisan'ny olona an'izany...

Raha tsy hijoro ho vavolom-belona indray, dia ny fiainako taloha, nankalaza ny "zen" (boudhisme) sy ny "peace and respect" (Rasta), ary ny fahendren'ny Indiens d'amerique no hitako mifandray tsara amin'ny voalazanao Rasiligaoma, satria be fitiavana sy nanana namana maro be aho, eny fa na dia fantatro izao aza fa ny hamingana ahy, vitako ny nitia sy nanasoa ny manodidina ahy...
...fa nony nandray an'Andriamanitra aho, henjana ny hasiakan'ny manodidina, na ireo milaza ho mpino na indrindra ireo te-hino fa tsy sahy, ny tsy mpino moa tsy mety mino fa lazain'ireo ho misy ambadika...
..mba te-handresy lahatra ihany koa anefa aho sao izay no mba handrasana ahy nohon'ny nanafahana ahy...
...inona moa no tena fahorian'olombelona?
26. niryna ( 02/04/2008 15:21)
ikaretsaka:

azavao ny maha diso fihevitra ahyaza!
rehefa miady hevitra amiko hoa alefaso miaraka amin'ny convincing arguments!

raha misy hoa fitoriana ny tenin'andriamanitra (ireny koa mino fa tenin'Atra, araja ny fijeriny azy no toriany an..... aoka hazava) ka itorian'ireny ianao dia ahoana hoy ianao..

dia aza adino koa: firifiry ny mpino lasa tsy mino intsony??

be real hoa fa aza manofinofy!

tsy afaka ny andresy lahatra ny olona tsy mino an'i kristy aho,anjaranao no mahalala ny lalana alehanao ,dia izay vita tompoko ,efa tsy ao aminao ny fitiavana an'i kristy dia tsy ao izy ,tsy anjarako ny hanova ny fonao anao azy ho tompo sy mpanavotra ary mpanelanelana anao an'Atra,mivavaha aminy dia ho fantatrao ny lalana tokony alehanao,izy no hanafaka anao ,izy no hamonjy anao,ary any aminy ny varavarana andehananao any an-danitra ka ny fonao no hiandrasany hanatona azy dia mandeha daholo ny zavatra rehetra.
Mandehana hoy izy mitory ny filazantsara erak'izao tontolo izao,tsy mila mandeha any akory dia efa vita ,eto amin'ity sehatra ity izao dia ohatra iray,izay mandray tsara izay tsy mandray izy aza tsy mandray dia toy izany koa hianao. tandravadikoditra angaha no hilazaka azy aminao
vita tompoko

27. niryna ( 02/04/2008 15:24)
Rasiligaoma:

andramo fa efa teo aho no niala ry majesty o

ooops ,nisy nanipy gant ato izany ,hitako no toheriny daholo ny tenin'Atra? fa inona no nampianariny anao no diso lalana hianao? no dia kivy sy hoe teo no niala?
"ny lanitra sy ny tany no ho levona fa ny teniko tsy ho levona hoy i kristy" ny dikany tokony hitory ny tenin'Atra isika mandra-pialan'ny fofon'aintsika.
Tsy nahita fahasoavana angaha i rasily? tsy mba tsampanao angaha fa na inona mitranga amintsika ny miaraka aminy tsy ho very fa omeny fahafahana sy fifaliana ary fanantenana foana?

:cry: :cry:
28. niryna ( 02/04/2008 15:28)
kanota:

Andramo raha tia ho sahirana. Ny Malagasy dia anisany TSARA FO ka izay miresaka aminy dia henoiny ary hisainany ka harahiny raha mahaliana azy. Ny sasany tsy sahala izay fa na diso ianao na marina dia mahita faisana koa mitandrema. Rehefa @ toerana hanjakan'ny christian dia mamokovoko fa aza mitapy @ tany Silamo. Sinoa bedebe ireo aza sahirana.

izay fiteny mitapy izay ilay fiainana an'izao tontolo izao,na andeha ho aiza hianao na andeha ho aiza rehefa mbola tsy tonga ny antso dia tsy maty hianao,na hitory aiza na aiza rehefa tonga ny antso,dia izay,angaha isika misy mahalala izay ho avy?
Na mipetraka eo ambony seza fotsina aza dia dangy dia ahoana? Angaha tonga dia ho faty raha hitory?
Marina izany fa matoa mietraketraka ny olona na kristiana na silamo na inona finoana dia satana no manjaka ao aminy fa tsy fitiavana satria ATra dia Fitiavana noho izany tokony ho tia ny fahavalony izany izay rehetra mahalala an'Atra

29. niryna ( 02/04/2008 15:34)
bobone:

Niryna: misaotra anao nandefa ity fa tena tsara ho fantatra tokoa izany ! maro ny olona mbola tsy mahalala fa ny mampalahelo de ity sika mpitory variana ety @ renivohotra foana ! ary olon efa mahalala no hotoriana eny marina hoe mba iazonana sy mba haha-matotra aram-pinoana ny olona fa ny tena zava-dehibe nhy any lavitra anaty ravikazo any ! aty aminay de tena henjana io mitory io ary mirotsaka an-tsehatra any @ vohitra lavitra tsena ! sns tsy misy fiara fa tongotra no miasa ary any no tena hita fa misy mirecle tsy hain'ny saina hoeritrerentina !
misaotra aky bobone a nitantara ilay tafika masina a

ary aty koa tena misy Silamo nivadika kristiana! amiko ny tena zava-dehibe de ny hampitombo ny finoan'ny olona hino an'Atra sy Jeso Kristia fa tsy fanalana ny olona hiala @ Fiangonana misy azy .

marina izany arakarany io rehefa nandray ny tenin'Atra izy ka tena mino izay amin'ny fony dia ovain'i kristy koa ny fony satria izy no nanapaka ny gadran'ny fanandevozan'ny tsy finoana ,ary dia omen'Atra tso-drano ny taranany,satria hoy ny teny hoe manome tsodrano ny taranaka mandimby rehetra Atra ary manozona ny taranaka izay manohitra azy koa.
Misy mantsy mampalahelo fa mitory izy mba hifindran'iny olona iny hivavaka any aminy ! fa taomy izy hifantoka tsara fa vAtra ihany no fototry ny fiainan'ny olona ary soa fa nisy rà latsaka ho fanavotana ny olona rehetra!
dia izay ilay hoe bzness ny fiangonany ,dia mampalahelo satria ny tena tanjona dia tsy ny hoe aty aminay no misy ny famonjena satria ny famonjena dia ho an'iny tsi11 izay mandray an'i kristy ho tompony.

Rasiligaoma : fa ahoana kosa no niala e! mila tanana izy ity an! :( :(
nanipy gant izy fa mety tsy namokatra ilay fampianarana na izy no tsy nety nandray angamba ,sa ahoana ry rasily fa mba liana koa aho?

Majesty: tena marina ny teninao fa tsy maintsy toriana izy ity e!
ka raha tsy misy aza ny mpitory de foana ny fahafantarana an'i Jeso ary very maina ny asan'ny Maminany merci e!
marina izany,torio ny teny ary anjarantsika no mamboly fa Atra no mandrombona azy raha manaiky izy
:-*
30. ikaretsaka ( 02/04/2008 19:26)
niryna:


azavao ny maha diso fihevitra ahyaza!
rehefa miady hevitra amiko hoa alefaso miaraka amin'ny convincing arguments!

raha misy hoa fitoriana ny tenin'andriamanitra (ireny koa mino fa tenin'Atra, araja ny fijeriny azy no toriany an..... aoka hazava) ka itorian'ireny ianao dia ahoana hoy ianao..

dia aza adino koa: firifiry ny mpino lasa tsy mino intsony??

be real hoa fa aza manofinofy!

tsy afaka ny andresy lahatra ny olona tsy mino an'i kristy aho,anjaranao no mahalala ny lalana alehanao ,dia izay vita tompoko ,efa tsy ao aminao ny fitiavana an'i kristy dia tsy ao izy ,tsy anjarako ny hanova ny fonao anao azy ho tompo sy mpanavotra ary mpanelanelana anao an'Atra,mivavaha aminy dia ho fantatrao ny lalana tokony alehanao,izy no hanafaka anao ,izy no hamonjy anao,ary any aminy ny varavarana andehananao any an-danitra ka ny fonao no hiandrasany hanatona azy dia mandeha daholo ny zavatra rehetra.
Mandehana hoy izy mitory ny filazantsara erak'izao tontolo izao,tsy mila mandeha any akory dia efa vita ,eto amin'ity sehatra ity izao dia ohatra iray,izay mandray tsara izay tsy mandray izy aza tsy mandray dia toy izany koa hianao. tandravadikoditra angaha no hilazaka azy aminao
vita tompoko



aminao izany rehefa tsy manao ny fombanao dia tsy mino an'i Kristy?
betsak any mino ani Kristy fa tsy manao ny fombanao!
31. majesty ( 03/04/2008 05:24)
rasili:
andramo fa efa teo aho no niala ry majesty o


Aleo aloha vitaina ny eto an-tanana dia avy eo vao miampita any fa raha vao miala km vitsivitsy an'Antananarivo anie ry zareo dia efa misy toerana mbola maizina mintsy e :D
32. ikaretsaka ( 03/04/2008 17:48)
ny ahy zao fotsiny amin'io..
raha tany ity ka izy (ilay lazainao fa conversissena) no mi convert anao ..
ahoana no ho ataonao?
33. majesty ( 04/04/2008 06:44)
izay no ilaina ny fihainoana ny hafa sy ny fanehoana ny hevitrao avy eo,mba hialàna amin'ilay mitompo teny fantatra,dia ho hita eo izay marina hizorana.
34. fijo ( 04/04/2008 21:30)
izay ahay ka fahendrena ry zalahy
35. ikaretsaka ( 04/04/2008 22:06)
izay mantsy...
aza manafika fanahy izany
36. niryna ( 05/04/2008 05:10)
ikaretsaka:

izao fotsiny anaovana azy.. ianao kristianina io .. ekenao ve raha misy silamo na hidou na boudhiste "manafika" anao ara pinoana?




feno web ao raha andeha amahana ny mahantra any Gambodia,Africa,Somalia,India,Philippine sns ...ianao,ireny dia santionany,tsy manafika izany fa mizara ny teny izay nomen'ny tompo(mandehana amin'izao tontolo izao ka ataovy mpianatro ny firenena rehetra,raha tsy andeha aza hianao ,folo no misoratra anarana ary tsy maintsy maheno ny tenin'Atra avokoa ny olona ,na tsy misy mandeha aza ny fanahy masina eo hitarika ny hafa.
Ireny toerana mahantra feno olona tsy mino ireny,manangana hopitaly,manangana fiangonana,mizara sakafo ,akanjo, fitaovana fianarana.
"Raha noana ny fahavalo,omeo sakafo izy"
"Raha mangetaheta ny fahavalo ,omeo rano izy"
37. niryna ( 05/04/2008 05:16)
ikaretsaka:

izay mantsy...
aza manafika fanahy izany


28 An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.Deot 29:28

mitory teny fa tsy manafika diso fihevitra hianao ,tsy sahy ika ,raha miaraka amin'ATra dia tsy matahotra,raha maty any moa dia izay no lahatra fa mino tanteraka aho fa raha tsy tonga ny anjara dia tsy ho faty izany na dia mazana aza ny zavatra mety hitranga ataon'ireo tsy tia ny tenin'Atra


38. Rasiligaoma ( 05/04/2008 05:18)
ahoana aloha ny fandraisanao ilay hoe "manafika fanahy" ? :-D

Midika inona izany teny iznay amin'i niryna?
39. niryna ( 22/04/2008 15:43)
majesty:

rasili:
andramo fa efa teo aho no niala ry majesty o


Aleo aloha vitaina ny eto an-tanana dia avy eo vao miampita any fa raha vao miala km vitsivitsy an'Antananarivo anie ry zareo dia efa misy toerana mbola maizina mintsy e :D

--------------------------------------
misaotra majesty a,ny fizarana ny tenin'Atra dia tsy misy fetrany,ny hoe mino sy tsy mino dia ny tsirairay io,nomena fahasoavana avokoa isika rehetra ka tokony hizara izany. Mahereza e,izay hafafy no ho jinjaina sa tsy izany ary ny fatra amaharana no amaharana antsika sa ahoana? Ny soa atao hilevenambola ary ny ratsy atao loza miantona

:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 2.8474