Resaka Otra (massage)

1. Mandefitra ( 20/03/2008 06:14)
Raha toa enao vizana na reradreraka:
- tena ilaina ve ny miotra?
- maha-afabizana ve ny otra?
- mila specialiste ve ny manotra sa ra mba rerak i madama ohatra de manotra ramose?
- mety ve ra miotra isan'andro?
- inona no vahaolana hafa ankoatry ny miotra ra mahatsiaro reraka lava?
- ahoana ny hevitry ny mpitsabo?

Misaotra @ fandraisanao anjara.
2. kalovao ( 20/03/2008 08:25)
Tandremo fa ratsy mahazatra ny otra, fa raha toa ka mahatsiaro reraka ianao motory no tsara indrindra tsy maninona ampiana safosafon'olotiana, nefa tandremo sao manampy harehana indray :lol:
3. veromahefa ( 20/03/2008 09:20)
- Bain d'alcool mahafa-bizana (araraka am vatana dia kosehana)
- mandro amin'ny ranona katrafay (mampitsotra hozatra)
- tsindritsindriana koa dia efa ety
Tsy azo atao isanandro an! mahafaka izay ho afaka aloha
Raha reraka lava? akondro be magnésium no herezo mihinana ;ronono sy tamenak'atody indraindray

Magné B6 raha fanafody ; fa manatona dokotera lou !
4. simplex ( 20/03/2008 12:14)

bain chaud less mety mahasolo otra :)

ra reraka lava dia ahenao ny asa sy ny fikotranana :°)^:^^:^
5. Mandefitra ( 20/03/2008 12:23)
Ka ny kandra tsy azo hajanona ko ... manjary tsy mikaka ny ankizy :lol:
Misoatra @ le toro-hevitra ry zareo a.
6. rush ( 20/03/2008 12:49)
ilaina ny miotra refa vizana fa mila fitandremana,tsy azo atao ny miotra isanandro fa mampalemy ny lalandrà,misy faritra @ tenany olombelona tsy azo horina:ny colone tena fadiana ny mikitika azy,ny faladia no tena tsara horina fa ao daolo ny faritra misy ny taova rehetra,mila olona mahay manotra sao manapaka indray,manala avizanana ny miotra indrindra tokoa ra ny olontiana no manao zany miampy safosafo sy orokoroka,tandremo sao lasa fanaovana zazakely (:-D:-D:-D),afaka minana magnesium,ny alohany atory no tena mety dia 2 comprimes no hanina,ny torimaso no mahasalama indrindra,fenoina 8h isakalina zany,vitamine C koa tena manampy, ny fruits zany tena tsara,araraoty dieny misy ny fruits,dia reo lazainy namana eo ambony mety tsara daolo, ho tahin'Andriamanitra,
7. mitia04 ( 20/03/2008 15:12)
za ko d marary lamosina fona fa d tsitako zé vahaolana, refa avy miotra d mba mahazohazo aina kely d ny ampitso defa marary ndray, misy aza d tsy mahita tory mintsy fa marary be, na d tsy en règle aza! efa namdramana na lé mandro am rano mafana be, sns reny fa eeee! fa andramana doli reo mbola ts nadramana reo, merci mandefitra nitaraina d nazahoana hevitra d merci doli ny mpanoro hevitra:-*:-*:-*:-*:-*:-*
8. rush ( 20/03/2008 21:49)
ny mahavoa any mitia04 io dia ny fomba fipetraka refa miasa,na manao zavatra no tsy mety,henjana ny taolan-damosina,mahitsy loatra zany izy io na mivokoka dia io no makarary anao,refa mandeha tongotra dia henjano ny laferana manatsotra ny ozatra,andramo ra mety aminao, ra tsia dia tokony mijery dokotera manao kiné ianao manampy anao,mahereza,
9. mmmhh ( 22/03/2008 14:54)
Ity ndray no hitako t@ boky : mandro @ rano mafana , de , mikobana @ rano mangatsiaka, manotra be koa, indrindra reefa vizana be ireny
10. Mandefitra ( 24/03/2008 04:48)
Misaotra an i rush sy mmmhh koa @ torohevitra.

11. niryna ( 29/03/2008 16:40)
Ny fanorana dia mety manasitra na manalefaka ilay aretina mahazo,arakarany io.Ary misy sitrana fa manala ny fanaintainana kelikely fotsiny ilay izy fa tsy hoe manasitrana akory.Ny fianarana mandray zavatra rehefa miondrika na mitondra entana mavesatra ohatra dia ilaina mba tsy ampiombo ilay aretina indray.Indraindray anefa isika dia maika ahavita zavatra na dodona loatra dia tsy mi-control an'ilay hoe rehefa mandray zavatra amin'ny tany aho dia mila miforitra kely ny lohaliko,mila miondrika ihany koa rehefa mamatotra kiraro,miforitra kely ny lohalika fa tsy tonga dia mitimgina be ery ny vo ..fa iny no misintino ny nerve ao aminny lamosina sns .
Misy karazany maro ilay izy ao ny horona amin'ny tanana,ao ny horona amin'ny machine,fandriana be fotsiny no atoriana dia iny no manotra an'ny tena hatrany amin'ny loha ka hatrany an-tongotra,ao ny seza manotra toy izany koa ary ao ny heat stimulation no anarany ,zavatra mandeha courant toa biby kely manala hidihidy ny lamosina ary iny no manampy ny nerve mba tsy hatory,ary asiany serviette mafana eo amboniny mba hanala ny fanaitainana amin'ny lamosina ary avy eo dia orony amin'ny masina indray,ary faranana amin'ny fanaovana exercice,manampy daholo ireo fa tsy manala ilay aretina akory,manalefaka ilay izy fotsiny,raha marary ny tenda ohatra ka tsy orona dia lasa mibokon'ozatra eo ilay olona ary mety mivilana mihitsy aza,mila hafanaina foana izany ny hozatra izay marary ary mila fomba atao koa rehefa matory mba tsy ampitombo ilay aretina,toy ny matory mitsilany izao dia mila ondana ny kibo raha marary lamosina ilay olona,raha mibotsina moa izany ny kibony dia tsy azo asiana ondana dia mitady hevitra indray hoe mirirana ,dia asiana ondana indray ny elaky ny fe mba tsy hifandrirotra ny lamosina,ary raha ohatra ka matory .

12. niryna ( 29/03/2008 16:42)
Ilay lamosina marary dia misy karazany roa ,ny iray lamosina ambony ary ny iray lamosina ambany.
Ilay lamosina ambony dia misy fiantraikany amin'ny hatoka ,ny soroka,ny tanana,ny ratsana.
Ary ny lamosina ambany dia io voalazako eo ambony io,ny fitombenana,ny tongotra,ny faladia.
Ireto misy karazana "exercises" dia anjaranao no mijery izay mahazo ny lamosina na ambony na ambany.
Raha manao "exercises "ka tsy vita ilay izy na marary reo am-panaovana azy dia hajanona aingana fa aza tohizana.


Raha lamosina ambony no marary dia ireo no atao ,ka manisa 10 isan'isany dia avereno in-telo.Ataovy tsikelikely ary raha vao hifoha iny no tena tsara dia rehefa tonga avy miasa indray ,ny sasany moa dia eo am-pipetrahana miasa dia afaka manao izay azo atao tsikelikely eo.
13. niryna ( 29/03/2008 16:47)
Mila manao exercice izany isika fa io no manampy raha tsy te hiotra.
Ity koa misy iray sao dia mba manampy anareo
Raha ny lamosina ambany indray no marary dia ireto no andramo atao.





---------------------------------------------------------

14. endrika01 ( 13/05/2008 14:41)
niryna:

Mila manao exercice izany isika fa io no manampy raha tsy te hiotra.
Ity koa misy iray sao dia mba manampy anareo
Raha ny lamosina ambany indray no marary dia ireto no andramo atao.





---------------------------------------------------------





Tena mampijaly lay marary lamosina.
15. tahiantsoa ( 23/06/2015 07:58)
miarahab nareo n tenako,! inona ry reto no atao f manita fôna za, sady otran marary foana ny ozatro rehetra, indrindra fa iny amin'ny atoka iny rehefa mpetraka ela,?
! Misaotra anareo tompoko !!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1748