jirama
1. rush
(
18/03/2008 12:46)
dia raikitra fa handoa jirama ny mpianatra any @ université,hevitra mety amiko satria be loatra ny fandaniany mpianatra,
novalian'i Jeankely ny 24/03/2008 16:30
2. Jeankely
(
18/03/2008 13:07)
Lova ratsy avy t@ dadatoan'i Tezitra sy Badboy ireny. Misy ny solombavambahoaka tamin'ny fotoan'androny manana trano eny @ University na efa tsy mpianatra intsony aza. Ao ny lasa mpivarotra ary ny jiro tokony ho an'ny mpianatra no ampiasany amin'ny fitaovany rehetra. Ao no lasa trano fandefasana video. sns... Rehefa arahina dia lazaina fa mitady adimpoko na mandroaka ny sasany. Izay ilay lova napetraky ry zalahy. Ny mpianatra tena hianatra indray no miafiafy. Ao no lasa lova sy hifandimbiasana ny trano fa tsy avela hiditra ny tompon'andraikitra. Vao mpianatra dia saritaka no atao, avy eo manohana mpanao politika dia mahazo toerana dia avela hanao toetra tsy alehany ihany ny akama. Izany fiovana takiana daholo. ka asa raha avadika hoe kely loatra indray ny Bourses satria ampiasaina ao daholo ny rehetra.
3. vale
(
18/03/2008 13:20)
Tsy ratsy ilay hevitra fandoavam-bola amin'izay samy mandoa izay laniny no sady voafetra ny laniana, satria haloha vola.Ny tena vonona hianatra mantsy efa vonona hiatrika ny rehetra hatontosa ny fianarany, fa ny mpanararaotra anefa tsy maintsy misy foana, fa tena hevitra mety aloha ny fahitàko ilay izy an!!!
4. oulkely
(
18/03/2008 13:50)
marina mihitsy zany, am'zay mianatra mandray andraikitra e! sady ny an'sasany koa moa manararaotra fa tsy miantoka jiro de ny jirom-bahoaka no itadiavam-bola anaovana coiffure (ohatra fotsiny io)!dia ny vahoaka madinika avy eo no mibaby amin'ilay 15%. mety mihitsy raha mba mandoa vola ry zareo am'zay mahay mitsitsy e!tena ilaina mba mandray anjara mihitsy ireo ankizy ireo na dia kely fotsiny hanamboarana an'ireny trano ireny sy hanaovana ny fikarakarana azy aza.amin'izay tsy omena tsiny raha mimenomenona raha hoe ratsy ny trano.zay ry zareo a
5. Jeankely
(
18/03/2008 13:51)
Tsisy maharatsy anio ary izany daholo ny amin'ny tany hafa mba misy fandrosoana fa tsy faly manararaotra fotsiny. Tsy simbana ny trano avy eo fa mbola ho ay ny zandry ampiasa azy. Alaina ny etsy hamidy ny eroa nefa mpianatra ambaratonga ambony. Ny mpianatra ho avin'ny firenena mahalala ny tokony hataony. dorana indray koa avy rehfa amporisihin-dry zalahy nefa tsy afaka andeha andafy sahalan'ny voalazan'ilay iray milaza favy lasa ao frantsa. Hajao ny hanana ary kojakojao ho an'ny manaraka.
6. rabingogilabanga
(
18/03/2008 14:29)
tsy ratsy, saingy:
-ahoana ny fampidirana kontera tsirairay, hoatrinona ny ho lany @ infrastructure?
-ahoana ny fandrahona sakafo, ny plaque chauffante, na ny resistance?
-hatao ohatrinona ny bourse handoavana izany?-ary ireo avy any ambanivohitra zanaka tantsaha tsy manambola, na zanaka chômeur, tsy misy mpanampy ho ampy azy ireo ve ny bourse, sady handoavana jiro, no hamidy sakafo, sns...?
Tsara mba hifampidinihana @ mpanabe, mpianatra, ray amandreny,mpitondra, ve ny faisabilité ? sa didy midina!
asa mba mi-cadrer aho fa tsy misy raha haiko loatra
-ahoana ny fampidirana kontera tsirairay, hoatrinona ny ho lany @ infrastructure?
-ahoana ny fandrahona sakafo, ny plaque chauffante, na ny resistance?
-hatao ohatrinona ny bourse handoavana izany?-ary ireo avy any ambanivohitra zanaka tantsaha tsy manambola, na zanaka chômeur, tsy misy mpanampy ho ampy azy ireo ve ny bourse, sady handoavana jiro, no hamidy sakafo, sns...?
Tsara mba hifampidinihana @ mpanabe, mpianatra, ray amandreny,mpitondra, ve ny faisabilité ? sa didy midina!
asa mba mi-cadrer aho fa tsy misy raha haiko loatra
7. ainaheri
(
18/03/2008 15:44)
Ampiakarina ny bourse: ekena raha io mandoa jiro io ny mpianatra........Ekena hoy aho ho an'zay mila azy,misy @ reo mpianatra sasany reo refa mandray bourse ,misotro toka eo @ arret bus ny ataon'ny raha² na ao @ RaDom,d lazaina refa fa tsy ampy azy ny fa tokony ampekarina!!
9. Jeankely
(
18/03/2008 16:34)
Ahoana indray koa izay resak'i bogosy mody gila banga bingo izany. Ny mahantra tsy mitaraina @'izany fa matoa izy tia hianatra dia tena manao na hivarotra tanimbary aza na avy izy dia mijanona. Ny mpanakorontana no mahita hevitra hafa. Na manambola aza dia io voalazan'i Ainaheri io no ataony. Misotro, milalao vehivavy, miliba sns ary hiomehezana ny mafy ady mampiasa ny Bourses kely. Tena tokony hasondrotra ny Bourses fa hasondrotra @'ny inona sa hasondrotra tsisy miditra fa heritreretina misy volabe ny fanjakana nefa tsy mandoa hetra? Mitrosa @ "World Bank" lazaina trosa ho an'ny taranaka. Aleo samy hanao ny andraikitra mifanandrify azy fa manelingelina asa ilay mitsabatsabaka.
10. mmmhh
(
19/03/2008 08:53)
Rehefa tena hianatra ny diany any tsy mampaninona azy ny andoha ny JIRAMA-ny. Mifofotra fôna izy; Sady tsy ny olona kosa no natao hibaby ny fandaniany e!
Sady rah olon-tokana mahay mitsitsy tsy handany ny bourse-ny zany;
Sady rah olon-tokana mahay mitsitsy tsy handany ny bourse-ny zany;
11. Jeankely
(
19/03/2008 13:15)
Izay indrindra. Angaha adinonao fa tatin-jaza sy tokatrano no ataon'ny sasany. Taloha fa tsy izao. Dia ireny baranahany ireny no tiany hiverenana. Izay milofo mianatra indray no sahirana mihaino azy miady mivady sy ny tomanin-jazakely eny @ tranon'ny mpianatra. Tena tsy mandany ny olon-tokana satria any ampianarana no andaniana ny fotoana, mivadika tranomboky miampy ny fiarahana mifanakalo hevitra @ namana nohon'ny asa hikambanana. Mety io.
12. rabingogilabanga
(
19/03/2008 14:33)
Ekena hoy aho ho an'zay mila azy,misy @ reo mpianatra sasany reo refa mandray bourse ,misotro toka eo @ arret bus ny ataon'ny raha² na ao @ RaDom,d lazaina refa fa tsy ampy azy ny fa tokony ampekarina!!
-ny rehetra ve no misotro toaka?
rehefa misotro toaka ve, dia voatery hoe: ratsy resultat?
-ary ny hoe: rehefa triplant sy tsy mamonjy TD, tsy efa lalana efa misy? tsy efa ampy ve io hanasaziana izay adala?
Rehefa tena hianatra ny diany any tsy mampaninona azy ny andoha ny JIRAMA-ny. Mifofotra fôna izy; Sady tsy ny olona kosa no natao hibaby ny fandaniany e!
Sady raha olon-tokana mahay mitsitsy tsy handany ny bourse-ny zany;
-ohatrinona ny bourse?
de raha tsy ampy , dia hiasa, de ho vita ny fianarana?
-ary ireo tsy mahazo trano eny @ fac, tsy manana havana na rai mandreny hapiantrano? ohatrinona ny hofantrano, sy ny Jirama?
any @ tany hafa, ny hofantrano lafo nohon'ny jiro, ary ao gasikara, raha mahandro @ resistance, sy mampiasa fer à repasser, sy mianatra mandrehitra jiro h@ 12h alina, hoatrinona ny jiro?
ary ireo tsy afaka mapiasa jiro, homena alalana hampiasa, sy handoto ny tanana @ charbon?
ianareo manana ray amadreny, misy hipetrahana, sy hiantoka ve , mitovy @ ireo avy any ambanivohitra sy faritany, tsy misy hanampy?
samia mamisavisa!
13. Jeankely
(
19/03/2008 15:09)
Izahay izao avy any ambanivohitra mihintsy ary tsy mpanana fa mpitrongy vao omana. Na nahita ny mi-double aza dia vita hatram'ny farany ny fianarana ary anisany mba tsaroan'ny sasany satria matetika mahazo noty ambony indrindra. Ny mahantra tompoko tsy mitaraina izany fa na hanohy izy dia hilofo araka ny tenin'ny namana na hijanona. Ny mpanao politika no zatra ny mampiresaka. Ny Bourses andafy be nohon'ny karaman'ny mpampianatra eny @ University ka izany ve no hinanina? Averiko @ Ra-Bogosy, mody bingo-gila hoe HASONDROTRA AMIN'NY VOLA INONA ARY na ny Karama na ny rehetra nefa TSY MAMOKATRA? Ankoatr'izay fampivarerahana ny sain'ny tanora tsy hilofo fotsiny.
14. rush
(
19/03/2008 20:11)
efa nisy zao koa tao: miaraka mipetraka daolo ny fianakaviana:dada, mama, zanaka lahy, vadiny, zanany 3,anabavy, anadahy, misy aza 9 mianaka no miaraka @ efitra 1, mampalahelo , ny ampiasaina zany elektrika daolo ny fitaovana, fatan, frigo,fera,maneno, tele sns, sns, ny rano koa dia otrany zany,mikarama manasa lamba ny vevavy,
15. sipagasy
(
19/03/2008 21:28)
Jeankely:
Izahay izao avy any ambanivohitra mihintsy ary tsy mpanana fa mpitrongy vao omana. Na nahita ny mi-double aza dia vita hatram'ny farany ny fianarana ary anisany mba tsaroan'ny sasany satria matetika mahazo noty ambony indrindra. Ny mahantra tompoko tsy mitaraina izany fa na hanohy izy dia hilofo araka ny tenin'ny namana na hijanona. Ny mpanao politika no zatra ny mampiresaka. Ny Bourses andafy be nohon'ny karaman'ny mpampianatra eny @ University ka izany ve no hinanina? Averiko @ Ra-Bogosy, mody bingo-gila hoe HASONDROTRA AMIN'NY VOLA INONA ARY na ny Karama na ny rehetra nefa TSY MAMOKATRA? Ankoatr'izay fampivarerahana ny sain'ny tanora tsy hilofo fotsiny.
tena miombon-kevitra 300% aminao aho ranamana, tena marina moa annnn, tany am-pianarana (izahay moa zanaka mpampianatra, tsy mba nisy sôsy) ka tena marina tokoa ny teninao io, ireo zanaky ny mpanana aterina sy alaina @ fiara tsy mba namiratra t@ fianarana hihihih pozy no beh, fa izahay mpandeha an-tonotra sy mpifanesika bus dia mba nahita mangirana ihany, nefa ny fiainana mafy sns....
sovenira beh!!!!...
16. Jeankely
(
20/03/2008 02:41)
Tandremo, tandremo fa tena manana tombondahiny ny mpanana raha tia hianatra izy. Porofon'izany dia be no mamiratra ry zareo. Raha mijery ny fomba fampianarana @ misy ahy @'izao sy ny nianako teny @ University Ankatso aho dia mahita fa tsotra ny ahaizan'ireo ankizy nohon'ny fananany fitaovana ampy. Na miezaka aza tsy sahiranabe sahalan'ny fianaran'ny mahantra. Ny mpanana "Patron" foana na mahaibe na tsy havanana satria tsy ny diplaoma no mahatsangana orin'asa. Entina hiasa sy hampivoarana ny asa ny fahaizana. Mifameno ireo ary tsy miady ny mahantra sy mpanana fa ny tiana havoitra dia hoe NA FADIRANOVANA MAHANTRA AZA AFAKA MIVOATRA.
17. rush
(
20/03/2008 12:56)
betsaka ny mpianatra tafita soamantsara, marina tokoa fa ny mahantra tena mifikitra @ fianarana mba ho tafita,mampalahelo koa ange ka refa vita ny fianarana dia tsy mahita asa @ fahaizanao ianao ,na ny zanaky ny mpanana aza ry JK,fa tsy very mandeha moa ry zareo reo fa ny ray amandreny eo,
18. Jeankely
(
20/03/2008 14:00)
Ka izay ilay noteneniko hoe ny lafiny rehetra samy sahirana fa tsy ny baolina kitra ihany. Ny fampianarana tsy midika intsony hoe hianatra mba hiatady asa fa mampitombo fahalalana hamorona asa. Raha tena mahay ry lay tsy very izany a eny fa na kely saosy aza hafa hatrany ny tena mahay sy havanana ary hafa ny hoe zara fa nahavita fianarana. Tsy hainao fa tsy baoritra no angonina fa fahalalana no zahavina. Tsy mitovy ireo. Mivadika ny resaka satria maty ve ny jiron'ny Jirama=))=))=))
