Saofera

1. blaby ( 28/03/2008 13:58)
Tsy fantatro ny mpihira, tsy fantatro ny lohateny fa misy an'izao ilay hira :

ilay hira:

[center]Ireny saofera ireny anie toy ny voromanidina
Mahazo izay ilainy izy dia lasa misidina
...
Mahimahina ihany ianao ry madama
Mionona amin'izay ananana
dia ny vady eo am-pelatanana
Fa sao dia mahita angano
Ka ho ravan'ireny saofera ireny ny hajan'ny tokantrano
....[/center]


Sao dia misy mahay na mahalala ?

Misaotra ô!
novalian'i faniry ny 29/03/2008 08:18
2. cutie ( 28/03/2008 14:53)
raha tsy levelo de ifanihy ny mpihira
ny tonony tsy haiko :-D
3. lemenakely ( 28/03/2008 14:57)
cutie:

raha tsy levelo de ifanihy ny mpihira
ny tonony tsy haiko :-D



hiran n ytarika MALA io hira io
4. cutie ( 28/03/2008 15:06)
zany ve :)
5. cutie ( 28/03/2008 15:10)
feno ny hirany nefa ao @ rvg ao :)
6. blaby ( 28/03/2008 15:33)
ie, toa sady tsy ifanihy no tsy levelo le izy.
lemenakely so de mba sendra mahita tonony na mp3 ? :roll:
Nojereko fa tsy misy ao amin'ny tononkira aloha e.
7. faniry ( 28/03/2008 19:16)
tsy haiko ny mpihira azy fa dia nalaza tokoa io hira io taloha


Mbola tsy mahalala indry retsy ka aoka hilazako azy
Tsy tantara valamaty izy ity na resaka vazivazy
Ireny sofera ireny anie toy ny voromanidina
Nahazo izay ilainy izy é,dia lasa nisidina

indry koa mantsy sao mihevitra
fa raha te-hahita tany
ka hirôzy any lavitra any
raha sendra tsy manam-bola
dia ireny sofera ireny ihany
no tsara iaraha-midola

tsy tadidiko tampoka fa tohizo indray...

sao dia mba ny tarika laingo no mihira an'io?tsy sur za an
8. cutie ( 28/03/2008 19:17)
eny wa
ohatraohttan'ny style laingo zany koa :-D
le we "Mala" manko ohtran'ny tsy azoko an-tsaina zany :-D
9. pissoa ( 28/03/2008 19:35)
Faniry:
Mbola tsy mahalala indry retsy ka aoka hilazako azy
Tsy tantara valamaty izy ity na resaka vazivazy
Ireny sofera ireny anie toy ny voromanidina
Nahazo izay ilainy izy é,dia lasa nisidina

indry koa mantsy sao mihevitra
fa raha te-hahita tany
ka hirôzy any lavitra any
raha sendra tsy manam-bola
dia ireny sofera ireny ihany
no tsara iaraha-midola

[Nofinofy] any izany fa sao indry tsy mahalala
Tonga any Tampoketsa any indry vao ilaozany lasa adala !
10. lemenakely ( 28/03/2008 20:09)
cutie:

eny wa
ohatraohttan'ny style laingo zany koa :-D
le we "Mala" manko ohtran'ny tsy azoko an-tsaina zany :-D



ny tarika MALA dia mihira ilay hoe TSENAN AMBOHITOKANA iny koa
ô LEVALY haravoana anie izany e
dodona jiaby e ny olona an-tanàna
...tsena ny androany tsenan AMBOHOTOKANA
11. cutie ( 28/03/2008 20:18)
ndraso aza henoiko io :)
12. cutie ( 28/03/2008 21:33)
hehehe lemenakely a
tsy style an'i Mala mitsy le sofera io e hihihihihihihi
13. faniry ( 29/03/2008 08:18)
tsy fantatr'indry koa nga mantsy
f'ireny sofera ireny
mahay mandangolango @fomba fihetsika
sy fiteny
omeny kidaon drano indry retsy
ka satry hande foana
adino ny tokantrano ary koa
ny vady dia tsaroana


mahimahiana ihany ianao ry madama
hajao izay hananana
dia ny vady eo am pelatanana
sao d ahita angano ka ho ravan'ireny sofera irey
ny hajan'ny tokantrano
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.7917