Raha vaky ny trano, ny avy nangalatra no tompon'entana
1. Jeankely (
27/03/2008 04:22)
Tsy mora ny manenjika ny mpamaky trano ary mety ny aina aza no manefa manenjika ny ratsy. Na marary aza ny fonao very entana dia mifaly sy miliba amin'ny herimponao ny mpangalatra. Ho an'ny mpijery dia tsy mahare ny ngidiny izy hoe ahoana ity foanan'ny mpangalatra ny tao antrano.
Raha firenena no resahina ka lasan'ny sasany ny volam-panjakana dia izay mpitondra no manaraka izany fa ny vahoaka koa mpitazana tsy mahalala ny ngidiny firy na volambahoaka aza no very tao.
Ny mpangalatra samy mpangalatra volam-panjakana sahala ny samy mpamaky trano mahay mifanampy ary mihomehy amin'ny mpanenjika sasa-maina.
Safidy io na hanenjika lany andro na avela andeha ka asakasak'izay hanejika io. Ny vahoaka tsy mahalala.
Mifaly ny mpamaky trano rehefa tafatsoaka.