Zaodahy
![](https://avatar.serasera.org/0ab112462ef4009a871ba9728c279115.jpg)
1. Mandefitra
(
25/03/2008 09:39)
Ny niandohan'ny teny hoe zaodahy sy ngahy naotra ... :lol:
Nisy tovovavy nipetraka niaraka t@ anadahiny hono.Nanana sipa ny tovovavy, ary dia nampidiriny an-trano. Kinanjo tonga tampoka ilay anadahiny ka nandondona :
Vehivavy : Zao dahy, zao mandondona ao ambaravarana izao.
Taitra tampoka le bandy, ka lasa nitsambikina teo ambaravarankely hitsaoka.
Tafiditra tao an-trano ny anadahin ny sipa de nanontany hoe:
Ary iza ilay ngahy nihaotra teo ambaravarankely iny?
Nivady ihany izy roa kely taty aoriana, ary dia nifampiantso zaodahy sy nganaotra ry zareo hehehe
Hatsikana ihany iny fa sao misy mahalala hoe ahoana no niandohan'ny teny hoe :zao-dahy, zao-bavy. levaly, ngahy naotra ?

novalian'i endrika01 ny 02/05/2008 14:17
![](https://avatar.serasera.org/246c380ca5a94bc839c563aa0a50a8b7.jpg)
6. Alaina
(
26/03/2008 08:11)
Misy teny hitovizana ao ami'ireo teny roa ireo, na ilay hoe zaodahy na ingahinaotra dia le we naotra (tsy haiko aloha na io tokoa no tena fototeny "racine" amin'io na ahona e) fa ny antsika dia hamoronana hatsikana kely aloha ilay ten rehefa tsy fantatra marina izay tena hevi mazava.
Tsara kanefa mety hanary ny tena heviny ka mila fitandremana ihany. Tohizo hatrany ny fikarohana fa ho hita ihany ny tea fotny avy eo : "ny hisavasavana ny raviny ahitana ny fotony", ny hikikisana ny volony ahitana ny voniny.

![](https://avatar.serasera.org/fb6af3fd86147456f9cc28e5ed8c6f5e.jpg)
8. ikaretsaka
(
26/03/2008 18:37)
Mandefitra:
:lol:
ohatran'ny t@ kabarina hiragasin-drazafindramanga berthine avy ao andohavary ro nahenoako io resaka io ko....
![](https://avatar.serasera.org/0ab112462ef4009a871ba9728c279115.jpg)
9. Mandefitra
(
27/03/2008 05:01)
Ika>Ka mba henoko koa io, fa mety mitombina hoe mpihira gasy no namorona azy.
Alaina> "ny zao-dahy tsy mba havana" ... ngamba ratsyratsy toetra ry zalahy fahiny na nitady hanjakazaka teo @ fianakavian-drazavavy ...
karazana fanilihana na fiarovan-tena ngamba no nahatonga io fitenenana io sa?
Mitovitovy ihany @ le hoe "anadahin-dreny mpamarina an-kady" ... ty efa havana ka dia ny kilemany no arangaranga mba hitandreman'ny fianakaviana ...
Eritreritra ny ahy iny an