fako

21. hery ( 21/03/2008 19:24)
Raha nandefasanao hafatra manokana (tahaka ny nataoko) ilay admin dia ho nazavainy taminao hoe naninona no nilatsaka tsy nahy tany amin'ny fako ilay dinika.

Fa nareo mou efa zatra milaza eto dia tsy hitany ilay izy :-)

22. mbaliana ( 21/03/2008 19:49)
ka eto no mikofesy koa lol
23. tess ( 21/03/2008 21:25)
tess:

fa naninona no nalefa any amin'ny fako ilay dinika n'i razamble miresadresaka ny RNS sy ny toetrandro????? nalefany tao amin'ny fiavavahana sy finoana kay??????? hitako eto mantsy fa izaho no nanoratra farany de hitako any amin'ny fako ??????:roll:


efa hitako lay dinika an!

fa nahoana koa aza ny ao am fako ao raha izany????misy mitsikarokaroka ve?????


24. kiadi ( 21/03/2008 21:40)
tsy mazava amiko ty tantara ty
25. hery ( 21/03/2008 22:13)
tess> efa nazavaiko tsara mihitsy io resaka fako io http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m47d11a1241c04 fa toy ny mahazatra nisy nanodina ny resaka t@ voalohany dia tsy hitanareo akory ilay tena resaka
26. tess ( 21/03/2008 23:09)
37. Mpandefa : hery [ Valio ] 11-03-2008 13:50:59
Lohateny : Re : Momba ny serasera
diamondra> efa novakiako ihany kosa ny resaka fako na tsy manam-potoana firy aza aho. Efa nisy resaka teto iny dia novakiako teto. Mety hoe tsy nanam-potoana firy koa ianao dia tsy nahavaky ny valiny

Ny fako dia tsy misy oul mahita na admin aza ... tahaka ny dinika manokana rehetra tsy hitan'izay tsy mpikambana ao aminy. Ary tsy misy admin mijery any rahateo Izay admin ao amin'ny fako ihany (hery lanto eugene) no mety afaka mahita raha te-hijery.

Ny antony hanasivana ny fako dia tsy hovakiana akory fa hametrahan'ny admin izay message tokony hofafaina kanefa tsy fafaina avy hatrany sao misy révendication. Rehefa mahita hafatra eto ny admin dia misy soratra hoe alefaso any @ Fako. Raha vao alefany any iny dia tsisy mahita intsony fa toy ny voafafa.

Raha sendra misy fitarainana hoe tsy hita ny hafatra kanefa tsara sns... dia azo"KO" verifier-na any. Dia izay ihany.

Ny hafatra tsirairay (valin-kafatra) dia tsy mety alefa any @ fako fa raha vao fafaina dia manjavona. Tsy maintsy dinika iray manontolo no miara-mandeha @ fako vao mety.




io nataoko bold text io no tiko hanotaniana hery ah!
tamin'ny omaly ny ps n'i ari.malala no hitako tao am fako, de androany ny ps.ko
de gaga aho hoe nisy dinika voafafa indray ve???
anefa toa tsy nisy dinika voafafa akory.....
de hoy indray aho hoe : sao ny nosoratako tany ho any no nalefa fako, anefa ny voasoratry hery io hoe ny dinika rehetra no mandeha fako....
hihihih! sa inona ny dikan'ilay ps miovaova farany nanoratra hita ao amin'ny fako io?....
juste une kestion fa tsy hoe inona akory.
27. tess ( 21/03/2008 23:18)
hery:

Raha nandefasanao hafatra manokana (tahaka ny nataoko) ilay admin dia ho nazavainy taminao hoe naninona no nilatsaka tsy nahy tany amin'ny fako ilay dinika.

Fa nareo mou efa zatra milaza eto dia tsy hitany ilay izy :-)



ah ok! mazava ary tsy hitako ity , fa efa nanoratra io ambony io aho...ka ilay manoratra eto no hitako malaky ndraindray ny valiny noho ilay manoratra mivatana any am admin ko! hay izany no antony nahitàna ny ps tess tany am fako:-P , lasa tsy nahy tany am fako lay dinika...zà manttsy gaga hoe fa naninona koa no nalefa any am fako....
misaotra namaly e!

28. ikaretsaka ( 21/03/2008 23:26)
:-P
29. ainaheri ( 22/03/2008 01:22)
Efa nandalo ve le mpandroka fako ee
30. tess ( 22/03/2008 08:32)
mbola fety izao ny andro tsy miasa ny mpiasa!:-D
31. diamondra27 ( 22/03/2008 08:36)
miala any mial any ndray ny voirie hiiii

miverina foana ty resaka fako ty ry sefo hery a!:-D:-D:-D
mivoaha arii (mi-voirie) de ampy:lol:

kay tess tsy nahita le fanontaniko tatsy ambadika fa tena nila valiny mazava tsara mitsy za t@io ary valintenin'i sefo fa tsy olon-kafa de io efa nazavainy io zany e!

fa mbola misy fanontaniana ihany ze tsy fantanay tokoa zany de we maninon ny sasany mahita manina ny sasany tsy mahita hay lasa tsy nahy any am fako zany le izy

ainaheri: mi grève e! aty marseille zahay zao;-);-)

32. tess ( 22/03/2008 08:48)
diamondra27:



fa mbola misy fanontaniana ihany ze tsy fantanay tokoa zany de we maninon ny sasany mahita manina ny sasany tsy mahita hay lasa tsy nahy any am fako zany le izy






io kou no mbola manikitikitika oe ny sasany mahita dabam-ako fa ny sasany tsy mahita:-D


33. booboo ( 22/03/2008 18:25)
ary tena manintona mihitsy angaha zao fako zao klé ?
34. Rasiligaoma ( 24/03/2008 03:12)
ka ny anareo kosa misy sakafo mbola tsara dia arianareo ko..

mbola misy katsaka tavela eny amin'ny taolany
manahazo mbola azo avadika ho bononoka
35. hery ( 24/03/2008 12:27)
:-)

hay ve izay no tena olana eto e. Hoe maninona izahay sy i lanto no mahita dia maninona ianareo no tsy mahita?

Raha ohatra ka tena convaincu hoe te hahita ny zavatra hitanay sy lanto dia afaka mifampiresaka tsara fa azo atao tsara ny manampy anay kah.

Ny mahatonga ilay ps miovaova ao amin'ny hoe nanoratra farany ao @ Fako dia tsy midika hoe nisy nanoratra akory tao, satria tsy misy afaka manoratra ao mihitsy. Rehefa misy dinika iray voafafa dia izay nanoratra farany tamin'iny dinika iny no mipetraka eo. Sa hazavaina kokoa @ lafiny teknika :-) Rehefa manoratra ianao ka nalefa any @ fako ilay dinika, dia ny ps-nao no misoratra farany eo @ ilay lisitry ny dinika manokana.

Raha tena misy mahita ny zavatra misoratra ao @ dinika manokana ianareo dia tena misy erreur goavana ny programmation-n'ity forum ity. Ary aha marina izany dia mety misy mahita dinika manokana hafa koa izany... na dia tsy mpikambana aza :-) Dia inona fotsiny no maha-dinika manokana azy?

Aza matahotra fa tsy misy afaka mahita dinika izany ianareo :-)
36. tess ( 24/03/2008 17:06)
diso fandray i hery....tsy hiady hoe hitovy am hery sy lanto akory fa hoe maninona ohatra izaho i fasaly mahita kanefa i tess tsy mahita, ilay daba-pako fotsiny io fa tsy ny fako fa fanalàna azy ny sisa, hoe maninona i kelly no mahita anefa i kiadi ohatra tsy mahita, ilay rubrik managasanga io....
fa tsy avadika ho eriteritra ratsy ilay ziy:D
37. tess ( 24/03/2008 17:10)
efa mazava ô! fa io nazavaiko io ambony io no try mazava.....
efa mazava fa tsy hisy na iray aza afaka mamaky sy mikaroka fako any hihihih
fa juste io nosoratako ambony io no kestion mipetraka am ankizy.
ny ambin'izay diaresaka manàla azy ny resaka fako fa aza raisina zavatra hafa....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3497